Teny iditra tsy hita popòka
Singan-teny tsy hita ; popòka
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Tena very tanteraka, na tsy antenaina ho hita intsony; tsy hita mihitsy izay toerana misy azy; tsy hita avanavana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Incompréhensible, qu'on ne peut se figurer [1.3]
Ohatra 
1Saingy raha mbola tsy nanasa-dàlana akory izy, dia efa tsy hita popoka izay nidifian' i Noro. [2.5]
2Ankizy 4 taona no tsy hita popoka niaraka tamin’ny namany tao amin’ity tanàna ity io talata io [4.11]
Tovy hevitra tsy hita paipaika ~ tsy hita poka ~ tsy hita veroka

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20