<-
->

Mar / Mk 6:1 And he went out from thence, and came into his own country; and his disciples follow him. Ary niala teo Izy ka tonga tany amin' ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany. Nony niala teo izy dia nankany amin' ny tany nahabe azy, ary nanaraka azy ny mpianany. Étant sorti de là, il se rend dans sa patrie, et ses disciples le suivent.
Mar / Mk 6:2 And when the sabbath day was come, he began to teach in the synagogue: and many hearing him were astonished, saying, From whence hath this man these things? and what wisdom is this which is given unto him, that even such mighty works are wrought by his hands? Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin' ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan' ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon' ny tànany izao? Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin' ny sinagoga izy, ka be tamin' izay nihaino azy no gaga tamin' ny fampianarany sy nanao hoe: Taiza no nahazahoan' izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena azy izao, ary ahoana no ahefan' ny tànany izany asa lehibe izany? Le sabbat venu, il se mit à enseigner dans la synagogue, et le grand nombre en l' entendant étaient frappés et disaient : " D' où cela lui vient-il ? Et qu' est-ce que cette sagesse qui lui a été donnée et ces grands miracles qui se font par ses mains ?
Mar / Mk 6:3 Is not this the carpenter, the son of Mary, the brother of James, and Joses, and of Juda, and Simon? and are not his sisters here with us? And they were offended at him. Tsy ilay mpandrafitra, zanak' i Maria, ary rahalahin' i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etý amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy. Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak' i Maria, rahalahin' i Jakoba sy Josefa ary Joda sy Simona? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny? Dia tafintohina taminy izy ireo. Celui-là n' est-il pas le charpentier, le fils de Marie, le frère de Jacques, de Joset, de Jude et de Simon ? Et ses soeurs ne sont-elles pas ici chez nous ? " Et ils étaient choqués à son sujet.
Mar / Mk 6:4 But Jesus, said unto them, A prophet is not without honour, but in his own country, and among his own kin, and in his own house. Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin' ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany. Fa hoy Jeso taminy: Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin' ny taniny sy amin' ny fianakaviany ary amin' ny havany ihany. Et Jésus leur disait : " Un prophète n' est méprisé que dans sa patrie, dans sa parenté et dans sa maison. "
Mar / Mk 6:5 And he could there do no mighty work, save that he laid his hands upon a few sick folk, and healed them. Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin' ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy. Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin' ny fametrahan-tànana, Et il ne pouvait faire là aucun miracle, si ce n' est qu' il guérit quelques infirmes en leur imposant les mains.
Mar / Mk 6:6 And he marvelled because of their unbelief. And he went round about the villages, teaching. Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra. ary gaga izy noho ny tsy finoan' ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra izy. Et il s'étonna de leur manque de foi. Il parcourait les villages à la ronde en enseignant.
Mar / Mk 6:7 And he called unto him the twelve, and began to send them forth by two and two; and gave them power over unclean spirits; Ary niantso ny roa ambin' ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto. Ary niantso ny roa ambin' ny folo lahy hankeo aminy izy, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto. Il appelle à lui les Douze et il se mit à les envoyer en mission deux à deux, en leur donnant pouvoir sur les esprits impurs.
Mar / Mk 6:8 And commanded them that they should take nothing for their journey, save a staff only; no scrip, no bread, no money in their purse: Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin' ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin' ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany. Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dàlana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin' ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, Et il leur prescrivit de ne rien prendre pour la route qu' un bâton seulement, ni pain, ni besace, ni menue monnaie pour la ceinture,
Mar / Mk 6:9 But be shod with sandals; and not put on two coats. Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa. fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. mais : " Allez chaussés de sandales et ne mettez pas deux tuniques. "
Mar / Mk 6:10 And he said unto them, In what place soever ye enter into an house, there abide till ye depart from that place. Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. Ary hoy koa izy taminy: Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin' izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Et il leur disait : " Où que vous entriez dans une maison, demeurez-y jusqu'à ce que vous partiez de là.
Mar / Mk 6:11 And whosoever shall not receive you, nor hear you, when ye depart thence, shake off the dust under your feet for a testimony against them. Verily I say unto you, It shall be more tolerable for Sodom and Gomorrha in the day of judgment, than for that city. Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin' ny tongotrareo ho fiampangana azy. Et si un endroit ne vous accueille pas et qu' on ne vous écoute pas, sortez de là et secouez la poussière qui est sous vos pieds, en témoignage contre eux. "
Mar / Mk 6:12 And they went out, and preached that men should repent. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin' ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, Étant partis, ils prêchèrent qu' on se repentît ;
Mar / Mk 6:13 And they cast out many devils, and anointed with oil many that were sick, and healed them. Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny. sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy. et ils chassaient beaucoup de démons et faisaient des onctions d' huile à de nombreux infirmes et les guérissaient.
Mar / Mk 6:14 And king Herod heard of him; (for his name was spread abroad:) and he said, That John the Baptist was risen from the dead, and therefore mighty works do shew forth themselves in him. Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran' i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin' ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo. Nahare ny lazan' i Jeso Heroda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny anarany. Ary hoy ny sasany: Joany Batista nitsangana tamin' ny maty izay, ka izany no iasan' ireo hery mahagaga aminy; Le roi Hérode entendit parler de lui, car son nom était devenu célèbre, et l' on disait : " Jean le Baptiste est ressuscité d' entre les morts ; d' où les pouvoirs miraculeux qui se déploient en sa personne. "
Mar / Mk 6:15 Others said, That it is Elias. And others said, That it is a prophet, or as one of the prophets. Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin' ny mpaminany. fa ny sasany kosa nanao hoe: Elia izay; ary ny hafa indray dia hoe: Mpaminany izay, dia toy ny iray amin' ny mpaminany. D' autres disaient : " C' est Élie. " Et d' autres disaient : " C' est un prophète comme les autres prophètes. "
Mar / Mk 6:16 But when Herod heard thereof, he said, It is John, whom I beheaded: he is risen from the dead. Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy. Ary nony nandre izany Heroda dia nanao hoe: Joany izay e, dia ilay notapahiko ny lohany, fa efa nitsangana tamin' ny maty izy. Hérode donc, en ayant entendu parler, disait : " C' est Jean que j' ai fait décapiter, qui est ressuscité ! "
Mar / Mk 6:17 For Herod himself had sent forth and laid hold upon John, and bound him in prison for Herodias' sake, his brother Philip' s wife: for he had married her. Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an' i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin' i Herodiasy vadin' i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy. Fa Heroda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an' i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin' i Herodiada vadin' i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. En effet, c'était lui Hérode qui avait envoyé arrêter Jean et l' enchaîner en prison, à cause d' Hérodiade, la femme de Philippe son frère qu' il avait épousée.
Mar / Mk 6:18 For John had said unto Herod, It is not lawful for thee to have thy brother' s wife. Fa Jaona efa nilaza tamin' i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin' ny rahalahinao. Satria Joany nanao taminy hoe; Tsy mahazo manam-bady ny vadin-drahalahinao hianao. Car Jean disait à Hérode : " Il ne t' est pas permis d' avoir la femme de ton frère. "
Mar / Mk 6:19 Therefore Herodias had a quarrel against him, and would have killed him; but she could not: Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo. Koa tonga halan' i Herodiada izy sy niriny ho faty aza, saingy tsy azony natao izany Quant à Hérodiade, elle était acharnée contre lui et voulait le tuer, mais elle ne le pouvait pas,
Mar / Mk 6:20 For Herod feared John, knowing that he was a just man and an holy, and observed him; and when he heard him, he did many things, and heard him gladly. Fa Heroda natahotra an' i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin' ny hafaliana izy. noho ny tahotr' i Heroda an' i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin' ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. parce qu' Hérode craignait Jean, sachant que c'était un homme juste et saint, et il le protégeait ; quand il l' avait entendu, il était fort perplexe, et c'était avec plaisir qu' il l'écoutait.
Mar / Mk 6:21 And when a convenient day was come, that Herod on his birthday made a supper to his lords, high captains, and chief estates of Galilee; Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan' i Heroda fanasana ho an' ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin' ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany, Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan' ny taona nahaterahan' i Heroda ka nanaovany fanasana ho an' ny manamboninahiny sy ny tompon' arivo ary ny loholona tany Galilea. Or vint un jour propice, quand Hérode, à l' anniversaire de sa naissance, fit un banquet pour les grands de sa cour, les officiers et les principaux personnages de la Galilée :
Mar / Mk 6:22 And when the daughter of the said Herodias came in, and danced, and pleased Herod and them that sat with him, the king said unto the damsel, Ask of me whatsoever thou wilt, and I will give it thee. ka niditra ny zanakavavin' i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an' i Heroda mbamin' izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao. Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin' i Herodiada ka nahafaly an' i Heroda sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao, la fille de ladite Hérodiade entra et dansa, et elle plut à Hérode et aux convives. Alors le roi dit à la jeune fille : " Demande-moi ce que tu voudras, je te le donnerai. "
Mar / Mk 6:23 And he sware unto her, Whatsoever thou shalt ask of me, I will give it thee, unto the half of my kingdom. Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin' ny antsasaky ny fanjakako aza. sady nampiany tamim-pianianana hoe: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza. Et il lui fit un serment : " Tout ce que tu me demanderas, je te le donnerai, jusqu'à la moitié de mon royaume ! "
Mar / Mk 6:24 And she went forth, and said unto her mother, What shall I ask? And she said, The head of John the Baptist. Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan' i Jaona Mpanao-batisa. Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: Inona no angatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan' i Joany Batista. Elle sortit et dit à sa mère : " Que vais-je demander ? " - " La tête de Jean le Baptiste ", dit celle-ci.
Mar / Mk 6:25 And she came in straightway with haste unto the king, and asked, saying, I will that thou give me by and by in a charger the head of John the Baptist. Dia niditra faingana niaraka tamin' izay izy ho ao amin' ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan' i Jaona Mpanao-batisa. Dia nidodododo faingana nankao amin' ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan' i Joany Batista. Rentrant aussitôt en hâte auprès du roi, elle lui fit cette demande : " Je veux que tout de suite tu me donnes sur un plat la tête de Jean le Baptiste. "
Mar / Mk 6:26 And the king was exceeding sorry; yet for his oath' s sake, and for their sakes which sat with him, he would not reject her. Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy. Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, Le roi fut très contristé, mais à cause de ses serments et des convives, il ne voulut pas lui manquer de parole.
Mar / Mk 6:27 And immediately the king sent an executioner, and commanded his head to be brought: and he went and beheaded him in the prison, Ary niaraka tamin' izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan' i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany. fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan' i Joany amin' ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan' i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, Et aussitôt le roi envoya un garde en lui ordonnant d' apporter la tête de Jean.
Mar / Mk 6:28 And brought his head in a charger, and gave it to the damsel: and the damsel gave it to her mother. Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny. ka nitondra azy tamin' ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Le garde s' en alla et le décapita dans la prison ; puis il apporta sa tête sur un plat et la donna à la jeune fille, et la jeune fille la donna à sa mère.
Mar / Mk 6:29 And when his disciples heard of it, they came and took up his corpse, and laid it in a tomb. Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy. Les disciples de Jean, l' ayant appris, vinrent prendre son cadavre et le mirent dans un tombeau.
Mar / Mk 6:30 And the apostles gathered themselves together unto Jesus, and told him all things, both what they had done, and what they had taught. Ary ny Apostoly niangona teo amin' i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin' izay nampianariny. Nony niverina teo amin' i Jeso ny Apostoly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Les apôtres se réunissent auprès de Jésus, et ils lui rapportèrent tout ce qu' ils avaient fait et tout ce qu' ils avaient enseigné.
Mar / Mk 6:31 And he said unto them, Come ye yourselves apart into a desert place, and rest a while: for there were many coming and going, and they had no leisure so much as to eat. Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza). Ary hoy izy taminy: Avia hianareo, ndeha mitokana any amin' ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Et il leur dit : " Venez vous-mêmes à l'écart, dans un lieu désert, et reposez-vous un peu. " De fait, les arrivants et les partants étaient si nombreux que les apôtres n' avaient pas même le temps de manger.
Mar / Mk 6:32 And they departed into a desert place by ship privately. Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin' ny tany mangingina. Ils partirent donc dans la barque vers un lieu désert, à l'écart.
Mar / Mk 6:33 And the people saw them departing, and many knew him, and ran afoot thither out of all cities, and outwent them, and came together unto him. Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an' i Jesosy, dia niala avy teny amin' ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany. Fa hitan' ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin' ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Les voyant s'éloigner, beaucoup comprirent, et de toutes les villes on accourut là-bas, à pied, et on les devança.
Mar / Mk 6:34 And Jesus, when he came out, saw much people, and was moved with compassion toward them, because they were as sheep not having a shepherd: and he began to teach them many things. Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo Jeso dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro izy. En débarquant, il vit une foule nombreuse et il en eut pitié, parce qu' ils étaient comme des brebis qui n' ont pas de berger, et il se mit à les enseigner longuement.
Mar / Mk 6:35 And when the day was now far spent, his disciples came unto him, and said, This is a desert place, and now the time is far passed: Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny; Nony hariva ny andro dia nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Ny tany efitra; ny andro efa hariva, L' heure étant déjà très avancée, ses disciples s' approchèrent et lui dirent : " L' endroit est désert et l' heure est déjà très avancée ;
Mar / Mk 6:36 Send them away, that they may go into the country round about, and into the villages, and buy themselves bread: for they have nothing to eat. ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin' ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy. ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin' ny tanàna sy ny vohitra manodidina. renvoie-les afin qu' ils aillent dans les fermes et les villages d' alentour s' acheter de quoi manger. "
Mar / Mk 6:37 He answered and said unto them, Give ye them to eat. And they say unto him, Shall we go and buy two hundred pennyworth of bread, and give them to eat? Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon' ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny? Fa izao no navaliny azy ireo: Omeonareo hanina izy; ka hoy ireo taminy: Handeha hividy mofon-denie roan-jato va izahay ka homenay azy hohaniny? Il leur répondit : " Donnez-leur vous-mêmes à manger. " Ils lui disent : " Faudra-t-il que nous allions acheter des pains pour deux cents deniers, afin de leur donner à manger ? "
Mar / Mk 6:38 He saith unto them, How many loaves have ye? go and see. And when they knew, they say, Five, and two fishes. Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa. Ary hoy izy taminy: Manana mofo firy hianareo? Mandehana hoe zahao. Ary rahefa nozahany, dia hoy izy: Mofo dimy sy hazandrano roa. Il leur dit : " Combien de pains avez-vous ? Allez voir. " S' en étant informés, ils disent : " Cinq, et deux poissons. "
Mar / Mk 6:39 And he commanded them to make all sit down by companies upon the green grass. Dia nasain' i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin' ny ahi-maitso izy. Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin' ny ahi-maitso izy ireo; Alors il leur ordonna de les faire tous s'étendre par groupes de convives sur l' herbe verte.
Mar / Mk 6:40 And they sat down in ranks, by hundreds, and by fifties. Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona. ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimam-polo. Et ils s' allongèrent à terre par carrés de cent et de cinquante.
Mar / Mk 6:41 And when he had taken the five loaves and the two fishes, he looked up to heaven, and blessed, and brake the loaves, and gave them to his disciples to set before them; and the two fishes divided he among them all. Ary rehefa voarain' i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan' ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin' ny olona rehetra. Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra izy, ka nitso-drano. Rahefa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan' ny olona, ary nozarainy tamin' izy rehetra koa ny hazandrano roa. Prenant alors les cinq pains et les deux poissons, il leva les yeux au ciel, il bénit et rompit les pains, et il les donnait à ses disciples pour les leur servir. Il partagea aussi les deux poissons entre tous.
Mar / Mk 6:42 And they did all eat, and were filled. Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky. Dia nihinana izy rehetra ka voky; Tous mangèrent et furent rassasiés ;
Mar / Mk 6:43 And they took up twelve baskets full of the fragments, and of the fishes. Ary nangoniny izay sombintsombin' ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin' ny folo. ary ny sombintsombin' ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin' ny folo ka nentiny nody. et l' on emporta les morceaux, plein douze couffins avec les restes des poissons.
Mar / Mk 6:44 And they that did eat of the loaves were about five thousand men. Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy. Dimy arivo lahy anefa no isan' ny nihinana tao. Et ceux qui avaient mangé les pains étaient cinq mille hommes.
Mar / Mk 6:45 And straightway he constrained his disciples to get into the ship, and to go to the other side before unto Bethsaida, while he sent away the people. Ary niaraka tamin' izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka. Dia noteren' i Jeso hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin' izay ny mpianany, mba hialoha azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka; Et aussitôt il obligea ses disciples à monter dans la barque et à le devancer sur l' autre rive vers Bethsaïde, pendant que lui-même renverrait la foule.
Mar / Mk 6:46 And when he had sent them away, he departed into a mountain to pray. Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. ary rahefa avy nanao veloma ny olona izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Et quand il les eut congédiés, il s' en alla dans la montagne pour prier.
Mar / Mk 6:47 And when even was come, the ship was in the midst of the sea, and he alone on the land. Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan' ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety. Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan' ny ranomasina, ary Jeso irery no teny an-tanety. Le soir venu, la barque était au milieu de la mer, et lui, seul, à terre.
Mar / Mk 6:48 And he saw them toiling in rowing; for the wind was contrary unto them: and about the fourth watch of the night he cometh unto them, walking upon the sea, and would have passed by them. Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain' ny rivotra: ary tokony ho tamin' ny fiambenana fahefatra amin' ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin' ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy. Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain' ny rivotra, ka tokony ho tamin' ny fiambenana fahefatra tamin' ny alina, dia nandeha teny ambonin' ny ranomasina izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. Les voyant s'épuiser à ramer, car le vent leur était contraire, vers la quatrième veille de la nuit il vient vers eux en marchant sur la mer, et il allait les dépasser.
Mar / Mk 6:49 But when they saw him walking upon the sea, they supposed it had been a spirit, and cried out: Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin' ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo. Kanjo nony nahita azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy; Ceux-ci, le voyant marcher sur la mer, crurent que c'était un fantôme et poussèrent des cris ;
Mar / Mk 6:50 For they all saw him, and were troubled. And immediately he talked with them, and saith unto them, Be of good cheer: it is I; be not afraid. Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin' izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra. fa nahita azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin' izay dia niteny taminy izy nanao hoe: Matokia, fa izaho ihany, ka aza matahotra. car tous le virent et furent troublés. Mais lui aussitôt leur parla et leur dit : " Ayez confiance, c' est moi, soyez sans crainte. "
Mar / Mk 6:51 And he went up unto them into the ship; and the wind ceased: and they were sore amazed in themselves beyond measure, and wondered. Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo. Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, Puis il monta auprès d' eux dans la barque et le vent tomba. Et ils étaient intérieurement au comble de la stupeur,
Mar / Mk 6:52 For they considered not the miracle of the loaves: for their heart was hardened. Ary tsy fantany ny amin' ny mofo; fa efa mafy ny fony. fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin' ny mofo teo noho ny hadonton' ny fony. car ils n' avaient pas compris le miracle des pains, mais leur esprit était bouché.
Mar / Mk 6:53 And when they had passed over, they came into the land of Gennesaret, and drew to the shore. Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin' ny tany Genesareta ka niantsona teo. Nony tafita izy ireo, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. Ayant achevé la traversée, ils touchèrent terre à Gennésaret et accostèrent.
Mar / Mk 6:54 And when they were come out of the ship, straightway they knew him, Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an' i Jesosy niaraka tamin' izay ny olona teo Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an' i Jeso niaraka tamin' izay ny olona, Quand ils furent sortis de la barque, aussitôt des gens qui l' avaient reconnu
Mar / Mk 6:55 And ran through that whole region round about, and began to carry about in beds those that were sick, where they heard he was. ka nihazakazaka tamin' izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin' ny fandriana ho any amin' izay reny fa nitoerany. ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin' ny fandriana ho any amin' izay reny fa misy azy. parcoururent toute cette région et se mirent à transporter les malades sur leurs grabats, là où l' on apprenait qu' il était.
Mar / Mk 6:56 And whithersoever he entered, into villages, or cities, or country, they laid the sick in the streets, and besought him that they might touch if it were but the border of his garment: and as many as touched him were made whole. Ary na taiza na taiza no nidiran' i Jesosy, na tao amin' ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy. Na taiza na taiza nalehany, na tamin' ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran' akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry azy dia sitrana. Et en tout lieu où il pénétrait, villages, villes ou fermes, on mettait les malades sur les places et on le priait de les laisser toucher ne fût-ce que la frange de son manteau, et tous ceux qui le touchaient étaient sauvés.

<-
->