<-
->

Gen / Jen 40:1 And it came to pass after these things, that the butler of the king of Egypt and his baker had offended their lord the king of Egypt. Ary taorian' izany ny mpitondra kapoakan' ny mpanjakan' i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin' ny mpanjakan' i Egypta tompony. Taty aorian' izany dia sendra diso tamin' ny mpanjakan' i Ejipta, tompony, ny mpandroso divay, sy ny mpitàntana mofo, ao amin' ny mpanjakan' i Ejipta. Il arriva, après ces événements, que l'échanson du roi d'Égypte et son panetier se rendirent coupables envers leur maître, le roi d'Égypte.
Gen / Jen 40:2 And Pharaoh was wroth against two of his officers, against the chief of the butlers, and against the chief of the bakers. Ary tezitra indrindra tamin' ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin' ny lehiben' ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben' ny mpanao mofo. Ka tezitra Faraona tamin' ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben' ny mpandroso divay sy ny lehiben' ny mpitàntana mofo. Pharaon s' irrita contre ses deux eunuques, le grand échanson et le grand panetier,
Gen / Jen 40:3 And he put them in ward in the house of the captain of the guard, into the prison, the place where Joseph was bound. Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon' ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin' ny trano-maizina izay nifatoran' i Josefa. Dia nasainy nahiboka tao amin' ny lehiben' ny mpiambina ireo, tao an-tranomaizina tao, amin' ny fitoerana nitanana an' i Josefa. et il les mit aux arrêts chez le commandant des gardes, dans la geôle où Joseph était détenu.
Gen / Jen 40:4 And the captain of the guard charged Joseph with them, and he served them: and they continued a season in ward. Ary Josefa notendren' ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin' izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin' ny trano-maizina izy roa lahy. Josefa no notendren' ny lehiben' ny mpiambina ho eo amin' izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an' ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo. Le commandant des gardes leur adjoignit Joseph pour qu' il les servît et ils restèrent un certain temps aux arrêts.
Gen / Jen 40:5 And they dreamed a dream both of them, each man his dream in one night, each man according to the interpretation of his dream, the butler and the baker of the king of Egypt, which were bound in the prison. Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon' ny mpanjakan' i Egypta, izay nifatotra tao amin' ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy. Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitàntana mofon' ny mpanjakan' i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samihafa ny hevitry ny nofiny. Or, une même nuit, tous deux eurent un songe ayant pour chacun sa signification, l'échanson et le panetier du roi d'Égypte, qui étaient détenus dans la geôle.
Gen / Jen 40:6 And Joseph came in unto them in the morning, and looked upon them, and, behold, they were sad. Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy. Nony tonga teo amin' izy ireo Josefa ny maraina, dia nijery azy, ka indreo nalahelo tarehy izy. Venant les trouver le matin, Joseph s' aperçut qu' ils étaient maussades
Gen / Jen 40:7 And he asked Pharaoh' s officers that were with him in the ward of his lord' s house, saying, Wherefore look ye so sadly to day? Dia nanontanian' i Josefa ny tandapan' i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon' ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny? Dia nanontanian' i Josefa ireto mpanao raharahan' i Faraona niara-notanana an-tranomaizina taminy, tao an-tranon' ny tompony, nataony hoe: Nahoana izato hianareo no malahelo tarehy anio? et il demanda aux eunuques de Pharaon qui étaient avec lui aux arrêts chez son maître : Pourquoi faites-vous mauvais visage aujourd' hui ?
Gen / Jen 40:8 And they said unto him, We have dreamed a dream, and there is no interpreter of it. And Joseph said unto them, Do not interpretations belong to God? tell me them, I pray you. Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin' Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany. Ka hoy ireo: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Ary hoy Josefa taminy: Moa tsy an' Andriamanitra va ny fanambaran-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany. Ils lui répondirent : Nous avons eu un songe et il n' y a personne pour l' interpréter; Joseph leur dit : C' est Dieu qui donne l' interprétation; mais racontez-moi donc !
Gen / Jen 40:9 And the chief butler told his dream to Joseph, and said to him, In my dream, behold, a vine was before me; Dia nambaran' ny lehiben' ny mpitondra kapoaka tamin' i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako; Dia notantarain' ny lehiben' ny mpandroso divay tamin' i Josefa ny nofiny, ka hoy izy: Nofiko fa indro nisy foto-boaloboka teo anatrehako; Le grand échanson raconta à Joseph le songe qu' il avait eu : J' ai rêvé, dit-il, qu' il y avait devant moi un cep de vigne,
Gen / Jen 40:10 And in the vine were three branches: and it was as though it budded, and her blossoms shot forth; and the clusters thereof brought forth ripe grapes: ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka. ary nisampana telo io foto-boaloboka io; dia nitsimoka izy, niposaka ny voniny, nanjary voaloboka masaka ny sampahony. et sur le cep trois sarments : dès qu' il bourgeonna, il monta en fleur, ses grappes firent mûrir les raisins.
Gen / Jen 40:11 And Pharaoh' s cup was in my hand: and I took the grapes, and pressed them into Pharaoh' s cup, and I gave the cup into Pharaoh' s hand. Ary teny an-tanako ny kapoakan' i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin' ny kapoakan' i Farao, dia natolotro teo an-tànan' i Farao ny Kapoaka. Ary teny an-tànako ny kopin' i Faraona, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kopin' i Faraona ny ranony, dia natolotro teo an-tànan' i Faraona ny kopy. J' avais en main la coupe de Pharaon, je pris les raisins, je les pressai sur la coupe de Pharaon et je mis la coupe dans la main de Pharaon.
Gen / Jen 40:12 And Joseph said unto him, This is the interpretation of it: The three branches are three days: Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana. Dia hoy Josefa taminy: Izao no hevitr' izany: Ny sampany telo, dia hateloana. Joseph lui dit : Voici ce que cela signifie : les trois sarments représentent trois jours.
Gen / Jen 40:13 Yet within three days shall Pharaoh lift up thine head, and restore thee unto thy place: and thou shalt deliver Pharaoh' s cup into his hand, after the former manner when thou wast his butler. Ato anatin' ny hateloana dia hasandratr' i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin' ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan' i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany. Ka hateloana sisa dia hasandratr' i Faraona ny lohanao, haveriny amin' ny raharahanao indray hianao, ka hametraka ny kopin' i Faraona ho eo an-tànany hianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony hianao mpandroso divay azy. Encore trois jours et Pharaon t'élèvera la tête, et il te rendra ton emploi : tu mettras la coupe de Pharaon en sa main, comme tu avais coutume de faire autrefois où tu étais son échanson.
Gen / Jen 40:14 But think on me when it shall be well with thee, and shew kindness, I pray thee, unto me, and make mention of me unto Pharaoh, and bring me out of this house: Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin' i Farao aho, ka avoahy amin' ity trano ity; Koa raha avy izay hahatongavanao any amin' ny fahasambarana indray, ka mba mahatsiaro ahy hianao, sy mba te-hanisy soa amiko, dia lazao any amin' i Faraona any aho, asaovy hesorina amin' ity trano ity. Souviens-toi de moi, lorsqu' il te sera arrivé du bien, et sois assez bon pour parler de moi à Pharaon, qu' il me fasse sortir de cette maison.
Gen / Jen 40:15 For indeed I was stolen away out of the land of the Hebrews: and here also have I done nothing that they should put me into the dungeon. fa nangalarina mihitsy avy tany amin' ny tanin' ny Hebreo aho, ary atý koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin' ity lavaka ity aho,. Fa an-keriny no nangalana ahy tany amin' ny tanin' ny Hebrio; ary eto aho tsy nanao na inona na inona tokony handatsahana ahy amin' ity tranomaizina ity. En effet, j' ai été enlevé du pays des Hébreux et ici même je n' ai rien fait pour qu' on me mette en prison.
Gen / Jen 40:16 When the chief baker saw that the interpretation was good, he said unto Joseph, I also was in my dream, and, behold, I had three white baskets on my head: Ary rehefa hitan' ny lehiben' ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin' i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho; Nony hitan' itsy lehiben' ny mpitàntana mofo fa tsara ny hevitry ny nofy nolazain' i Josefa, dia hoy izy taminy: Izao kosa no nofiko: niloloha karaba telo nisy mofo fotsy aho, Le grand panetier vit que c'était une interprétation favorable et il dit à Joseph : Moi aussi, j' ai rêvé : il y avait trois corbeilles de gâteaux sur ma tête.
Gen / Jen 40:17 And in the uppermost basket there was of all manner of bakemeats for Pharaoh; and the birds did eat them out of the basket upon my head. ary teo anatin' ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan' i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon' ny mpanao mofo; ary nohanin' ny vorona teo anatin' ny karaba izay nololohaviko izany. ka tao anatin' ilay karaba ambony indrindra, nisy ny mofomamy isan-karazany rehetra ho an' i Faraona, ary nohanin' ny vorona tao anaty karaba nololohaviko ireny. Dans la corbeille du dessus, il y avait toutes sortes de pâtisseries que mange Pharaon, mais les oiseaux les mangeaient dans la corbeille, sur ma tête.
Gen / Jen 40:18 And Joseph answered and said, This is the interpretation thereof: The three baskets are three days: Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana. Dia hoy ny navalin' i Josefa: Izao kosa no heviny: Ny karaba telo dia hateloana. Joseph lui répondit ainsi : Voici ce que cela signifie : les trois corbeilles représentent trois jours.
Gen / Jen 40:19 Yet within three days shall Pharaoh lift up thy head from off thee, and shall hang thee on a tree; and the birds shall eat thy flesh from off thee. Ato anatin' ny hateloana dia hasandratr' i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin' ny hazo ianao) dia hohanin' ny vorona ny nofonao. Ka hateloana sisa dia hesorin' i Faraona ho afaka aminao ny lohanao, ary hahantony amin' ny hazo hianao, ka hohanin' ny vorona ny nofonao eo aminao. Encore trois jours et Pharaon t'élèvera la tête, il te pendra au gibet et les oiseaux mangeront la chair de dessus toi.
Gen / Jen 40:20 And it came to pass the third day, which was Pharaoh' s birthday, that he made a feast unto all his servants: and he lifted up the head of the chief butler and of the chief baker among his servants. Ary tamin' ny andro fahatelo, izay niherenan' ny taona nahaterahan' i Farao, dia nanao fanasana ho an' ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan' ny lehiben' ny mpitondra kapoaka sy ny lohan' ny lehiben' ny mpanao mofo teo amin' ny mpanompony. Nony tamin' ny andro fahatelo, izay fitsingerenan' ny andro nahaterahan' i Faraona, dia nanao fanasana ho an' ny mpanompony rehetra Faraona, ka samy nasandrany tokoa ny lohan' ny lehiben' ny mpandroso divay sy ny lohan' ny lehiben' ny mpitàntana mofo; Effectivement, le troisième jour, qui était l' anniversaire de Pharaon, celui-ci donna un banquet à tous ses officiers et il relâcha le grand échanson et le grand panetier au milieu de ses officiers.
Gen / Jen 40:21 And he restored the chief butler unto his butlership again; and he gave the cup into Pharaoh' s hand: Ary ny lehiben' ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin' ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan' i Farao izy; ny lehiben' ny mpandroso divay naveriny amin' ny raharahany indray, ka nametraka ny kopy teo an-tànan' i Faraona, Il rétablit le grand échanson dans son échansonnerie et celui-ci mit la coupe dans la main de Pharaon;
Gen / Jen 40:22 But he hanged the chief baker: as Joseph had interpreted to them. fa ny lehiben' ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain' i Josefa tamin' izy roa lahy avy. fa ny lehiben' ny mpitàntana mofo kosa, nasainy nahantona; dia samy araka ny nivoasan' i Josefa ny nofiny taminy avy izany. quant au grand panetier, il le pendit, comme Joseph lui avait expliqué.
Gen / Jen 40:23 Yet did not the chief butler remember Joseph, but forgat him. Kanjo tsy mba nahatsiaro an' i Josefa ilay lehiben' ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy. Kanjo tsy mba nilaza ny amin' i Josefa ilay lehiben' ny mpandroso divay fa nanadino azy. Mais le grand échanson ne se souvint pas de Joseph, il l' oublia..

<-
->