|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  maniry
Fototeny  2 iry
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 [mañiry] [Tanala] mitsiriritra: Mañiry mañitre dia koa kivahe miambojon-daro (mitsiriritra ny manitra toa alika miambozon-koditra) [1.78]
9 Mitady hahazo, mitady ho: Maniry an' io toerana io mafy Rakoto ~ Maniry ny ho sakaizanao izy
10 Mitsiriritra: Aza maniry fananan' olona, hoy Andriamanitra ao amin' ny didy fahafolo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to wish for, to desire [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 désirer, convoiter [1.8]
Voambolana  13  Ontam-po
Mpanahaka  14  mandritika, 15  mangetaheta mitsiriritra, 16  mangirika, 17  mibidibidy, 18  miharana, 19  mikatsaka, 20  milela-tanana, 21  milendalenda, 22  mirary, 23  mitady, 24  mitelin-drora, 25  mitomany
Fikambanana  26  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 13 misy ny teny hoe maniry
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 28  maniry
Fototeny  29 tsiry
Sokajin-teny  30  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
31  Ny ankehitriny :
32  Ny lasa :
33  Ny hoavy :
34  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  35 Ilazana ny voa izay alevina ao anaty tany ka velona misy aina ary mitombo ho azy irery ao: Maniry sahady ilay namboleko / Maniry ny volombavako
36 Mitsimoka: Maniry daholo ny hazo amin' ny lohataona
37 Mitombo: Maniry marina ny tsy fisian' asa amin' izao andro izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  38 to sprout, to grow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  39 pousser, croître [1.8]
Voambolana  40  Haizavamaniry: amin' ny ankapobeny
Fikambanana  41  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 3 misy ny teny hoe maniry
Ohabolana  42  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  maniry, 43 mariny, 44 miriña

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22