<-
->

Nom / Fan 19:1 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron. Il dit :
Nom / Fan 19:2 This is the ordinance of the law which the Lord hath commanded, saying, Speak unto the children of Israel, that they bring thee a red heifer without spot, wherein is no blemish, and upon which never came yoke: Izao no lalàna hotandremana, izay efa nandidian' i Jehovah: Lazao amin' ny Zanak' Isiraely mba hitondrany vantotr' ombivavy mena, izay tsy misy kilema na tsiny sady tsy mbola nasiana zioga. Izao no didin' ny lalàna nandidian' ny Tompo, nataony hoe: Ilazao ny zanak' Israely hitondra ombivavy manja mena iray, tsy misy takaitra na kilemam-batana sady mbola tsy nitondra jioga. " Voici un décret de la Loi que Yahvé a prescrite. Parle aux Israélites. Qu' ils t' amènent une vache rousse sans défaut ni tare, et qui n' ait pas porté le joug.
Nom / Fan 19:3 And ye shall give her unto Eleazar the priest, that he may bring her forth without the camp, and one shall slay her before his face: Ary omeo ho an' i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina ho entina eny ivelan' ny toby ka hovonoina eo anatrehany. Hatolotrareo an' i Eleazara mpisorona izany, dia hasainy havoaka ny toby, ary hovonoina eo anatrehany. Vous la donnerez à Éléazar, le prêtre. On la mènera hors du camp et on l' immolera devant lui.
Nom / Fan 19:4 And Eleazar the priest shall take of her blood with his finger, and sprinkle of her blood directly before the tabernacle of the congregation seven times: Dia hanalan' i Eleazara mpisorona amin' ny fanondrony ny ràny ka hafafiny impito manandrify ny trano-lay fihaonana. Ary hangalan' i Eleazara mpisorona amin' ny rantsan-tànany ny ran' ny ombivavy ka hafafiny impito mankamin' ny varavaran' ny trano lay fihaonana. Puis Éléazar, le prêtre, prendra sur son doigt un peu du sang de la victime, et de ce sang il fera sept aspersions dans la direction de l' entrée de la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 19:5 And one shall burn the heifer in his sight; her skin, and her flesh, and her blood, with her dung, shall he burn: Dia hodorana eo imasony ilay vantotr' ombivavy: ny hodiny sy ny henany ary ny ràny mbamin' ny tain-drorohany dia hodorana avokoa. Dia hodorana eo imasony ilay omby, hodorana ny hodiny, ny nofony, ny rany, mbamin' ny tain-drorohany. On brûlera alors la vache sous ses yeux ; on en brûlera la peau, la chair, le sang, ainsi que la fiente.
Nom / Fan 19:6 And the priest shall take cedar wood, and hyssop, and scarlet, and cast it into the midst of the burning of the heifer. Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hysopa ary jaky ka hanipy azy eo afovoan' ny afo andoroana ny vantotr' ombivavy. Ary ny mpisorona haka hazo sedera sy hisopa ary lamba mena antitra, ka hanipy izany ao afovoan' ny afo mandoro ny ombivavy. Le prêtre prendra ensuite du bois de cèdre, de l' hysope et du rouge de cochenille, et les jettera dans le feu où se consume la vache.
Nom / Fan 19:7 Then the priest shall wash his clothes, and he shall bathe his flesh in water, and afterward he shall come into the camp, and the priest shall be unclean until the even. Dia hosasan' ny mpisorona ny fitafiany, ary handro amin' ny rano izy, ary rehefa afaka izany, dia hankeo amin' ny toby izy; ary haloto mandra-paharivan' ny andro ny mpisorona. Dia hosasan' ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin' ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan' ny andro. Puis il nettoiera ses vêtements, il se lavera le corps avec de l' eau ; après quoi, il rentrera au camp, mais il sera impur jusqu' au soir.
Nom / Fan 19:8 And he that burneth her shall wash his clothes in water, and bathe his flesh in water, and shall be unclean until the even. Ary izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin' ny rano, ary haloto mandra-paharivan' ny andro. Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin' ny rano, ary hampandro ny tenany amin' ny rano, ary haloto mandra-paharivan' ny andro. Celui qui aura brûlé la vache nettoiera ses vêtements, se lavera le corps avec de l' eau, et sera impur jusqu' au soir.
Nom / Fan 19:9 And a man that is clean shall gather up the ashes of the heifer, and lay them up without the camp in a clean place, and it shall be kept for the congregation of the children of Israel for a water of separation: it is a purification for sin. Dia hangonin' izay lehilahy madio anankiray ny lavenon' ilay vantotr' ombivavy ka hapetrany eo ivelan' ny toby eo amin' izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an' ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany. Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon' ilay ombivavy, sy hametraka azy amin' ny toerana madio anankiray any ivelan' ny toby, hotehirizina ho an' ny fiangonan' ny zanak' Israely izany hatao amin' ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany. C' est un homme en état de pureté qui recueillera les cendres de la vache et les déposera, hors du camp, en un lieu pur. Elles resteront à l' usage rituel de la communauté des Israélites pour faire l' eau lustrale ; c' est un sacrifice pour le péché.
Nom / Fan 19:10 And he that gathereth the ashes of the heifer shall wash his clothes, and be unclean until the even: and it shall be unto the children of Israel, and unto the stranger that sojourneth among them, for a statute for ever. Ary ilay nanangona ny lavenon' ny vantotr' ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan' ny andro; ary ho lalàna mandrakizay ho an' ny Zanak' Isiraely sy ny vahiny eo aminy izany. Izay nanangona ny lavenon' ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan' ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an' ny zanak' Israely sy ho an' ny vahiny mitoetra eo aminy. Celui qui aura recueilli les cendres de la vache nettoiera ses vêtements et sera impur jusqu' au soir. Pour les Israélites comme pour l'étranger qui réside parmi eux, ce sera un décret perpétuel.
Nom / Fan 19:11 He that toucheth the dead body of any man shall be unclean seven days. Izay mikasika fatin' olona dia haloto hafitoana. Izay mikasika faty, rahefa mety ho fatin' olona, dia haloto hafitoana. " Celui qui touche un cadavre, quel que soit le mort, sera impur sept jours.
Nom / Fan 19:12 He shall purify himself with it on the third day, and on the seventh day he shall be clean: but if he purify not himself the third day, then the seventh day he shall not be clean. Hanadio ny tenany amin' izany rano izany izy amin' ny andro fahatelo, ary amin' ny andro fahafito dia hadio izy; fa raha tsy manadio ny tenany amin' ny andro fahatelo kosa izy, dia tsy hadio amin' ny andro fahafito. Hanadio tena amin' izany rano izany izy, amin' ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin' ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio. Il se purifiera avec ces eaux, le troisième et le septième jour, et il sera pur ; mais s' il ne se purifie pas le troisième et le septième jour, il ne sera pas pur.
Nom / Fan 19:13 Whosoever toucheth the dead body of any man that is dead, and purifieth not himself, defileth the tabernacle of the Lord; and that soul shall be cut off from Israel: because the water of separation was not sprinkled upon him, he shall be unclean; his uncleanness is yet upon him. Izay rehetra mikasika fatin' olona ka tsy manadio ny tenany dia mandoto ny tabernakelin' i Jehovah ka hofongorana tsy ho amin' ny Isiraely; satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy, dia haloto: ny fahalotoany mbola eo aminy ihany. Izay hikasika faty, dia ny vatan' olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan' ny Tompo, ka hoesorina amin' Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany. Quiconque a touché un mort, le corps d' un homme qui meurt, et ne s' est pas purifié, souille la Demeure de Yahvé ; cet homme sera retranché d' Israël, car les eaux lustrales n' ont pas coulé sur lui, il est impur, son impureté est en lui.
Nom / Fan 19:14 This is the law, when a man dieth in a tent: all that come into the tent, and all that is in the tent, shall be unclean seven days. Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin' ny lay dia haloto hafitoana. Izao no lalàna: Raha misy olona maty ao amin' ny trano lay anankiray, dia haloto hafitoana avokoa ny olona rehetra miditra ao an-day, sy ny zavatra rehetra ao anaty lay. Voici la loi pour le cas d' un homme qui meurt dans une tente. Quiconque entre dans la tente, et quiconque s' y trouve, sera impur sept jours.
Nom / Fan 19:15 And every open vessel, which hath no covering bound upon it, is unclean. Ary ny fanaka rehetra misokatra izay tsy misy rakotra voafehy aminy, dia haloto. Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto. Est également impur tout récipient ouvert, qui n' a pas été fermé par un couvercle ou par un lien.
Nom / Fan 19:16 And whosoever toucheth one that is slain with a sword in the open fields, or a dead body, or a bone of a man, or a grave, shall be unclean seven days. Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin' olona, na taolan' olona, na fasana, dia haloto hafitoana. Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin' olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana. Quiconque touche, dans la campagne, un homme assassiné, un mort, des ossements humains, ou un tombeau, sera impur sept jours.
Nom / Fan 19:17 And for an unclean person they shall take of the ashes of the burnt heifer of purification for sin, and running water shall be put thereto in a vessel: Dia hangalana ho an' ny maloto ny lavenon' ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin' ny rano mandeha izany eo am-bilia. Dia hangalana ho an' izay maloto ny lavenon' ny sorona izay nodorana, natao sorom-panonerana, ka hametrahana rano velona eo an-dovia eo amboniny. " On prendra, pour cet homme impur, de la cendre de la victime consumée en sacrifice pour le péché. On versera de l' eau vive par-dessus, dans un vase.
Nom / Fan 19:18 And a clean person shall take hyssop, and dip it in the water, and sprinkle it upon the tent, and upon all the vessels, and upon the persons that were there, and upon him that touched a bone, or one slain, or one dead, or a grave: Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin' ny rano, dia hafafiny amin' ny lay mbamin' ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin' aretina, na ny fasana. Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin' ny rano, dia hamafy izany amin' ny lay sy amin' ny fanaka rehetra, ary amin' ny olona rehetra tao, amin' izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana. Puis un homme en état de pureté, prendra de l' hysope qu' il plongera dans l' eau. Il fera alors l' aspersion sur la tente, sur tous les vases et sur toutes les personnes qui s' y trouvent, et de même sur celui qui a touché des ossements, un homme assassiné, un mort ou un tombeau.
Nom / Fan 19:19 And the clean person shall sprinkle upon the unclean on the third day, and on the seventh day: and on the seventh day he shall purify himself, and wash his clothes, and bathe himself in water, and shall be clean at even. Ary ny maloto dia hofafazan' ilay olona madio amin' ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin' ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin' ny rano, dia hadio rehefa hariva. Ny olona madio no hamafy amin' izay maloto, amin' ny andro fahatelo sy amin' ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin' ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin' ny rano ilay maloto, ka hadio rahefa hariva. L' homme pur fera l' aspersion sur l' impur, le troisième et le septième jour, et le septième jour il l' aura délivré de son péché. L' homme impur nettoiera alors ses vêtements, il se lavera avec de l' eau et le soir il sera pur.
Nom / Fan 19:20 But the man that shall be unclean, and shall not purify himself, that soul shall be cut off from among the congregation, because he hath defiled the sanctuary of the Lord: the water of separation hath not been sprinkled upon him; he is unclean. Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin' ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin' i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy. Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin' ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin' ny Tompo. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto. Mais un homme impur qui omettrait de se purifier ainsi sera retranché de la communauté, car il souillerait le sanctuaire de Yahvé. Les eaux lustrales n' ont pas coulé sur lui, c' est un impur.
Nom / Fan 19:21 And it shall be a perpetual statute unto them, that he that sprinkleth the water of separation shall wash his clothes; and he that toucheth the water of separation shall be unclean until even. Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan' ny andro. Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan' ny andro. Ce sera pour eux un décret perpétuel. Celui qui fait l' aspersion d' eaux lustrales nettoiera ses vêtements et celui qui a touché à ces eaux sera impur jusqu' au soir.
Nom / Fan 19:22 And whatsoever the unclean person toucheth shall be unclean; and the soul that toucheth it shall be unclean until even. Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan' ny andro. Ny zavatra rehetra kasihin' izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan' ny andro. Tout ce que l' impur a touché sera impur, et la personne qui l' a touché sera impure jusqu' au soir.

<-
->