| Teny iditra | 1 vahoaka |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
10 Ny olom-pirenena amin' ny fanjakana iray: Novorin' ny filoham-panjakana ny vahoakany
11 olona maro be: Vahoaka be mihitsy izay tao an-tsena izay aninaraina 12 Ny sarambaben' ny olona, ny valalabemandry: Rahefa avy nikabary izy dia nifangaroharo tamin' ny vahoaka [1.1#1007] |
| Fanazavàna teny anglisy |
13 the people; the citizens of a country
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
14 le peuple
[1.3, 1.8] 15 les sujets d'un état 16 public [1.3] 17 citoyen d'un pays [1.8] |
| Ohatra |
18 Ny mpanjaka no manjaka ny vahoaka
[2.131]
19 Raha olo-marina izy dia tokony ho tonga niaraka tamin'ny vahoaka. [2.324] 20 Tsara izao fahatongavanao izao, hizaha ahy sy ny tany anjakako ary ny vahoakako. [2.298#62] 21 Nahalala indrindra ny fon'ny vahoakany Andrianampoinimerina [2.298#26] |
| Voambolana | 22 Pôlitika |
| Mpanahaka | 23 ambanilanitra, 24 bozaka aman' ahitra, 25 ny miankandrefam-baravarana, 26 ny olo-miaina, 27 ny velona rehetra, 28 Olona, 29 sarambaben' ny kintana, 30 valalabemandry, 31 valalatsimandadiharona, 32 vodiahitrarivo |
| Fikambanana | 33 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 15 misy ny teny hoe vahoaka |
| Ohabolana | 34 Ohabolana misy io teny io |
| Teny nalaina | 35 Soratra misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|