|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  malemy (lemy)
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Sampanteny 
3  Matoantenin' ny mpanao :
Fanazavàna teny malagasy  4  Malefaka, malambolambo: Malemy ny hoditry ny zaza
5  Mora aforitra, tsy henjana, mora tapaka: Vola malemy ~ Malemy ity rantsan-kazo ity
6  Mora tsakoina, boda, bodaka, mihonankonana: Tsara masaka ny hena ka malemy ~ Savoka malemy
7  Kely aina, tsy matanjaka, mihozohozo, mangozohozo: Mbelà fa malemy loatra ianao ka tsy hahavita io asa io
8  Tsy afa-manohitra fa manaraka ambokony, morainy loatra, rainazy: Malemy loatra amin-janany io Ramatoa io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9  soft; weak [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10  mou [1.8, 1.13]
11  faible [1.8]
Ohatra  12  Katsaka efa matoy nefa mbola malemy no alaina. [2.472]
Mpanahaka  13  boda, bodaka, modaka, motraka, lotaka, mondaka, nondaka, boretaka, mihonankonana, malemilemy, mavozo, mavozovozo, marary ovana, tsy matanjaka, garera, tsy mahazo nofo, malezolezo, marafoka, tsingozahoza, marezoka, marazoka, mangozohozo, konetaka, vavivavy, kely aina, kely ambaitra, somararetra
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny malemy io

Teny iditra (2/2)24  malemy (lemy)
Sokajin-teny  25  anarana
Voambolana  26  Fahasalamana
Fanazavàna teny malagasy  27  voan'ny paralisia [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  28  paralytique [1.13]

Fivaditsoratra  29  malemy, mamely

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/24