|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  tany
Sokajin-teny  2  anarana
Voambolana  3  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Fanazavàna teny malagasy  4  Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly 5  Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka 6  Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina 7  Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana 8  Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo 9  Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10  earth, soil, land; a country, a nation [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11  terre, sol; pays, nation [1.8]12  terre, sol, terrain [1.13]
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaram-poko 
Anaran-toerana 
Lohateny 
Ohabolana  82  Ohabolana misy io teny tany io

Teny iditra (2/4)83  tany
Sokajin-teny  84  ny lasan' ny tambinteny
Fanazavàna teny malagasy  85  Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina [1.1]
Ohatra  86  na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
Singan-teny  87  t~, any
Kamban-teny 
Tsanganana sy sary iray takila  90  Ny tambinteny rehetra

Teny iditra (3/4)91  tany
Sokajin-teny  92  tambinteny
Fanazavàna teny malagasy  93  Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho [1.1]
Tsanganana sy sary iray takila  94  Ny tambinteny rehetra

Teny iditra (4/4)95  tany
Sokajin-teny  96  anarana
Fanazavàna teny malagasy  97  tomany, fitomany, fitomaniana [Bara] [1.78]98  ranomaso, tomany [Sihanaka] [1.78]99  tany, fitomaniana [Tanala] [1.78]100  ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  101  les larmes, les pleurs, les gémissements 102  regret [1.3]103  pleur [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Sampanteny 
104  Matoantenin' ny iharana :
Tovy hevitra  105  tañe
Ohabolana  106  Ohabolana misy io teny tany io

Fivaditsoratra  107  anty, tany

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/06