<-
->

Gen / Jen 13:1 And Abram went up out of Egypt, he, and his wife, and all that he had, and Lot with him, into the south. Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin' ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin' ny tany atsimo. Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin' ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy. D'Égypte, Abram avec sa femme et tout ce qu' il possédait, et Lot avec lui, remonta au Négeb.
Gen / Jen 13:2 And Abram was very rich in cattle, in silver, and in gold. Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman' ondry sy volafotsy ary volamena. Nanana harena be tokoa Abrama, dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena. Abram était très riche en troupeaux, en argent et en or.
Gen / Jen 13:3 And he went on his journeys from the south even to Bethel, unto the place where his tent had been at the beginning, between Bethel and Hai; Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin' ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan' ny lainy tamin' ny voalohany, teo anelanelan' i Betela sy Ay, Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin' ilay niorenany lay tamin' ny voalohany, anelanelan' i Betela sy Hay; Ses campements le conduisirent du Négeb jusqu'à Béthel, à l' endroit où sa tente s'était dressée d' abord entre Béthel et Aï,
Gen / Jen 13:4 Unto the place of the altar, which he had make there at the first: and there Abram called on the name of the Lord. dia teo amin' ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin' ny voalohany; ary dia niantso ny anaran' i Jehovah teo Abrama. dia tao amin' ilay tany nisy ny otely natsangany taloha. Ary teo Abrama niantso ny anaran' ny Tompo. à l' endroit de l' autel qu' il avait érigé précédemment, et là, Abram invoqua le nom de Yahvé.
Gen / Jen 13:5 And Lot also, which went with Abram, had flocks, and herds, and tents. Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin' i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay. Lota izay niara-dia tamin' i Abrama, dia mba nanana omby aman' ondry sy lay koa; Lot, qui accompagnait Abram, avait également du petit et du gros bétail, ainsi que des tentes.
Gen / Jen 13:6 And the land was not able to bear them, that they might dwell together: for their substance was great, so that they could not dwell together. Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy. ka tsy ampy hiarahan' izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy. Le pays ne suffisait pas à leur installation commune : ils avaient de trop grands biens pour pouvoir habiter ensemble.
Gen / Jen 13:7 And there was a strife between the herdmen of Abram' s cattle and the herdmen of Lot' s cattle: and the Canaanite and the Perizzite dwelled then in the land. Dia niady ny mpiandry ombin' i Abrama sy ny mpiandry ombin' i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay. Nifanditra ny mpiandry ondrin' i Abrama sy ny mpiandry ondrin' i Lota. Ny Kananeana sy ny Ferezeana no nitoetra tamin' ny tany tamin' izay. Il y eut une dispute entre les pâtres des troupeaux d' Abram et ceux des troupeaux de Lot les Cananéens et les Perizzites habitaient alors le pays .
Gen / Jen 13:8 And Abram said unto Lot, Let there be no strife, I pray thee, between me and thee, and between my herdmen and thy herdmen; for we be brethren. Ary hoy Abrama tamin' i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin' ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. Dia hoy Abrama tamin' i Lota: Aoka re tsy hifanditra izaho sy hianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika. Aussi Abram dit-il à Lot : Qu' il n' y ait pas discorde entre moi et toi, entre mes pâtres et les tiens, car nous sommes des frères !
Gen / Jen 13:9 Is not the whole land before thee? separate thyself, I pray thee, from me: if thou wilt take the left hand, then I will go to the right; or if thou depart to the right hand, then I will go to the left. Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho. Tsy eo anoloanao ve ny tany rehetra? Ka aoka hisaraka amiko hianao. Raha mankany amin' ny havia hianao dia ny havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin' ny havanana hianao dia ny havia no halehako. Tout le pays n' est-il pas devant toi ? Sépare-toi de moi. Si tu prends la gauche, j' irai à droite, si tu prends la droite, j' irai à gauche.
Gen / Jen 13:10 And Lot lifted up his eyes, and beheld all the plain of Jordan, that it was well watered every where, before the Lord destroyed Sodom and Gomorrah, even as the garden of the Lord, like the land of Egypt, as thou comest unto Zoar. Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron' i Jordana hatrany akaikin' i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan' ny nandravan' i Jehovah an' i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan' i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta. Dia nanopy ny masony Lota ka nahita ny tany lemak' i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan' ny nandravan' ny Tompo an' i Sodoma sy Gomora, dia tahaka ny sahan' ny Tompo, tahaka ny tany Ejipta akaikin' i Tsoara. Lot leva les yeux et vit toute la Plaine du Jourdain qui était partout irriguée - c'était avant que Yahvé ne détruisît Sodome et Gomorrhe - comme le jardin de Yahvé, comme le pays d'Égypte, jusque vers Çoar.
Gen / Jen 13:11 Then Lot chose him all the plain of Jordan; and Lot journeyed east: and they separated themselves the one from the other. Dia nofidin' i Lota ho azy ny tany rehetra amoron' i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy. Ka dia ny tany lemak' i Jordany no nofidin' i Lota ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan' izy roa lahy. Lot choisit pour lui toute la Plaine du Jourdain et il émigra à l' orient; ainsi ils se séparèrent l' un de l' autre :
Gen / Jen 13:12 Abram dwelled in the land of Canaan, and Lot dwelled in the cities of the plain, and pitched his tent toward Sodom. Ary Abrama nonina tao amin' ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin' ny tany amoron' i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. Abrama nonina tamin' i Kanaana, ary Lota kosa nonina tao afovoan' ireo tanàna eo amin' ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sodoma. Abram s'établit au pays de Canaan et Lot s'établit dans les villes de la Plaine; il dressa ses tentes jusqu'à Sodome.
Gen / Jen 13:13 But the men of Sodom were wicked and sinners before the Lord exceedingly. Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin' i Jehovah. Ary ny mponina tany Sodoma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin' ny Tompo. Les gens de Sodome étaient de grands scélérats et pécheurs contre Yahvé.
Gen / Jen 13:14 And the Lord said unto Abram, after that Lot was separated from him, Lift up now thine eyes, and look from the place where thou art northward, and southward, and eastward, and westward: Ary Jehovah niteny tamin' i Abrama taorian' ny nisarahan' i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin' ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; Ary hoy Iaveh tamin' i Abrama taorian' ny nisarahan' i Lota taminy: Atopazy ny masonao ary eto amin' ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana; Yahvé dit à Abram, après que Lot se fut séparé de lui : Lève les yeux et regarde, de l' endroit où tu es, vers le nord et le midi, vers l' orient et l' occident.
Gen / Jen 13:15 For all the land which thou seest, to thee will I give it, and to thy seed for ever. fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao. Tout le pays que tu vois, je le donnerai à toi et à ta postérité pour toujours.
Gen / Jen 13:16 And I will make thy seed as the dust of the earth: so that if a man can number the dust of the earth, then shall thy seed also be numbered. Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao. Hataoko toy ny vovo-tany ny taranakao, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao. Je rendrai ta postérité comme la poussière de la terre : quand on pourra compter les grains de poussière de la terre, alors on comptera tes descendants !
Gen / Jen 13:17 Arise, walk through the land in the length of it and in the breadth of it; for I will give it unto thee. Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin' ny lavany sy any amin' ny sakany; fa homeko anao izy. Koa mitsangàna hianao, tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany, fa homeko anao izy. Debout ! Parcours le pays en long et en large, car je te le donnerai.
Gen / Jen 13:18 Then Abram removed his tent, and came and dwelt in the plain of Mamre, which is in Hebron, and built there an altar unto the Lord. Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan' i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an' i Jehovah izy. Dia nifindra toby Abrama ka nandeha nonina teo amin' ny terebintan' i Mambre, izay any Hebròna, ary teo izy nanangana otely ho an' ny Tompo. Avec ses tentes, Abram alla s'établir au Chêne de Mambré, qui est à Hébron, et là, il érigea un autel à Yahvé.

<-
->