|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  rambon-damba
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] ny vola entina mitsapa alahelo ny mana-manjo. Anarana enti-milaza ny vola famangiana amin' ny fahoriana, raha toa ka efa voalevina ny razana no tonga mamangy (efa voalevina mifono lamba ny maty, ka ny famangiana manaraka aty aoriana dia toy ny rambo manaraka ny lamba). (Jer. koa: ranombarytsymasaka, solontsosoa, faodranomaso, kofehy, solonkofehy, zaralevenana)
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] a gift brought at the time of a funeral
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] participation financière apportée à un enterrement
Ohatra  6  [2.48] Sasao madio dia madio ny fery, dia alaina ny fangoka (rambondamba) sy ny lavenon-dambarano sy ny kelihomandrà (bozaka mandady tahaky ny sofin-totozy), ahandroina ny vary sosoa ridritra atao aman-dravina atao mahamay;
Voambolana  7  Teny fanajana
Singan-teny  8  rambo, lamba

Teny iditra (2/2)9  rambon-damba
Sokajin-teny  10  anarana
Fanazavàna teny anglisy  11  [1.2] The fag-ends of a cloth, the thread left unwoven.
12  [1.7] the end of a piece af weaving
Fanazavàna teny frantsay  13  [1.8] frange au bout d'une étoffe qu'on tisse
Voambolana  14  Toe-karena: zaitra
Singan-teny  15  rambo

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02