|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  miserana
Fototeny  2 serana
Sokajin-teny  3  anarana na mpamaritra
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Miseho vetivety dia lasa, mandalo faingana, tsy maharitra: Niserana ihany izy teto fa tsy nipetraka akory
9 Mora simba na levona: Miserana ihany ny voninahitr' izao tontolo izao
10 Ampandalovina eo ambony afo (fiteny amin' ny zavatra nentina alina ka homena hohanin' ny zaza): Efa niserana teo ambony afo ve iny hena avy any alatrano iny no nomenareo ny zaza [1.1]
11 mandalo vetivety, miseho vetivety [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  12 to pass by rapidly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 passer rapidement [1.8]
14 temporaire [1.13]
Ohatra  15  Indray miserana|niserana monja no nahitan-dRandrianaivo azy, nefa izay indray miserana|niserana izay dia nanaitra ny fony [2.324]
16  Tsy honina akory fa handalo!... Tsy hitoetra fa olon-kiserana... [2.5#7]
Mpanahaka  17  mandala, 18  Mandalo, 19  mihelatra, 20  mihelina, 21  mihelina, 22  misalovana, 23  tsy tra-maso mipy
Fikambanana  24  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe miserana

Teny iditra (2/2) 25  miseràna
Fototeny  26 serana
Sokajin-teny  27  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miserana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  miseràna, miserana, 28 sarimena

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/18