<-
->

Mar / Mk 2:1 And again he entered into Capernaum after some days; and it was noised that he was in the house. Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy, Andro vitsivitsy taorian' izany, dia niditra tao Kafarnaoma indray izy. Comme il était entré de nouveau à Capharnaüm, après quelque temps on apprit qu' il était à la maison.
Mar / Mk 2:2 And straightway many were gathered together, insomuch that there was no room to receive them, no, not so much as about the door: and he preached the word unto them. ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan' ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy. Nony re fa hoe tao an-trano izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan' ny varavarana aza; dia nitory teny taminy izy. Et beaucoup se rassemblèrent, en sorte qu' il n' y avait plus de place, même devant la porte, et il leur annonçait la Parole.
Mar / Mk 2:3 And they come unto him, bringing one sick of the palsy, which was borne of four. Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin' ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain' efa-dahy. Tamin' izay dia nisy nanatona azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain' olona efa-dahy. On vient lui apporter un paralytique, soulevé par quatre hommes.
Mar / Mk 2:4 And when they could not come nigh unto him for the press, they uncovered the roof where he was: and when they had broken it up, they let down the bed wherein the sick of the palsy lay. Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan' ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon' ny trano nitoeran' i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian' ilay nararin' ny paralysisa. Tsy afa-nanatona azy anefa izy ireo noho ny habetsahan' ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian' ilay malemy. Et comme ils ne pouvaient pas le lui présenter à cause de la foule, ils découvrirent la terrasse au-dessus de l' endroit où il se trouvait et, ayant creusé un trou, ils font descendre le grabat où gisait le paralytique.
Mar / Mk 2:5 When Jesus saw their faith, he said unto the sick of the palsy, Son, thy sins be forgiven thee. Ary Jesosy, nony nahita ny finoan' ireo, dia nanao tamin' ilay mararin' ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. Ary Jeso nony nahita ny finoan' ireo, dia nanao tamin' ilay malemy hoe: Anaka, voavela ny helokao. Jésus, voyant leur foi, dit au paralytique : " Mon enfant, tes péchés sont remis. "
Mar / Mk 2:6 But there was certain of the scribes sitting there, and reasoning in their hearts, Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nanao anakampo hoe: Or, il y avait là, dans l' assistance, quelques scribes qui pensaient dans leurs coeurs :
Mar / Mk 2:7 Why doth this man thus speak blasphemies? who can forgive sins but God only? Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? Ahoana no itenenan' ilay ity toy izany? Miteny ratsy an' Andriamanitra lahy izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany? " Comment celui-là parle-t-il ainsi ? Il blasphème ! Qui peut remettre les péchés, sinon Dieu seul ? "
Mar / Mk 2:8 And immediately when Jesus perceived in his spirit that they so reasoned within themselves, he said unto them, Why reason ye these things in your hearts? Ary niaraka tamin' izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? Fantatr' i Jeso tao amin' ny fanahiny niaraka tamin' izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo? Et aussitôt, percevant par son esprit qu' ils pensaient ainsi en eux-mêmes, Jésus leur dit : " Pourquoi de telles pensées dans vos coeurs ?
Mar / Mk 2:9 Whether is it easier to say to the sick of the palsy, Thy sins be forgiven thee; or to say, Arise, and take up thy bed, and walk? Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin' ilay mararin' ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? Inona no moramora kokoa, ny manao amin' ity malemy hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ary mandehàna? Quel est le plus facile, de dire au paralytique : Tes péchés sont remis, ou de dire : Lève-toi, prends ton grabat et marche ?
Mar / Mk 2:10 But that ye may know that the Son of man hath power on earth to forgive sins, (he saith to the sick of the palsy,) Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak' olona manana fahefana etý ambonin' ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin' ilay mararin' ny paralysisa): Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak' olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, hoy izy tamin' ilay malemy: Eh bien ! pour que vous sachiez que le Fils de l' homme a le pouvoir de remettre les péchés sur la terre,
Mar / Mk 2:11 I say unto thee, Arise, and take up thy bed, and go thy way into thine house. Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. Mitsangàna, betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. je te l' ordonne, dit-il au paralytique, lève-toi, prends ton grabat et va-t' en chez toi. "
Mar / Mk 2:12 And immediately he arose, took up the bed, and went forth before them all; insomuch that they were all amazed, and glorified God, saying, We never saw it on this fashion. Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin' izay ary niala teo anatrehan' ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an' Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. Dia nitsangana niaraka tamin' izay izy ka nambeta ny fandriany, ary lasa nody teo imason' ny olona rehetra; any ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an' Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita tahaka izany izahay. Il se leva et aussitôt, prenant son grabat, il sortit devant tout le monde, de sorte que tous étaient stupéfaits et glorifiaient Dieu en disant : " Jamais nous n' avons rien vu de pareil. "
Mar / Mk 2:13 And he went forth again by the sea side; and all the multitude resorted unto him, and he taught them. Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy. Ary nivoaka ho any amoron-dranomasina indray izy ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy izy. Il sortit de nouveau au bord de la mer, et toute la foule venait à lui et il les enseignait.
Mar / Mk 2:14 And as he passed by, he saw Levi the son of Alphaeus sitting at the receipt of custom, and said unto him, Follow me. And he arose and followed him. Ary nony nandalo Izy, dia nahita an' i Levy, zanak' i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Raha nandalo izy, dia nahita an' i Levì zanak' i Alfe nipetraka tao amin' ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe: Andeha hanaraka ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy. En passant, il vit Lévi, le fils d' Alphée, assis au bureau de la douane, et il lui dit : " Suis-moi. " Et, se levant, il le suivit.
Mar / Mk 2:15 And it came to pass, that, as Jesus sat at meat in his house, many publicans and sinners sat also together with Jesus and his disciples: for there were many, and they followed him. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin' i Jesosy mbamin' ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io Jeso, dia nisy poblikàna sy mpanota maro niara-nihinana tamin' izy ireo sy ny mpianany; fa maro ireo, ary nanaraka azy. Alors qu' il était à table dans sa maison, beaucoup de publicains et de pécheurs se trouvaient à table avec Jésus et ses disciples : car il y en avait beaucoup qui le suivaient.
Mar / Mk 2:16 And when the scribes and Pharisees saw him eat with publicans and sinners, they said unto his disciples, How is it that he eateth and drinketh with publicans and sinners? Ary ny mpanora-dalàna, izay isan' ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin' ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin' ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin' ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! Nony nahita azy niara-nihinana tamin' ny poblikàna sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin' ny Farisiana dia nilaza tamin' ny mpianany hoe: Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin' ny poblikàna sy ny mpanota? Les scribes des Pharisiens, le voyant manger avec les pécheurs et les publicains, disaient à ses disciples : " Quoi ? Il mange avec les publicains et les pécheurs ? "
Mar / Mk 2:17 When Jesus heard it, he saith unto them, They that are whole have no need of the physician, but they that are sick: I came not to call the righteous, but sinners to repentance. Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota Raha nahare izany Jeso dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota. Jésus, qui avait entendu, leur dit : " Ce ne sont pas les gens bien portants qui ont besoin de médecin, mais les malades. Je ne suis pas venu appeler les justes, mais les pécheurs. "
Mar / Mk 2:18 And the disciples of John and of the Pharisees used to fast: and they come and say unto him, Why do the disciples of John and of the Pharisees fast, but thy disciples fast not? Ary ny mpianatr' i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin' izany; dia avy izy ka nanao tamin' i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr' i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? Ary fanaon' ny mpianatr' i Joany sy ny Farisiana ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: Nahoana ny mpianatr' i Joany sy ny an' ny Farisiana no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? Les disciples de Jean et les Pharisiens étaient en train de jeûner, et on vient lui dire : " Pourquoi les disciples de Jean et les disciples des Pharisiens jeûnent-ils, et tes disciples ne jeûnent-ils pas ? "
Mar / Mk 2:19 And Jesus said unto them, Can the children of the bridechamber fast, while the bridegroom is with them? as long as they have the bridegroom with them, they cannot fast. Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan' ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy. Ary hoy Jeso taminy: Moa mahazo mifady ny naman' ny mpampakatra raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; Jésus leur dit : " Les compagnons de l'époux peuvent-ils jeûner pendant que l'époux est avec eux ? Tant qu' ils ont l'époux avec eux, ils ne peuvent pas jeûner.
Mar / Mk 2:20 But the days will come, when the bridegroom shall be taken away from them, and then shall they fast in those days. Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin' izany andro izany hifady izy. fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin' izany andro izany vao hifady izy. Mais viendront des jours où l'époux leur sera enlevé ; et alors ils jeûneront en ce jour-là.
Mar / Mk 2:21 No man also seweth a piece of new cloth on an old garment: else the new piece that filled it up taketh away from the old, and the rent is made worse. Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin' ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin' ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny triatra. Personne ne coud une pièce de drap non foulé à un vieux vêtement ; autrement, la pièce neuve tire sur le vieux vêtement et la déchirure s' aggrave.
Mar / Mk 2:22 And no man putteth new wine into old bottles: else the new wine doth burst the bottles, and the wine is spilled, and the bottles will be marred: but new wine must be put into new bottles. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin' ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho triatry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin' ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa. Personne non plus ne met du vin nouveau dans des outres vieilles ; autrement, le vin fera éclater les outres, et le vin est perdu aussi bien que les outres. Mais du vin nouveau dans des outres neuves ! "
Mar / Mk 2:23 And it came to pass, that he went through the corn fields on the sabbath day; and his disciples began, as they went, to pluck the ears of corn. Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin' ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana. Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary Jeso, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany, Et il advint qu' un jour de sabbat il passait à travers les moissons et ses disciples se mirent à se frayer un chemin en arrachant les épis.
Mar / Mk 2:24 And the Pharisees said unto him, Behold, why do they on the sabbath day that which is not lawful? Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin' ny Sabata? ka hoy ny Farisiana taminy: Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin' ny sabata? Et les Pharisiens lui disaient : " Vois ! Pourquoi font-ils le jour du sabbat ce qui n' est pas permis ? "
Mar / Mk 2:25 And he said unto them, Have ye never read what David did, when he had need, and was an hungred, he, and they that were with him? Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon' i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin' izay nanaraka azy, Fa hoy izy taminy: Moa tsy novakinareo va izay nataon' i Davida raha terin' ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy? Il leur dit : " N' avez-vous jamais lu ce que fit David, lorsqu' il fut dans le besoin et qu' il eut faim, lui et ses compagnons,
Mar / Mk 2:26 How he went into the house of God in the days of Abiathar the high priest, and did eat the shewbread, which is not lawful to eat but for the priests, and gave also to them which were with him? fa niditra tao an-tranon' Andriamanitra tamin' ny andron' i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy? Fa niditra tao an-tranon' Andriamanitra izy tamin' ny andron' i Abiatara lehiben' ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin' ny mpanaraka azy koa. comment il entra dans la demeure de Dieu, au temps du grand prêtre Abiathar, et mangea les pains d' oblation qu' il n' est permis de manger qu' aux prêtres, et en donna aussi à ses compagnons ? "
Mar / Mk 2:27 And he said unto them, The sabbath was made for man, and not man for the sabbath: Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an' ny Sabata. Dia hoy koa izy taminy: Ny sabata no natao ho an' ny olona, fa tsy ny olona no ho an' ny sabata. Et il leur disait : " Le sabbat a été fait pour l' homme, et non l' homme pour le sabbat ;
Mar / Mk 2:28 Therefore the Son of man is Lord also of the sabbath. ka dia Tompon' ny Sabata aza ny Zanak' olona. Koa ny Zanak' olona dia tompon' ny sabata aza. en sorte que le Fils de l' homme est maître même du sabbat. "

<-
->