|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  manary
Fototeny  2 ary
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 [mañary] [Antesaka] manary [1.78]
9 Manipy zavatra any amin' ny toerana tsy hahitana azy intsony: Manary fako
10 Tsy miraharaha zavatra, hany ka verivery fotsiny ilay izy: Betsaka ny ankizy no manarinary ny bokiny eny rehetrarehetra eny
11 Milaza ampahibemaso fa tsy ho isan-jaza mpandova intsony: Efa nanary azy ela be ny rainy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to throw away, to reject, to abandon [1.2]
13 to throw away [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 rejeter [1.8, 1.5]
15 perdre [1.8]
16 abandonner [1.5]
Ohatra  17  Ny atiny nomeny ny atin-kavana sy ny sakaiza tia, fa izany no tsy manary an-kahoriana [2.293]
18  Na hita ihany aza ny ataon' ny havanay andavanandro, rahefa misy maty kosa, tsy manary irery izy [2.472#101]
Fikambanana  19  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 18 misy ny teny hoe manary
Ohabolana  20  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 21  mañary
Sokajin-teny  22  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  23 [Bara] mandevina [1.78]
24 [Tanala] mandevina faty [1.78]
Fikambanana  25  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe manary

Teny iditra (3/3) 26  manary
Sokajin-teny  27  anarana
Fanazavàna teny frantsay  28 [Sakalava] (de ary : action de rejeter, d'abandonner). Se dit de tous les bois qui laissent exsuder beaucoup de sève lorsqu'ils sont coupés (manary rano) Nom générique des Dalbergia (Fabaceae), principalement Dalbergia greveana Baill., Dalbergia ikopensis Jum. et Dalbergia trichocarpa Baker. D'après Leandri et Faublée, outre ces arbres, on donne aussi ce nom à un Albizia sp. (Fabaceae). Ce sont des arbres donnant des bois magnifiques, commercialisées sous les noms de « Bois de rose de Madagascar » ou « Palissandre de Madagascar » dont malheureusement les sujets exploitables sont devenus fort rares du fait de l'exploitation abusive et de la destruction des forêts de la côte Ouest. On en fait traditionnellement les pagaies (five) des pirogues vezo (signalé anciennement par Léo Samat réf. 94 et 108 d'après Grandidier). En jouant sur les sens de la racine ary, on en fait aussi des talismans contre le rejet, la répudiation. [1.196]
Voambolana  29  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  manary, mañary, 33 manirà, manira, 34 mariña, marina, marìna, 35 mirana

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19