|
|
|
|

Teny iditra 1  mifidy
Fototeny  2 fidy
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Maka izay tiana an-tsitrapo: Nifidy ny fampianarana aho ho raharahako
9 Mifantina, mijobona, mitsonga: Nifidy azy tao anatin' ny arivoarivo aho
10 Mandatsa-bato tsy voateritery ho an-...: Nifidy an-dRabe aho ho solombavambahoaka tao amin' ny faritaninay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to choose [1.2, 1.7]
12 to select, to prefer. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  13 choisir; élire [1.8]
Ohatra  14  Tsy fantatro izany, fa anjaran' ialahy no mifidy [2.472#186]
15  nony mamo ny vahoaka, dia ny nifidy izay tovolahy sy tovovavy tomady sisa nataon' ny mpanjaka sy ny mpijirika andevo... [2.471#62]
16  hifidy izay ravin-damba mahafa-po azy indrindra izy; [2.470#103]
17  Raha izaho no mba nifidy nifantina dia navelako io faratsaikany io, fara-fidy. [1.10#F.510]
Mpanahaka  18  manasivana, 19  manivana, 20  Mifantina, 21  mijobona, 22  mitsaika, 23  mitsongo
Fikambanana  24  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny hoe mifidy
Ohabolana  25  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  26 fidimy, 27 midify, mifidy

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22