|
|
|
|

Teny iditra 1  vato
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  12 Zavatra mafy sady mavesatra hita ao anaty tany, izay lazain' ny mpahalala fa avy amin' ny fanjarian' ny afo, tany am-boalohany, ho vongana: Tany be vato i Madagasikara afovoan-tany
13 Potik' io voalaza eo ambony: Vary be vato
14 Ireo toko alahatra amin' ny fanaovana kilalao sasany, toy ny fanorona, katra, dama: Vatom-panorona
15 Ireo vy na varahina fandanjana efa misy rahateo ny mariky ny lanja: vato-mizana
16 Isa azo amin' ny fifidianana: Nitovy ny vato azon-dRakoto sy Rabe tamin' ny fifidianana farany [1.1]
17 vato miforona any anatin' ny voa na ny fantsom-boa [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  18 a stone, a rock [1.7]
19 a vote [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  20 pierre [1.8, 1.13]
21 roche, caillou [1.13]
22 gravelle [1.3]
23 calcul [1.54]
24 calcul rénal [1.13]
Ohatra  25  Nisaina ny vato azon' ny mpilatsaka. [2.356#128]
26  Misy vato milahadahatra manodidina azy ireo. [2.643#67]
27  Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; [2.996]
Zanakanarana 
Fikambanana  37  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 332 misy ny teny hoe vato
Ohabolana  38  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  39 Randzavola: vato ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  40 tavo, 41 tova, vato

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21