|
|
|
|

Teny iditra 1  tsotra
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  19 Mahitsy tsy misy mivonkina: Tsotra tahaka ny tsinaim-balala
20 Mora tsy manahirana ny fanaovana na fampiasana azy: Milina tsotra ity anao ity
21 Mora azo, tsy be olakolaka na miolikolika: Lahateny tsotra ~ Valinteny tsotra
22 Tsy manan-kevi-dratsy hamely, tsy manafinafin-kevitra: Tsotra ohatra ny zazakely
23 Mora badoina: Tsotra loatra izy ka ambakain' ny sasany
24 Tsy be aingitraingitra na fombafombany: Manao fitafiana tsotra izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  25 smooth, plain; easy, simple [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  26 lisse, droit; simple, facile [1.8]
Ohatra  27  fitafiana tsotra kanefa madio sady milamindamina. [2.324]
28  mamy dia mamy raha hanina tsotra amin' izao, saingy tsy mamy ny ranom-boafotsy asiana azy; [2.470#46]
29  Mpitsabo tsotra ireny " dokotera" ireny matetika. [2.472#178]
Fikambanana  30  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 17 misy ny teny hoe tsotra
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21