<-
->

Gen / Jen 5:1 This is the book of the generations of Adam. In the day that God created man, in the likeness of God made he him; Ity no boky milaza ny taranak' i Adama: Tamin' ny andro namoronan' Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin' Andriamanitra no nanaovany azy; Ity no boky misy ny tantaran' i Adama. Tamin' ny naharian' Andriamanitra ny olombelona dia nataony manahaka an' Andriamanitra izy. Voici le livret de la descendance d' Adam : Le jour où Dieu créa Adam, il le fit à la ressemblance de Dieu.
Gen / Jen 5:2 Male and female created he them; and blessed them, and called their name Adam, in the day when they were created. lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin' ny andro namoronany azy. Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin' ny nahariany azy. Homme et femme il les créa, il les bénit et leur donna le nom d' Homme, le jour où ils furent créés.
Gen / Jen 5:3 And Adam lived an hundred and thirty years, and begat a son in his own likeness, and after his image; and called his name Seth: Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan' i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. Telopolo amby zato taona ny andro niainan' i Adama vao nitera-dahy anankiray manahaka azy sy mitovy tarehy aminy, ka nomeny anarana hoe Seta. Quand Adam eut cent trente ans, il engendra un fils à sa ressemblance, comme son image, et il lui donna le nom de Seth.
Gen / Jen 5:4 And the days of Adam after he had begotten Seth were eight hundred years: and he begat sons and daughters: Ary ny andron' i Adama taorian' ny niterahany an' i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary ny andron' i Adama taorian' ny niterahany an' i Seta dia valon-jato taona, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy. Le temps que vécut Adam après la naissance de Seth fut de huit cents ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:5 And all the days that Adam lived were nine hundred and thirty years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. Telopolo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan' i Adama, dia maty izy. Toute la durée de la vie d' Adam fut de neuf cent trente ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:6 And Seth lived an hundred and five years, and begat Enos: Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan' i Seta, dia niteraka an' i Enosy izy. Dimy amby zato taona ny andro niainan' i Seta vao niteraka an' i Enosy izy. Quand Seth eut cent cinq ans, il engendra Énosh.
Gen / Jen 5:7 And Seth lived after he begat Enos eight hundred and seven years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Seta taorian' ny niterahany an' i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona fito amby valon-jato taona Seta taorian' ny niterahany an' i Enosy, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance d'Énosh, Seth vécut huit cent sept ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:8 And all the days of Seth were nine hundred and twelve years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Seta dia roa ambin' ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; Dimy amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan' i Seta, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Seth fut de neuf cent douze ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:9 And Enos lived ninety years, and begat Cainan: Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan' i Enosy, dia niteraka an' i Kenana izy. Sivy folo taona ny andro niainan' i Enosy vao niteraka an' i Kainany izy. Quand Énosh eut quatre-vingt-dix ans, il engendra Qénân.
Gen / Jen 5:10 And Enos lived after he begat Cainan eight hundred and fifteen years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Enosy taorian' ny niterahany an' i Kenana dia dimy ambin' ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy; Mbola velona dimy ambin' ny folo amby valon-jato taona Enosy taorian' ny niterahany an' i Kainany, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance de Qénân, Énosh vécut huit cent quinze ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:11 And all the days of Enos were nine hundred and five years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy. Dimy amby sivin-jato taona ny andro rehetra niainan' i Enosy, dia maty izy. Toute la durée de la vie d'Énosh fut de neuf cent cinq ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:12 And Cainan lived seventy years and begat Mahalaleel: Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan' i Kenana, dia niteraka an' i Mahalalila izy. Fitopolo taona ny andro niainan' i Kainany vao niteraka an' i Malaleela izy. Quand Qénân eut soixante-dix ans, il engendra Mahalaléel.
Gen / Jen 5:13 And Cainan lived after he begat Mahalaleel eight hundred and forty years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Kenana taorian' ny niterahany an' i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona efapolo sy valon-jato taona Kainany taorian' ny niterahany an' i Malaleela, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance de Mahalaléel, Qénân vécut huit cent quarante ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:14 And all the days of Cainan were nine hundred and ten years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy. Folo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan' i Kainany, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Qénân fut de neuf cent dix ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:15 And Mahalaleel lived sixty and five years, and begat Jared: Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan' i Mahalalila, dia niteraka an' i Jareda izy. Dimy amby enim-polo taona ny andro niainan' i Malaleela, vao niteraka an' i Jareda izy. Quand Mahalaléel eut soixante-cinq ans, il engendra Yéred.
Gen / Jen 5:16 And Mahalaleel lived after he begat Jared eight hundred and thirty years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Mahalalila taorian' ny niterahany an' i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona telopolo amby valon-jato taona Malaleela taorian' ny niterahany an' i Jareda, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance de Yéred, Mahalaléel vécut huit cent trente ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:17 And all the days of Mahalaleel were eight hundred ninety and five years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy. Dimy amby sivifolo sy valon-jato taona no andro rehetra niainan' i Malaleela, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Mahalaléel fut de huit cent quatre-vingt-quinze ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:18 And Jared lived an hundred sixty and two years, and he begat Enoch: Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan' i Jareda dia niteraka an' 1 Enoka izy. Roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan' i Jareda vao niteraka an' i Enaoka izy. Quand Yéred eut cent soixante-deux ans, il engendra Hénok.
Gen / Jen 5:19 And Jared lived after he begat Enoch eight hundred years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Jareda taorian' ny niterahany niterahany an' i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona telopolo amby valon-jato taona Jareda taorian' ny niterahany an' i Enaoka, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance d' Hénok, Yéred vécut huit cents ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:20 And all the days of Jared were nine hundred sixty and two years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. Roa amby enim-polo amby sivin-jato taona no andro rehetra niainan' i Jareda, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Yéred fut de neuf cent soixante-deux ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:21 And Enoch lived sixty and five years, and begat Methuselah: Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan' i Enoka, dia niteraka an' i Metosela izy. Dimy amby enim-polo taona ny andro niainan' i Enaoka vao niteraka an' i Matosalema izy. Quand Hénok eut soixante-cinq ans, il engendra Mathusalem.
Gen / Jen 5:22 And Enoch walked with God after he begat Methuselah three hundred years, and begat sons and daughters: Ary niara-nandeha tamin' Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian' ny niterahany an' i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola nizotra nifanaraka tamin' Andriamanitra telon-jato taona Enaoka, taorian' ny niterahany an' i Matosalema, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Hénok marcha avec Dieu. Après la naissance de Mathusalem, Hénok vécut trois cents ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:23 And all the days of Enoch were three hundred sixty and five years: Ary ny andro rehetra niainan' i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. Dimy amby enimpolo sy telon-jato taona no andro rehetra niainan' i Enaoka. Toute la durée de la vie d' Hénok fut de trois cent soixante-cinq ans.
Gen / Jen 5:24 And Enoch walked with God: and he was not; for God took him. Ary niara-nandeha tamin' Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin' Andriamanitra. Nizotra nifanaraka tamin' Andriamanitra Enaoka, dia tsy hita intsony, fa nentin' Andriamanitra izy. Hénok marcha avec Dieu, puis il disparut, car Dieu l' enleva.
Gen / Jen 5:25 And Methuselah lived an hundred eighty and seven years, and begat Lamech. Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan' i Metosela, dia niteraka an' i Lameka izy. Fito amby valopolo amby zato taona ny andro niainan' i Matosalema vao niteraka an' i Lameka izy. Quand Mathusalem eut cent quatre-vingt-sept ans, il engendra Lamek.
Gen / Jen 5:26 And Methuselah lived after he begat Lamech seven hundred eighty and two years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Metosela taorian' ny niterahany an' i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona roa roa amby valopolo sy fiton-jato taona Matosalema taorian' ny niterahany an' i Lameka, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance de Lamek, Mathusalem vécut sept cent quatre-vingt-deux ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:27 And all the days of Methuselah were nine hundred sixty and nine years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. Sivy amby enim-polo sy sivin-jato taona no andro rehetra niainan' i Matosalema, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Mathusalem fut de neuf cent soixante-neuf ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:28 And Lamech lived an hundred eighty and two years, and begat a son: Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan' i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; Roa amby valopolo amby zato taona ny andro niainan' i Lameka vao niteraka zazalahy anankiray izy, Quand Lamek eut cent quatre-vingt-deux ans, il engendra un fils.
Gen / Jen 5:29 And he called his name Noah, saying, This same shall comfort us concerning our work and toil of our hands, because of the ground which the Lord hath cursed. ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin' ny asantsika sy ny fisasaran' ny tanantsika noho ny tany izay voaozon' i Jehovah. nataony hoe Noe no anarany, fa hoy izy: Ity no hanamaivana antsika amin' ny fahasasarantsika sy amin' ny asa tànana mahasasatra avy amin' ity tany efa voaozon' ny Tompo. Il lui donna le nom de Noé, car, dit-il, celui-ci nous apportera, dans notre travail et le labeur de nos mains, une consolation tirée du sol que Yahvé a maudit .
Gen / Jen 5:30 And Lamech lived after he begat Noah five hundred ninety and five years, and begat sons and daughters: Ary ny andro niainan' i Lameka taorian' ny niterahany an' i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Mbola velona dimy amby fitopolo sy fiton-jato taona Lameka taorian' ny niterahany an' i Noe, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy. Après la naissance de Noé, Lamek vécut cinq cent quatre-vingt-quinze ans et il engendra des fils et des filles.
Gen / Jen 5:31 And all the days of Lamech were seven hundred seventy and seven years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy. Ary fito amby fitopolo sy fiton-jato taona no andro rehetra niainan' i Lameka, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Lamek fut de sept cent soixante-dix-sept ans, puis il mourut.
Gen / Jen 5:32 And Noah was five hundred years old: and Noah begat Shem, Ham, and Japheth. Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an' i Sema sy Hama ary Jafeta izy. Rahefa diman-jato taona Noe, dia niteraka an' i Sema sy Kama ary Jafeta. Quand Noé eut atteint cinq cents ans, il engendra Sem, Cham et Japhet.

<-
->