<-
->

Nom / Fan 35:1 And the Lord spake unto Moses in the plains of Moab by Jordan near Jericho, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko, ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh tao an-tany lemak' i Moaba amoron' i Jordany, tandrifin' i Jerikao, nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, dans les Steppes de Moab, près du Jourdain vers Jéricho. Il dit :
Nom / Fan 35:2 Command the children of Israel, that they give unto the Levites of the inheritance of their possession cities to dwell in; and ye shall give also unto the Levites suburbs for the cities round about them. Mandidia ny Zanak' Isiraely mba hanome tanàna ao amin' ny zara-taniny avy honenan' ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy. Omeo didy ny zanak' Israely hanome tanàna ho an' ny Levita avy amin' ny lova hananany avy, mba honenany ao. Homenareo tany fiandrasam-biby manodidina izany tanàna izany koa ny Levita. " Ordonne aux Israélites de donner aux Lévites, sur l' héritage qu' ils possèdent, des villes pour qu' ils y demeurent et des pâturages autour des villes. Vous les donnerez aux Lévites.
Nom / Fan 35:3 And the cities shall they have to dwell in; and the suburbs of them shall be for their cattle, and for their goods, and for all their beasts. Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an' ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin' ny bibiny rehetra. Hanana ny tanànany izy honenany, ary ny tany fiandrasam-biby, dia ho an' ny biby vaventy fiompiny sy ny fananany mbamin' ny bibiny rehetra. Les villes seront leur demeure et les pâturages attenants seront pour leur bétail, leurs biens et toutes leurs bêtes.
Nom / Fan 35:4 And the suburbs of the cities, which ye shall give unto the Levites, shall reach from the wall of the city and outward a thousand cubits round about. Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin' ny màndan' ny tanàna ka hatramin' ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin' ny lafiny efatra avy. Ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna homenareo ny Levita, dia ho arivo hakiho manodidina hatreo amin' ny mandan' ny tanàna avy eo ivelany. Les pâturages attenant aux villes que vous donnerez aux Lévites s'étendront, à partir de la muraille de la ville, sur mille coudées alentour.
Nom / Fan 35:5 And ye shall measure from without the city on the east side two thousand cubits, and on the south side two thousand cubits, and on the west side two thousand cubits, and on the north side two thousand cubits; and the city shall be in the midst: this shall be to them the suburbs of the cities. Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan' ny tanàna ianareo amin' ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin' ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin' ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin' ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna. Any ivelan' ny tanàna hianareo handrefy roa arivo hakiho amin' ny lafiny atsinanana, roa arivo hakiho amin' ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin' ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin' ny lafiny avaratra, ka dia ho ao afovoany ny tanàna. Izany no ho tany fiandrasam-biby momba ny tanànan' izy ireo. Vous mesurerez, hors de la ville, deux mille coudées pour le côté oriental, deux mille coudées pour le côté méridional, deux mille coudées pour le côté occidental, deux mille coudées pour le côté septentrional, la ville étant au centre, ce seront les pâturages de ces villes.
Nom / Fan 35:6 And among the cities which ye shall give unto the Levites there shall be six cities for refuge, which ye shall appoint for the manslayer, that he may flee thither: and to them ye shall add forty and two cities. Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran' izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa. Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana enina, izay halaminareo handosiran' izay nahafaty olona; ary fanampin' izany dia homenareo tanàna hafa roa amby efapolo koa izy, Les villes que vous donnerez aux Lévites seront les six villes de refuge, cédées par vous pour que le meurtrier puisse s' y enfuir ; mais vous donnerez en plus quarante-deux villes.
Nom / Fan 35:7 So all the cities which ye shall give to the Levites shall be forty and eight cities: them shall ye give with their suburbs. Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin' ny tany manodidina azy. dia ho valo amby efapolo izany no ho tanàna homenareo ny Levita omban' ny tany fiandrasam-bibiny avy. Vous donnerez en tout aux Lévites quarante-huit villes, les villes avec leurs pâturages.
Nom / Fan 35:8 And the cities which ye shall give shall be of the possession of the children of Israel: from them that have many ye shall give many; but from them that have few ye shall give few: every one shall give of his cities unto the Levites according to his inheritance which he inheriteth. Ary ny amin' ny tanàna izay homenareo avy amin' ny zara-tanin' ny firenen' ny Zanak' Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an' ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy. Ny zaratanin' ny zanak' Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be, ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin' ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo. Ces villes que vous donnerez sur la possession des Israélites, vous les prendrez en plus grand nombre à celui qui a beaucoup, en plus petit nombre à celui qui a peu. Chacun donnera de ses villes aux Lévites en proportion de l' héritage qu' il aura reçu.
Nom / Fan 35:9 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 35:10 Speak unto the children of Israel, and say unto them, When ye be come over Jordan into the land of Canaan; Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Rehefa tafita an' i Jordana ianareo ka tonga any amin' ny tany Kanana, Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafita an' i Jordany ka efa any amin' ny tany Kanaana hianareo, " Parle ainsi aux Israélites. Quand vous aurez passé le Jourdain pour gagner la terre de Canaan,
Nom / Fan 35:11 Then ye shall appoint you cities to be cities of refuge for you; that the slayer may flee thither, which killeth any person at unawares. dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran' izay nahafaty olona tsy nahy. dia mifidiana tanàna ho tanàna fialofana ho anareo, mba handosiran' izay nahafaty olona tsy nahy. vous trouverez des villes dont vous ferez des villes de refuge, où puisse s' enfuir le meurtrier qui a frappé quelqu' un par inadvertance.
Nom / Fan 35:12 And they shall be unto you cities for refuge from the avenger; that the manslayer die not, until he stand before the congregation in judgment. Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon' ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan' ny fiangonana. Izany tanàna izany, dia ho fialofana ho anareo tsy ho azon' ny mpamaly rà; mba tsy hovonoina, alohan' ny hisehoany hotsaraina eo anatrehan' ny fiangonana izay nahafaty olona. Ces villes vous serviront de refuge contre le vengeur du sang, et le meurtrier ne devra pas mourir avant d' avoir comparu en jugement devant la communauté.
Nom / Fan 35:13 And of these cities which ye shall give six cities shall ye have for refuge. Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo. Ka amin' ny tanàna homenareo, dia enina no ho tanàna fialofana ho anareo. Les villes que vous donnerez seront pour vous six villes de refuge :
Nom / Fan 35:14 Ye shall give three cities on this side Jordan, and three cities shall ye give in the land of Canaan, which shall be cities of refuge. Ny tanàna telo dia homenareo etý an-dafin' i Jordana etý, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin' ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo. Ny tanàna telo homenareo ety an-dafin' i Jordany ary ny tanàna telo homenareo any amin' ny tany Kanaana. les trois que vous donnerez au-delà du Jourdain et les trois que vous donnerez dans le pays de Canaan seront des villes de refuge.
Nom / Fan 35:15 These six cities shall be a refuge, both for the children of Israel, and for the stranger, and for the sojourner among them: that every one that killeth any person unawares may flee thither. Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an' ny Zanak' Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran' izay rehetra nahafaty olona tsy nahy. Ireo no ho tanàna fialofana, ary ireo tanàna enina ireo, dia ho fialofana ho an' ny zanak' Israely, ho an' ny vahiny ary ho an' izay mitoetra eo aminareo, mba handosiran' izay rehetra nahafaty olona tsy nahy. Pour les Israélites comme pour l'étranger et pour l' hôte qui vivent chez vous, ces six villes serviront de refuge, où puisse s' enfuir quiconque a frappé quelqu' un involontairement.
Nom / Fan 35:16 And if he smite him with an instrument of iron, so that he die, he is a murderer: the murderer shall surely be put to death. Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona. Raha namely vy olona izy ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. Mais s' il l' a frappé avec un objet de fer et qu' il ait ainsi causé sa mort, c' est un meurtrier. Le meurtrier sera mis à mort.
Nom / Fan 35:17 And if he smite him with throwing a stone, wherewith he may die, and he die, he is a murderer: the murderer shall surely be put to death. Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona. Raha namely azy, ka vato mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. S' il l' a frappé avec une pierre propre à tuer et s' il l' a tué, c' est un meurtrier. Le meurtrier sera mis à mort.
Nom / Fan 35:18 Or if he smite him with an hand weapon of wood, wherewith he may die, and he die, he is a murderer: the murderer shall surely be put to death. Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona. Raha namely azy, ka fiasana hazo mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. Ou bien s' il l' a frappé avec un outil de bois propre à tuer et s' il l' a tué, c' est un meurtrier. Le meurtrier sera mis à mort.
Nom / Fan 35:19 The revenger of blood himself shall slay the murderer: when he meeteth him, he shall slay him. Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy. Ny mpamaly rà no hamono ny mpamono olona; amin' izay hifanenany aminy no hamonoany azy. C' est le vengeur du sang qui mettra à mort le meurtrier. Quand il le rencontrera, il le mettra à mort.
Nom / Fan 35:20 But if he thrust him of hatred, or hurl at him by laying of wait, that he die; Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin' ny fanotrehana, ka mahafaty, Raha nampitsingadina olona izy, noho ny fankahalany, na nitoraka zavatra tamin' olona tamin' ny fanotrehana, ka nahafatesany azy izany; Si le meurtrier a bousculé la victime par haine, ou si pour l' atteindre il lui a lancé un projectile mortel,
Nom / Fan 35:21 Or in enmity smite him with his hand, that he die: he that smote him shall surely be put to death; for he is a murderer: the revenger of blood shall slay the murderer, when he meeteth him. na mamely amin' ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy. dia namely tànana azy, noho ny fankahalana, ka nahafatesany azy izany, dia hohelohin-ko faty izay namely, fa mpamono olona; ary ny mpamaly rà no hamono azy rahefa hifanena aminy izy. ou si par inimitié il lui a porté des coups de poing mortels, celui qui a frappé doit mourir ; c' est un meurtrier que le vengeur du sang mettra à mort quand il le rencontrera.
Nom / Fan 35:22 But if he thrust him suddenly without enmity, or have cast upon him any thing without laying of wait, Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin' inona na amin' inona, nefa tsy amin' ny fanotrehana, Fa raha nampitsingadina olona tsy nahy kosa izy, tsy noho ny fankahalany azy, na nitoraka zavatra taminy tsy nikendreny azy, Mais s' il a bousculé la victime fortuitement, sans inimitié, ou s' il a lancé sur elle quelque projectile, sans chercher à l' atteindre,
Nom / Fan 35:23 Or with any stone, wherewith a man may die, seeing him not, and cast it upon him, that he die, and was not his enemy, neither sought his harm: na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy, na nanjera vato tsy nahy taminy, mety hahafaty, ka nahafatesany azy izany, nefa tsy fahavalony izy, na nitady hanisy ratsy azy, ou si sans la voir il a fait tomber sur elle une pierre propre à tuer et a ainsi causé sa mort, alors qu' il n' avait contre elle aucune haine et ne lui voulait aucun mal,
Nom / Fan 35:24 Then the congregation shall judge between the slayer and the revenger of blood according to these judgments: dia hotsarain' ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany. dia hotsarain' ny fiangonana araka izany lalàna izany ilay namely sy ny mpamaly rà; la communauté jugera, selon ces règles, entre celui qui a frappé et le vengeur du sang,
Nom / Fan 35:25 And the congregation shall deliver the slayer out of the hand of the revenger of blood, and the congregation shall restore him to the city of his refuge, whither he was fled: and he shall abide in it unto the death of the high priest, which was anointed with the holy oil. Ary hovonjen' ny fiangonana ho afaka amin' ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin' ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin' izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin' ny mpisoronabe izay voahosotra tamin' ny diloilo masina. ary hanafaka ilay nahafaty olona amin' ny mpamaly rà ny fiangonana, hamerina azy ho any amin' ny tanàna fialofana izay nandosirany, dia hitoetra ao izy, mandra-pahafatin' izay mpisorom-be voahosotra tamin' ny diloilo masina. et sauvera le meurtrier de la main du vengeur du sang. Elle le fera retourner dans la ville de refuge où il s'était enfui, et il y demeurera jusqu'à la mort du grand prêtre qui a été oint de l' huile sainte.
Nom / Fan 35:26 But if the slayer shall at any time come without the border of the city of his refuge, whither he was fled; Fa raha mivoaka ho eo ivelan' ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin' izy nandositra ilay nahafaty olona Raha mivoaka ny faritry ny tanàna fialofana izay nandosirany ilay nahafaty olona, Si le meurtrier vient à sortir du territoire de la ville de refuge où il s' est enfui,
Nom / Fan 35:27 And the revenger of blood find him without the borders of the city of his refuge, and the revenger of blood kill the slayer; he shall not be guilty of blood: ka hitan' ny mpamaly rà eo ivelan' ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin' izany, ka azon' ny mpamaly rà any ivelan' ny faritry ny tanàna fialofana, ka vonoin' ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, dia tsy heloka ho azy izany vonoana izany; et que le vengeur du sang le rencontre hors du territoire de sa ville de refuge, le vengeur du sang pourra le tuer sans crainte de représailles ;
Nom / Fan 35:28 Because he should have remained in the city of his refuge until the death of the high priest: but after the death of the high priest the slayer shall return into the land of his possession. satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin' ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin' ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona. satria tsy maintsy mitoetra ao an-tanàna fialofany izay nahafaty olona mandra-pahafatin' ny mpisorom-be; fa rahefa maty ny mpisorom-be vao mahazo mody any amin' ny zarataniny ilay nahafaty olona. car le meurtrier doit rester dans sa ville de refuge jusqu'à la mort du grand prêtre ; c' est après la mort du grand prêtre qu' il pourra retourner au pays où il a son domaine.
Nom / Fan 35:29 So these things shall be for a statute of judgment unto you throughout your generations in all your dwellings. Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin' ny taranakareo fara mandimby eny amin' izay rehetra onenanareo. Ireo lalàna ireo, dia mametra ny rariny harahinareo, hianareo sy ny taranakareo na aiza na aiza honenanareo. Ce sera règle de droit pour vous et pour vos générations, partout où vous habiterez.
Nom / Fan 35:30 Whoso killeth any person, the murderer shall be put to death by the mouth of witnesses: but one witness shall not testify against any person to cause him to die. Ny amin' izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin' ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany. Raha misy olona nahafaty namana, dia ny filazan' ny vavolombelona no hanamelohan-ko faty izay nahafaty olona, fa raha vavolombelona iray ihany kosa tsy ampy ny filazany hanamelohana olona ho faty. En toute affaire d' homicide, c' est sur la déposition de témoins que le meurtrier sera mis à mort ; mais un témoin unique ne pourra porter une accusation capitale.
Nom / Fan 35:31 Moreover ye shall take no satisfaction for the life of a murderer, which is guilty of death: but he shall be surely put to death. Ary ianareo tsy handray avotry ny ain' ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy. Aza mandray avotra aina amin' ny mpamono olona mendrika hovonoina noho ny heloka nataony, fa tsy maintsy atao maty izy. Vous n' accepterez pas de rançon pour la vie d' un meurtrier passible de mort ; car il doit mourir.
Nom / Fan 35:32 And ye shall take no satisfaction for him that is fled to the city of his refuge, that he should come again to dwell in the land, until the death of the priest. Ary ianareo tsy handray avotra ho an' izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin' ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona. Aza mandray avotra amin' izay nandositra ho ao an-tanàna fialofana, mba hahazoany mody hitoetra any amin' ny taniny, alohan' ny fahafatesan' ny mpisorom-be. Vous n' accepterez pas de rançon de quelqu' un qui, s'étant enfui dans sa ville de refuge, veut revenir habiter son pays avant la mort du grand prêtre.
Nom / Fan 35:33 So ye shall not pollute the land wherein ye are: for blood it defileth the land: and the land cannot be cleansed of the blood that is shed therein, but by the blood of him that shed it. Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin' ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin' ny ran' izay nandatsaka azy ihany. Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny rà no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin' ny rà nalatsaka afa-tsy ny ran' ny nandatsaka azy ihany. Vous ne profanerez pas le pays où vous êtes. C' est le sang qui profane le pays et il n' y a pour le pays d' autre expiation du sang versé que par le sang de celui qui l' a versé.
Nom / Fan 35:34 Defile not therefore the land which ye shall inhabit, wherein I dwell: for I the Lord dwell among the children of Israel. Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin' ny Zanak' Isiraely. Aza manevateva ny tany onenanareo sy onenako koa, fa izaho no Iaveh mitoetra eo afovoan' ny zanak' Israely. Tu ne rendras pas impur le pays où vous habitez et au milieu duquel j' habite. Car moi, Yahvé, j' habite au milieu des Israélites.

<-
->