<-
->

Mar / Mk 13:1 And as he went out of the temple, one of his disciples saith unto him, Master, see what manner of stones and what buildings are here! Ary nony niala teo an-kianjan' ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto! Nony nivoaka avy ao amin' ny tempoly izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra! Comme il s' en allait hors du Temple, un de ses disciples lui dit : " Maître, regarde, quelles pierres ! quelles constructions ! "
Mar / Mk 13:2 And Jesus answering said unto him, Seest thou these great buildings? there shall not be left one stone upon another, that shall not be thrown down. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. Ary hoy ny navalin' i Jeso azy: Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. Et Jésus lui dit : " Tu vois ces grandes constructions ? Il n' en restera pas pierre sur pierre qui ne soit jetée bas. "
Mar / Mk 13:3 And as he sat upon the mount of Olives over against the temple, Peter and James and John and Andrew asked him privately, Ary raha nipetraka teo amin' ny tendrombohitra Oliva tandrifin' ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe: Ary nony nipetraka teo amin' ny tendrombohitra Oliva tandrifin' ny tempoly izy, dia nanontany azy manokana Piera, sy Jakoba, sy Joany, ary Andre nanao hoe: Et comme il était assis sur le mont des Oliviers en face du Temple, Pierre, Jacques, Jean et André l' interrogeaient en particulier :
Mar / Mk 13:4 Tell us, when shall these things be? and what shall be the sign when all these things shall be fulfilled? Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany? Lazao aminay rahoviana no ho tonga izany, ary inona no ho famantarana hahalalana fa efa ho tanteraka izany rehetra izany? " Dis-nous quand cela aura lieu et quel sera le signe que tout cela va finir. "
Mar / Mk 13:5 And Jesus answering them began to say, Take heed lest any man deceive you: Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Ary izao no navalin' i Jeso azy: Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo; Alors Jésus se mit à leur dire : " Prenez garde qu' on ne vous abuse.
Mar / Mk 13:6 For many shall come in my name, saying, I am Christ; and shall deceive many. Fa maro no ho avy amin' ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. fa maro no ho avy amin' ny anarako hanao hoe: Izaho no izy; ary maro no ho voafitany. Il en viendra beaucoup sous mon nom, qui diront : "C' est moi", et ils abuseront bien des gens.
Mar / Mk 13:7 And when ye shall hear of wars and rumours of wars, be ye not troubled: for such things must needs be; but the end shall not be yet. Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany. Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, hianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany. Lorsque vous entendrez parler de guerres et de rumeurs de guerres, ne vous alarmez pas : il faut que cela arrive, mais ce ne sera pas encore la fin.
Mar / Mk 13:8 For nation shall rise against nation, and kingdom against kingdom: and there shall be earthquakes in divers places, and there shall be famines and troubles: these are the beginnings of sorrows. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin' ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan' ny fahoriana. Fa hisy firenena hitsangana hiady amin' ny firenena, sy fanjakana hiady amin' ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin' ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan' ny fahoriana. On se dressera, en effet, nation contre nation et royaume contre royaume. Il y aura par endroits des tremblements de terre, il y aura des famines. Ce sera le commencement des douleurs de l' enfantement.
Mar / Mk 13:9 But take heed to yourselves: for they shall deliver you up to councils; and in the synagogues ye shall be beaten: and ye shall be brought before rulers and kings for my sake, for a testimony against them. Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin' ny Synedriona sy hokapohina ao amin' ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan' ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. Tandremo koa ny amin' ny tenanareo, fa hotorina amin' ny mpitsara hianareo, sy hokapohina ao amin' ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan' ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy. " Soyez sur vos gardes. On vous livrera aux sanhédrins, vous serez battus de verges dans les synagogues et vous comparaîtrez devant des gouverneurs et des rois, à cause de moi, pour rendre témoignage en face d' eux.
Mar / Mk 13:10 And the gospel must first be published among all nations. Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. Kanefa tsy maintsy hotorìna amin' ny firenena rehetra aloha ny Evanjely. Il faut d' abord que l'Évangile soit proclamé à toutes les nations.
Mar / Mk 13:11 But when they shall lead you, and deliver you up, take no thought beforehand what ye shall speak, neither do ye premeditate: but whatsoever shall be given you in that hour, that speak ye: for it is not ye that speak, but the Holy Ghost. Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo' amin' izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. Ary rahefa entina hanatrika ny mpitsara hianareo, dia aza heverina mialoha izay holazainareo; fa izay hevitra homena anareo no lazao, satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. " Et quand on vous emmènera pour vous livrer, ne vous préoccupez pas de ce que vous direz, mais dites ce qui vous sera donné sur le moment : car ce n' est pas vous qui parlerez, mais l' Esprit Saint.
Mar / Mk 13:12 Now the brother shall betray the brother to death, and the father the son; and children shall rise up against their parents, and shall cause them to be put to death. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin' ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. Amin' izany, ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany lahy, ny zanaka hikomy amin-drainy aman-dreniny ka hamono azy; Le frère livrera son frère à la mort, et le père son enfant ; les enfants se dresseront contre leurs parents et les feront mourir.
Mar / Mk 13:13 And ye shall be hated of all men for my name' s sake: but he that shall endure unto the end, the same shall be saved. Ary ho halan' ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin' ny farany no hovonjena. ary ho halan' ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin' ny farany no ho voavonjy. Et vous serez haïs de tous à cause de mon nom, mais celui qui aura tenu bon jusqu' au bout, celui-là sera sauvé.
Mar / Mk 13:14 But when ye shall see the abomination of desolation, spoken of by Daniel the prophet, standing where it ought not, (let him that readeth understand,) then let them that be in Judaea flee to the mountains: Fa raha hitanareo mitsangana amin' izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan' ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. Ary raha hitanareo eo amin' izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan' ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra; " Lorsque vous verrez l' abomination de la désolation installée là où elle ne doit pas être que le lecteur comprenne ! , alors que ceux qui seront en Judée s' enfuient dans les montagnes,
Mar / Mk 13:15 And let him that is on the housetop not go down into the house, neither enter therein, to take any thing out of his house: Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. aoka izay any ambony tafon-trano, tsy hidina ao an-tranony, na hiditra haka zavatra ao, que celui qui sera sur la terrasse ne descende pas pour rentrer dans sa maison et prendre ses affaires ;
Mar / Mk 13:16 And let him that is in the field not turn back again for to take up his garment. Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. ary aoka izay any an-tsaha, tsy hiverina haka ny fitafiany. et que celui qui sera aux champs ne retourne pas en arrière pour prendre son manteau !
Mar / Mk 13:17 But woe to them that are with child, and to them that give suck in those days! Ary lozan' ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin' izany andro izany! Loza ho an' ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin' izany andro izany! Malheur à celles qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là !
Mar / Mk 13:18 And pray ye that your flight be not in the winter. Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin' ny ririnina izany. Mivavaha mba tsy ho amin' ny ririnina izany, Priez pour que cela ne tombe pas en hiver.
Mar / Mk 13:19 For in those days shall be affliction, such as was not from the beginning of the creation which God created unto this time, neither shall be. Fa amin' izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan' Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. fa amin' izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin' ny naharian' Andriamanitra ny zavatra rehetra ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony. Car en ces jours-là il y aura une tribulation telle qu' il n' y en a pas eu de pareille depuis le commencement de la création qu' a créée Dieu jusqu'à ce jour, et qu' il n' y en aura jamais plus.
Mar / Mk 13:20 And except that the Lord had shortened those days, no flesh should be saved: but for the elect' s sake, whom he hath chosen, he hath shortened the days. Ary raha tsy nohafohezin' ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany. Ary raha tsy nohafohezin' ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny. Et si le Seigneur n' avait abrégé ces jours, nul n' aurait eu la vie sauve ; mais à cause des élus qu' il a choisis, il a abrégé ces jours.
Mar / Mk 13:21 And then if any man shall say to you, Lo, here is Christ; or, lo, he is there; believe him not: Ary amin' izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etý Kristy, na: Indro, erý ; aza mino ianareo. Amin' izany, raha misy milaza aminareo hoe: Indry ato ny Kristy, na indro ary izy, aza mino hianareo; Alors si quelqu' un vous dit : "Voici : le Christ est ici ! ", "Voici : il est là ! ", n' en croyez rien.
Mar / Mk 13:22 For false Christs and false prophets shall rise, and shall shew signs and wonders, to seduce, if it were possible, even the elect. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany. Il surgira, en effet, des faux Christs et des faux prophètes qui opéreront des signes et des prodiges pour abuser, s' il était possible, les élus.
Mar / Mk 13:23 But take ye heed: behold, I have foretold you all things. Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra. Koa mintandrema hianareo, fa efa voalazako anareo rahateo izao ny zavatra rehetra. Pour vous, soyez en garde : je vous ai prévenus de tout.
Mar / Mk 13:24 But in those days, after that tribulation, the sun shall be darkened, and the moon shall not give her light, Fa amin' izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, Fa amin' izany andro izany, rahefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, Mais en ces jours-là, après cette tribulation, le soleil s' obscurcira, la lune ne donnera plus sa lumière,
Mar / Mk 13:25 And the stars of heaven shall fall, and the powers that are in heaven shall be shaken. ary ny kintana hiraraka avy eny amin' ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin' ny lanitra. ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin' ny lanitra hihozongozona. les étoiles se mettront à tomber du ciel et les puissances qui sont dans les cieux seront ébranlées.
Mar / Mk 13:26 And then shall they see the Son of man coming in the clouds with great power and glory. Ary amin' izay ny Zanak' olona dia ho hita avy eo amin' ny rahona amin' ny hery lehibe sy ny voninahitra. Dia ho hita amin' izay ny Zanak' olona avy eo ambonin' ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Et alors on verra le Fils de l' homme venant dans des nuées avec grande puissance et gloire.
Mar / Mk 13:27 And then shall he send his angels, and shall gather together his elect from the four winds, from the uttermost part of the earth to the uttermost part of heaven. Ary amin' izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin' ny vazan-tany efatra hatramin' ny faran' ny tany ka hatramin' ny faran' ny lanitra. Amin' izay izy dia haniraka ny anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin' ny vazan-tany efatra, hatramin' ny faran' ny tany ka hatramin' ny faran' ny lanitra. Et alors il enverra les anges pour rassembler ses élus, des quatre vents, de l' extrémité de la terre à l' extrémité du ciel.
Mar / Mk 13:28 Now learn a parable of the fig tree; When her branch is yet tender, and putteth forth leaves, ye know that summer is near: Ary mianara ny fanoharana ny amin' ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. " Du figuier apprenez cette parabole. Dès que sa ramure devient flexible et que ses feuilles poussent, vous comprenez que l'été est proche.
Mar / Mk 13:29 So ye in like manner, when ye shall see these things come to pass, know that it is nigh, even at the doors. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy. Toy izany koa, rahefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana izy. Ainsi vous, lorsque vous verrez cela arriver, comprenez qu' Il est proche, aux portes.
Mar / Mk 13:30 Verily I say unto you, that this generation shall not pass, till all these things be done. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan' izany rehetra izany. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan' izany rehetra izany. En vérité je vous le dis, cette génération ne passera pas que tout cela ne soit arrivé.
Mar / Mk 13:31 Heaven and earth shall pass away: but my words shall not pass away. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point.
Mar / Mk 13:32 But of that day and that hour knoweth no man, no, not the angels which are in heaven, neither the Son, but the Father. Fa ny amin' izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany. " Quant à la date de ce jour, ou à l' heure, personne ne les connaît, ni les anges dans le ciel, ni le Fils, personne que le Père.
Mar / Mk 13:33 Take ye heed, watch and pray: for ye know not when the time is. Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian' ny fotoana. Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hihavian' ny fotoana: " Soyez sur vos gardes, veillez, car vous ne savez pas quand ce sera le moment.
Mar / Mk 13:34 For the Son of Man is as a man taking a far journey, who left his house, and gave authority to his servants, and to every man his work, and commanded the porter to watch. Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. Il en sera comme d' un homme parti en voyage : il a quitté sa maison, donné pouvoir à ses serviteurs, à chacun sa tâche, et au portier il a recommandé de veiller.
Mar / Mk 13:35 Watch ye therefore: for ye know not when the master of the house cometh, at even, or at midnight, or at the cockcrowing, or in the morning: Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian' ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan' ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasak' alina, na ho maneno akoho, na ho maraina, Veillez donc, car vous ne savez pas quand le maître de la maison va venir, le soir, à minuit, au chant du coq ou le matin,
Mar / Mk 13:36 Lest coming suddenly he find you sleeping. fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory hianareo. de peur que, venant à l' improviste, il ne vous trouve endormis.
Mar / Mk 13:37 And what I say unto you I say unto all, Watch. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin' ny olona rehetra Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin' ny olona rehetra koa: Miambena. Et ce que je vous dis à vous, je le dis à tous : veillez ! "

<-
->