<-
->

Mar / Mk 8:1 In those days the multitude being very great, and having nothing to eat, Jesus called his disciples unto him, and saith unto them, Tamin' izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin' i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe: Tamin' izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina, dia niantso ny mpianany izy ka nanao taminy hoe: En ces jours-là, comme il y avait de nouveau une foule nombreuse et qu' ils n' avaient pas de quoi manger, il appela à lui ses disciples et leur dit :
Mar / Mk 8:2 I have compassion on the multitude, because they have now been with me three days, and have nothing to eat: Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatý amiko, sady tsy manan-kohanina izy; Mampalahelo ahy ity vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-kohanina; " J' ai pitié de la foule, car voilà déjà trois jours qu' ils restent auprès de moi et ils n' ont pas de quoi manger.
Mar / Mk 8:3 And if I send them away fasting to their own houses, they will faint by the way: for divers of them came from far. koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany. ary raha hampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dàlana, fa avy lavitra ny sasany. Si je les renvoie à jeun chez eux, ils vont défaillir en route, et il y en a parmi eux qui sont venus de loin. "
Mar / Mk 8:4 And his disciples answered him, From whence can a man satisfy these men with bread here in the wilderness? Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atý an-efitra hahavoky ireto olona ireto! Dia hoy ny mpianany namaly azy: Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo aty an' efitra? Ses disciples lui répondirent : " Où prendre de quoi rassasier de pains ces gens, ici, dans un désert ? "
Mar / Mk 8:5 And he asked them, How many loaves have ye? And they said, Seven. Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito. Ary izy nanontany azy hoe: Manana mofo firy hianareo? Fito, hoy izy ireo. Et il leur demandait : " Combien avez-vous de pains ? " - " Sept ", dirent-ils.
Mar / Mk 8:6 And he commanded the people to sit down on the ground: and he took the seven loaves, and gave thanks, and brake, and gave to his disciples to set before them; and they did set them before the people. Dia nasainy nipetraka tamin' ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan' ny vahoaka izany. Dia nasainy hipetraka tamin' ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakiny, sy nomeny hozarain' ny mpianany, ary nozarainy tamin' ny vahoaka. Et il ordonne à la foule de s'étendre à terre ; et, prenant les sept pains, il rendit grâces, les rompit et il les donnait à ses disciples pour les servir, et ils les servirent à la foule.
Mar / Mk 8:7 And they had a few small fishes: and he blessed, and commanded to set them also before them. Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan' i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa. Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. Ils avaient encore quelques petits poissons ; après les avoir bénis, il dit de les servir aussi.
Mar / Mk 8:8 So they did eat, and were filled: and they took up of the broken meat that was left seven baskets. Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky. Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. Ils mangèrent et furent rassasiés, et l' on emporta les restes des morceaux : sept corbeilles !
Mar / Mk 8:9 And they that had eaten were about four thousand: and he sent them away. Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy. Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny. Or ils étaient environ quatre mille. Et il les renvoya ;
Mar / Mk 8:10 And straightway he entered into a ship with his disciples, and came into the parts of Dalmanutha. Ary niaraka tamin' izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin' ny mpianany ka tonga tany amin' ny fari-tanin' i Dalmanota. Dia niondrana an-tsambo kely niaraka tamin' izay izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin' ny faritanin' i Dalmanotà. et aussitôt, montant dans la barque avec ses disciples, il vint dans la région de Dalmanoutha.
Mar / Mk 8:11 And the Pharisees came forth, and began to question with him, seeking of him a sign from heaven, tempting him. Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra. Ary nanatona azy ny Farisiana, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy azy. Les Pharisiens sortirent et se mirent à discuter avec lui ; ils demandaient de lui un signe venant du ciel, pour le mettre à l'épreuve.
Mar / Mk 8:12 And he sighed deeply in his spirit, and saith, Why doth this generation seek after a sign? verily I say unto you, There shall no sign be given unto this generation. Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity. Dia nisento mafy izy ka nanao hoe: Ahoana no itadiavan' ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity. Gémissant en son esprit, il dit : " Qu' a cette génération à demander un signe ? En vérité, je vous le dis, il ne sera pas donné de signe à cette génération. "
Mar / Mk 8:13 And he left them, and entering into the ship again departed to the other side. Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita. Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray izy nankeny am-pita. Et les laissant là, il s' embarqua de nouveau et partit pour l' autre rive.
Mar / Mk 8:14 Now the disciples had forgotten to take bread, neither had they in the ship with them more than one loaf. Ary tsy tsaroan' ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany. Ary nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. Ils avaient oublié de prendre des pains et ils n' avaient qu' un pain avec eux dans la barque.
Mar / Mk 8:15 And he charged them, saying, Take heed, beware of the leaven of the Pharisees, and of the leaven of Herod. Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon' ny masirasiran' ny Fariseo sy ny masirasiran' i Heroda. Jeso kosa nananatra azy nanao hoe: Mitandrema tsara hianareo fandrao azon' ny lalivain' ny Farisiana sy lalivain' i Heroda. Or il leur faisait cette recommandation : " Ouvrez l' oeil et gardez-vous du levain des Pharisiens et du levain d' Hérode. "
Mar / Mk 8:16 And they reasoned among themselves, saying, It is because we have no bread. Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany. Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: Noho isika tsy manana mofo izay. Et eux de faire entre eux cette réflexion, qu' ils n' ont pas de pains.
Mar / Mk 8:17 And when Jesus knew it, he saith unto them, Why reason ye, because ye have no bread? perceive ye not yet, neither understand? have ye your heart yet hardened? Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo? Fantatr' i Jeso ny heviny ka hoy izy taminy: Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy misy hevitra sy tsy mahazo saina ihany va hianareo? Donto ny fonareo? Le sachant, il leur dit : " Pourquoi faire cette réflexion, que vous n' avez pas de pains ? Vous ne comprenez pas encore et vous ne saisissez pas ? Avez-vous donc l' esprit bouché,
Mar / Mk 8:18 Having eyes, see ye not? and having ears, hear ye not? and do ye not remember? Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo? Mana-maso fa tsy mahita va hianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary mahatadidy va hianareo? des yeux pour ne point voir et des oreilles pour ne point entendre ? Et ne vous rappelez-vous pas,
Mar / Mk 8:19 When I brake the five loaves among five thousand, how many baskets full of fragments took ye up? They say unto him, Twelve. Raha ny mofo dimy no novakiko ho an' ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin' ny folo. Raha nizara ny mofo dimy tamin' ny olona dimy arivo aho, firy no sobiky feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Roa ambin' ny folo, hoy ireo taminy. quand j' ai rompu les cinq pains pour les cinq mille hommes, combien de couffins pleins de morceaux vous avez emportés ? " Ils lui disent : " Douze " -
Mar / Mk 8:20 And when the seven among four thousand, how many baskets full of fragments took ye up? And they said, Seven. Ary raha ny mofo fito ho an' ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito. Ary raha nizara ny mofo fito tamin' ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo? Fito, hoy ireo taminy. " Et lors des sept pour les quatre mille hommes, combien de corbeilles pleines de morceaux avez-vous emportées ? " Et ils disent : " Sept. "
Mar / Mk 8:21 And he said unto them, How is it that ye do not understand? Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo? Ka nahoana ary, hoy izy taminy, no mbola tsy mahalala ihany hianareo? Alors il leur dit : " Ne comprenez-vous pas encore ? "
Mar / Mk 8:22 And he cometh to Bethsaida; and they bring a blind man unto him, and besought him to touch him. Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin' i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba. Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Ils arrivèrent à Bethsaïde et on lui amène un aveugle, en le priant de le toucher.
Mar / Mk 8:23 And he took the blind man by the hand, and led him out of the town; and when he had spit on his eyes, and put his hands upon him, he asked him if he saw ought. Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan' ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao? Dia noraisin' i Jeso ny tànan' ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tànana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Prenant l' aveugle par la main, il le fit sortir hors du village. Après lui avoir mis de la salive sur les yeux et lui avoir imposé les mains, il lui demandait : " Aperçois-tu quelque chose ? "
Mar / Mk 8:24 And he looked up, and said, I see men as trees, walking. Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin' ny hazo. Et l' autre, qui commençait à voir, de répondre : " J' aperçois les gens, c' est comme si c'était des arbres que je les vois marcher. "
Mar / Mk 8:25 After that he put his hands again upon his eyes, and made him look up: and he was restored, and saw every man clearly. Dia napetrany tamin' ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra. Dia nametrahany tànana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Après cela, il mit de nouveau ses mains sur les yeux de l' aveugle, et celui-ci vit clair et fut rétabli, et il voyait tout nettement, de loin.
Mar / Mk 8:26 And he sent him away to his house, saying, Neither go into the town, nor tell it to any in the town. Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna. Ary nasain' i Jeso nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin' ny olona ao an-tanàna. Et Jésus le renvoya chez lui, en lui disant : " N' entre même pas dans le village. "
Mar / Mk 8:27 And Jesus went out, and his disciples, into the towns of Caesarea Philippi: and by the way he asked his disciples, saying unto them, Whom do men say that I am? Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin' ireny tanàna momba an' i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon' ny olona ho iza moa Aho? Avy ao Jeso sy ny mpianany, dia nankany amin' ny vohitra manodidina an' i Sezarean' i Filipo, ary teny an-dàlana dia nanontany ny mpianany izy nanao hoe: Ataon' ny olona ho iza moa aho? Jésus s' en alla avec ses disciples vers les villages de Césarée de Philippe, et en chemin il posait à ses disciples cette question : " Qui suis-je, au dire des gens ? "
Mar / Mk 8:28 And they answered, John the Baptist; but some say, Elias; and others, One of the prophets. Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin' ny mpaminany. Ary namaly azy ireo, nanao hoe: Joany Batista, hoy ny sasany; Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin' ny mpaminany, hoy kosa ny sasany. Ils lui dirent : " Jean le Baptiste ; pour d' autres, Élie ; pour d' autres, un des prophètes. " -
Mar / Mk 8:29 And he saith unto them, But whom say ye that I am? And Peter answereth and saith unto him, Thou art the Christ. Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy. Fa hianareo kosa, manao ahy ho iza? hoy izy tamin' izy ireo. Dia namaly Piera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy. " Mais pour vous, leur demandait-il, qui suis-je ? " Pierre lui répond : " Tu es le Christ. "
Mar / Mk 8:30 And he charged them that they should tell no man of him. Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin' olona. Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza azy na amin' iza na amin' iza. Alors il leur enjoignit de ne parler de lui à personne.
Mar / Mk 8:31 And he began to teach them, that the Son of man must suffer many things, and be rejected of the elders, and of the chief priests, and scribes, and be killed, and after three days rise again. Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak' olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin' ny loholona sy ny lohan' ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy. Tamin' izay nambarany tamin' izy ireo fa ny Zanak' olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin' ny lohandohan' ny mpisorona sy mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, Et il commença de leur enseigner : " Le Fils de l' homme doit beaucoup souffrir, être rejeté par les anciens, les grands prêtres et les scribes, être tué et, après trois jours, ressusciter ;
Mar / Mk 8:32 And he spake that saying openly. And Peter took him, and began to rebuke him. Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy. sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin' i Piera nitanila izy ka noteneniny mafy. et c' est ouvertement qu' il disait ces choses. Pierre, le tirant à lui, se mit à le morigéner.
Mar / Mk 8:33 But when he had turned about and looked on his disciples, he rebuked Peter, saying, Get thee behind me, Satan: for thou savourest not the things that be of God, but the things that be of men. Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an' i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an' Andriamanitra ianao, fa izay an' ny olona. Fa nihodina nijery ny mpianany izy, ary niteny mafy an' i Piera hoe: Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an' Andriamanitra hianao, fa araka ny olombelona. Mais lui, se retournant et voyant ses disciples, admonesta Pierre et dit : " Passe derrière moi, Satan ! car tes pensées ne sont pas celles de Dieu, mais celles des hommes ! "
Mar / Mk 8:34 And when he had called the people unto him with his disciples also, he said unto them, Whosoever will come after me, let him deny himself, and take up his cross, and follow me. Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin' ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin' ny mpianany ka nilazany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka ahy. Appelant à lui la foule en même temps que ses disciples, il leur dit : " Si quelqu' un veut venir à ma suite, qu' il se renie lui-même, qu' il se charge de sa croix, et qu' il me suive.
Mar / Mk 8:35 For whosoever will save his life shall lose it; but whosoever shall lose his life for my sake and the gospel' s, the same shall save it. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Qui veut en effet sauver sa vie la perdra, mais qui perdra sa vie à cause de moi et de l'Évangile la sauvera.
Mar / Mk 8:36 For what shall it profit a man, if he shall gain the whole world, and lose his own soul? Fa inona no soa azon' ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? Inona no soa azon' ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Que sert donc à l' homme de gagner le monde entier, s' il ruine sa propre vie ?
Mar / Mk 8:37 Or what shall a man give in exchange for his soul? Fa inona no homen' ny olona ho takalon' ny ainy? Sa inona no azon' ny olona omena ho takalon' ny fanahiny? Et que peut donner l' homme en échange de sa propre vie ?
Mar / Mk 8:38 Whosoever therefore shall be ashamed of me and of my words in this adulterous and sinful generation; of him also shall the Son of man be ashamed, when he cometh in the glory of his Father with the holy angels. Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin' ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak' olona, raha avy amin' ny voninahitry ny Rainy mbamin' ny anjely masina. Izay ho menatra ahy sy ny teniko amin' ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak' olona rahefa avy amin' ny voninahitry ny Rainy izy otronin' ny anjely masina. Car celui qui aura rougi de moi et de mes paroles dans cette génération adultère et pécheresse, le Fils de l' homme aussi rougira de lui, quand il viendra dans la gloire de son Père avec les saints anges. "
Mar / Mk 8:39 Dia hoy koa izy: Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan' Andriamanitra tonga amin' ny voninahitra.

<-
->