Toko sy andininy momba Dana

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 14.14 And when Abram heard that his brother was taken captive, he armed his trained servants, born in his own house, three hundred and eighteen, and pursued them unto Dan. Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin' ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana. Vao ren' i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin' ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin' ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo. Quand Abram apprit que son parent était emmené captif, il leva ses partisans, ses familiers, au nombre de trois cent dix-huit, et mena la poursuite jusqu'à Dan.
...............
Gen / Jen 30.6 And Rachel said, God hath judged me, and hath also heard my voice, and hath given me a son: therefore called she his name Dan. Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. Ka hoy Rasela: Nomen' Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. Rachel dit : Dieu m' a rendu justice, même il m' a exaucée et m' a donné un fils; c' est pourquoi elle l' appela Dan.
...............
Gen / Jen 35.25 And the sons of Bilhah, Rachel' s handmaid; Dan, and Naphtali: ary ny zanak' i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly; Zanak' i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalia. Les fils de Bilha, la servante de Rachel : Dan et Nephtali.
...............
Gen / Jen 46.23 And the sons of Dan; Hushim. Ary ny zanakalahin' i Dana dia Hosima. Zanak' i Dana: Hosima. Les fils de Dan : Hushim.
...............
Gen / Jen 49.16 Dan shall judge his people, as one of the tribes of Israel. Dana hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin' ny firenen' ny Isiraely. Dana dia mitsara ny olony, Tahaka ny hafa rehetra amin' ny fokon' Israely. Dan juge son peuple, comme chaque tribu d' Israël.
Gen / Jen 49.17 Dan shall be a serpent by the way, an adder in the path, that biteth the horse heels, so that his rider shall fall backward. Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin' ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy. Bibilava eo an-dàlana Dana, Menarana eo an-tsakeli-dàlana izy; Kakeriny ny kitrokelin-tsoavaly, Mba hitatavoka mitsilany ny mpitaingina azy, Que Dan soit un serpent sur le chemin, un céraste sur le sentier, qui mord le cheval au jarret et son cavalier tombe à la renverse !

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
...............
Eks 1.4 Dan, and Naphtali, Gad, and Asher. Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera. Dana, Neftalì, Gada ary Asera. Dan et Nephtali, Gad et Asher.
...............
Eks 31.6 And I, behold, I have given with him Aholiab, the son of Ahisamach, of the tribe of Dan: and in the hearts of all that are wise hearted I have put wisdom, that they may make all that I have commanded thee; Ary, indro, Izaho efa nanome an' i Oholiaba, zanak' i Ahisamaka, avy amin' ny firenen' i Dana, ho namany; ary ny fon' izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao: Ary indro nanampiko azy koa Ooliaba, zanak' i Akisemeka, avy amin' ny fokon' i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon' ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an' izay rehetra nandidiako anao, Voici que je lui adjoins Oholiab, fils d' Ahisamak, de la tribu de Dan, et j' ai mis la sagesse dans le coeur de tous les hommes au coeur sage pour qu' ils fassent tout ce que je t' ai ordonné :
...............
Eks 35.34 And he hath put in his heart that he may teach, both he, and Aholiab, the son of Ahisamach, of the tribe of Dan. Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon' Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak' i Ahisamaka avy amin' ny firenen' i Dana. Efa nataon' Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin' i Ooliaba, zanak' i Akisameka, amin' ny fokon' i Dana. Il a mis en son coeur, à lui ainsi qu'à Oholiab, fils d' Ahisamak, de la tribu de Dan, le don d' enseigner.
...............
Eks 38.23 And with him was Aholiab, son of Ahisamach, of the tribe of Dan, an engraver, and a cunning workman, and an embroiderer in blue, and in purple, and in scarlet, and fine linen. Ary ny namany dia Oholiaba, zanak' i Ahisamaka, avy amin' ny firenen' i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin' ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika. ary ny nanampy azy dia Ooliaba, zanak' i Akisameka, amin' ny fokon' i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin' ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika. et avec lui Oholiab, fils de Ahisamak, de la tribu de Dan, ciseleur, brodeur, brocheur en pourpre violette et écarlate, en cramoisi et en lin fin.

  Leviticus Fisoronana na Levitikosy Fisoronana na Levitika Le Lévitique
...............
Lev 24.11 And the Israelitish woman' s son blasphemed the name of the Lord, and cursed. And they brought him unto Moses: (and his mother' s name was Shelomith, the daughter of Dibri, of the tribe of Dan:) Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin' i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin' i Dibry avy tamin' ny firenen' i Dana izy); Ny zanakalahin' ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salomita, zanak' i Dabrì, avy amin' ny fokon' i Dana; Or le fils de l' Israélite blasphéma le Nom et le maudit. On le conduisit alors à Moïse le nom de la mère était Shelomit, fille de Dibri, de la tribu de Dan.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 1.12 Of Dan; Ahiezer the son of Ammishaddai. ny avy amin' i Dana dia Ahiezera, zanak' i Amisaday; ny amin' i Dana: Ahiesera zanak' i Amisadaia; Pour Dan, Ahiézer, fils d' Ammishaddaï.
...............
Nom / Fan 1.38 Of the children of Dan, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Dana, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Dan, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1.39 Those that were numbered of them, even of the tribe of Dan, were threescore and two thousand and seven hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina. dia nisy fiton-jato amby roa arivo sy enina alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Dana. On en recensa soixante-deux mille sept cents pour la tribu de Dan.
...............
Nom / Fan 2.25 The standard of the camp of Dan shall be on the north side by their armies: and the captain of the children of Dan shall be Ahiezer the son of Ammishaddai. Ary ny fanevan' ny tobin' i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin' ny lafiny avaratra; ary ny lohan' ny taranak' i Dana dia Ahiezera, zanak' i Amisaday; Ny fanevan' ny tobin' i Dana no ho eo avaratra, mbamin' ny antokony. Ny filohan' ny taranak' i Dana dia Ahiesera zanak' i Amisadaìa; Au nord, l'étendard du camp de Dan, selon leurs unités. Prince des fils de Dan : Ahiézer, fils d' Ammishaddaï.
...............
Nom / Fan 2.31 All they that were numbered in the camp of Dan were an hundred thousand and fifty and seven thousand and six hundred. They shall go hindmost with their standards. Ny tontalin' izay nalamina teo amin' ny tobin' i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana. Ka dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy no tontalin' ny eo amin' ny tobin' i Dana, araka ny lehilahy voaisa. Ireo kosa no ho vody làlana manaraka ny fanevany avy. Les recensés du camp de Dan sont en tout cent cinquante-sept mille six cents ; ils lèveront le camp les derniers. Tous selon leurs étendards. "
...............
Nom / Fan 7.66 On the tenth day Ahiezer the son of Ammishaddai, prince of the children of Dan, offered: Ary tamin' ny andro fahafolo Ahiezera, zanak' i Amisaday, lohan' ny taranak' i Dana, no nanatitra. Tamin' ny andro fahafolo, an' i Ahiesera, zanak' i Amisadaìa, filohan' ny zanak' i Dana; Celui qui apporta son offrande le dixième jour fut Ahiézer, fils d' Ammishaddaï, prince des fils de Dan.
...............
Nom / Fan 10.25 And the standard of the camp of the children of Dan set forward, which was the rereward of all the camps throughout their hosts: and over his host was Ahiezer the son of Ammishaddai. Dia niainga ny fanevan' ny tobin' ny taranak' i Dana, izay vodi-lalan' ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak' i Amisaday, no mpifehy ny antokony. Dia niainga ny fanevan' ny tobin' ny zanak' i Dana, araka ny antokony avy; izy no vody làlan' ny toby rehetra. Ny antokon' i Dana dia nofehezin' i Ahiezera zanak' i Amisadaia; Partit enfin, à l' arrière-garde de tous les camps, l'étendard du camp des fils de Dan selon leurs unités. A la tête de son contingent était Ahiézer, fils d' Ammishaddaï ;
...............
Nom / Fan 13.12 Of the tribe of Dan, Ammiel the son of Gemalli. avy tamin' ny firenen' i Dana dia Amiela, zanak' i Gemaly; Amiela, zanak' i Gemalì avy amin' ny fokon' i Dana; pour la tribu de Dan, Ammiel, fils de Gemalli ;
...............
Nom / Fan 26.42 These are the sons of Dan after their families: of Shuham, the family of the Shuhamites. These are the families of Dan after their families. Izao no taranak' i Dana, araka ny fokony: avy tamin' i Sohama ny fokon' ny Sohamita. Ireo no fokon' i Dana, araka ny fokony. Izao no zanak' i Dana, araka ny fokony: avy amin' i Sohama ny fokon' ny Sohamita. Ireo no fokon' i Dana raka ny fokony. Voici les fils de Dan, par clans : pour Shuham, le clan Shuhamite. Tels étaient les clans de Dan, par clans.
...............
Nom / Fan 34.22 And the prince of the tribe of the children of Dan, Bukki the son of Jogli. ary ny lohan' ny firenena taranak' i Dana dia Boky, zanak' i Jogly; Baoksy izay filohany, zanak' i Jogly amin' ny fokon' ny zanak' i Dana. pour la tribu des fils de Dan, le prince Buqqi, fils de Yogli ;

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
...............
Deo / Dt 27.13 And these shall stand upon mount Ebal to curse; Reuben, Gad, and Asher, and Zebulun, Dan, and Naphtali. Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly. ary ireto no hitoetra hanozona ao an-tendrombohitra Hebala: Robena, Gada, Asera, Zabolona, Dana, ary Neftalì. Et voici ceux qui se tiendront sur le mont Ébal pour la malédiction : Ruben, Gad et Asher, Zabulon, Dan et Nephtali.
...............
Deo / Dt 33.22 And of Dan he said, Dan is a lion' s whelp: he shall leap from Bashan. Ary ny amin' Dana dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy. Ny amin' i Dana hoy izy: Dana dia liona vantony, miantoraka avy ao Basana. Il dit sur Dan : Dan est un jeune lion qui s'élance du Bashân.
Deo / Dt 34.1 And Moses went up from the plains of Moab unto the mountain of Nebo, to the top of Pisgah, that is over against Jericho. And the Lord shewed him all the land of Gilead, unto Dan, Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon' i Pisga, izay tandrifin' i Jeriko. Ary nasehon' i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana Niakatra avy eo an-tany lemak' i Moaba Moizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon' i Fasgà, tandrifin' i Jerikao. Alors, partant des Steppes de Moab, Moïse gravit le mont Nebo, sommet du Pisga en face de Jéricho, et Yahvé lui fit voir tout le pays : le Galaad jusqu'à Dan,
Deo / Dt 34.2 And all Naphtali, and the land of Ephraim, and Manasseh, and all the land of Judah, unto the utmost sea, sy Naftaly rehetra sy ny tanin' ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin' ny Joda rehetra hatramin' ny ranomasina andrefana Ary nasehon' ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra dia Galaada hatrany Dana; Neftalì rehetra mbamin' ny tanin' i Efraima andrefana; tout Nephtali, le pays d'Éphraïm et de Manassé, tout le pays de Juda jusqu'à la mer Occidentale,

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 15.49 And Dannah, and Kirjathsannah, which is Debir, sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany) Danà, Kariata-Senà, dia Dabira izany. Danna, Qiryat-Séphèr, aujourd' hui Debir,
...............
Jos 19.40 And the seventh lot came out for the tribe of the children of Dan according to their families. Ary ny loka fahafito dia an' ny firenena taranak' i Dana isam-pokony. Ny fokon-taranak' i Dana, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahafito tamin' ny loka. Pour la tribu des fils de Dan selon leurs clans sortit le septième lot.
...............
Jos 19.47 And the coast of the children of Dan went out too little for them: therefore the children of Dan went up to fight against Leshem, and took it, and smote it with the edge of the sword, and possessed it, and dwelt therein, and called Leshem, Dan, after the name of Dan their father. Ary ny fari-tanin' ny taranak' i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak' i Dana, dia niady tamin' i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin' ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran' i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran' i Dana rainy. Nitatra ho eo ivelan' ny azy ireo ny faritanin' ny taranak' i Dana; fa niakatra niady tamin' i Lesema ny taranak' i Dana, ka nahafaka azy sy namely azy tamin' ny lelan-tsabatra, ka nahazo azy sy nanorim-ponenana tao, ary niantso azy hoe Dana, araka ny anaran' i Dana, rain' izy ireo. Mais le territoire des fils de Dan leur échappa, aussi les fils de Dan montèrent-ils pour combattre Léshem dont ils s' emparèrent et qu' ils passèrent au fil de l'épée. En ayant pris possession, ils s' y établirent et appelèrent Léshem, Dan, du nom de leur ancêtre Dan.
Jos 19.48 This is the inheritance of the tribe of the children of Dan according to their families, these cities with their villages. Izany no lovan' ny firenena taranak' i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan' ny fokon-taranak' i Dana, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zanabohiny. Tel fut l' héritage de la tribu des fils de Dan selon leurs clans : ces villes et leurs villages.
...............
Jos 21.5 And the rest of the children of Kohath had by lot out of the families of the tribe of Ephraim, and out of the tribe of Dan, and out of the half tribe of Manasseh, ten cities. Ary ny loka azon' ny taranak' i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin' ny fokon' ny firenen' i Efraima sy ny firenen' i Dana ary ny antsasaky ny firenen' i Manase. ary ny tanàna folo tamin' ny fianakaviana, fokon' i Efraima sy fokon' i Dana, ary antsasa-pokon' i Manase, no azon' ny taranak' i Kaata sisa, tamin' ny loka. aux autres fils de Qehat selon leurs clans, échurent dix villes des tribus d'Éphraïm, de Dan et de la demi-tribu de Manassé.
...............
Jos 21.23 And out of the tribe of Dan, Eltekeh with her suburbs, Gibbethon with her suburbs, ary avy tamin' ny firenen' i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy. Ny avy amin' ny fokon' i Dana, Eltekao sy ny manodidina azy, Gabatona sy ny manodidina azy, De la tribu de Dan, Elteqé et ses pâturages, Gibbetôn et ses pâturages,

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
...............
Mts / Mpits 1.34 And the Amorites forced the children of Dan into the mountain: for they would not suffer them to come down to the valley: Ary ny Amorita nanesika ny taranak' i Dana ho any amin' ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin' ny tany lemaka, Nasesiky ny Amoreana ho any amin' ny tendrombohitra ny taranak' i Dana, fa tsy avelany hidina ho amin' ny tany lemaka, Les Amorites refoulèrent dans la montagne les fils de Dan et ils ne les laissèrent pas descendre dans la plaine.
...............
Mts / Mpits 5.17 Gilead abode beyond Jordan: and why did Dan remain in ships? Asher continued on the sea shore, and abode in his breaches. Gileada nitoetra tany an-dafin' i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin' ny fitodiany no nipetrahany. Galaada tsy nandao ny fonenany tany an-dafin' i Jordany; ary Dana, nahoana no nitoetra tao an-tsambony? Asera nijanona tsy nihetsika akory teo amoron-dranomasina; teo am-pitodian-tsambony no nijanonany. Galaad est resté au-delà du Jourdain, et Dan, pourquoi vit-il sur des vaisseaux ? Asher est demeuré au bord de la mer, il habite tranquille dans ses ports.
Mts / Mpits 18.1 In those days there was no king in Israel: and in those days the tribe of the Danites sought them an inheritance to dwell in; for unto that day all their inheritance had not fallen unto them among the tribes of Israel. Ary tamin' izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin' ny Isiraely; ary tamin' izany andro izany kosa ny firenen' i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin' izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin' ny firenen' Isiraely izy. Tsy nisy mpanjaka teo amin' Israely tamin' izany andro izany; ary nitady zara tany honenany ny fokon' ny Danita, tamin' izany andro izany, fa tsy mbola nahazo anjara lova hatramin' izany andro izany izy eo afovoan' ny fokon' Israely. En ce temps-là, il n' y avait pas de roi en Israël. Or, en ce temps-là, la tribu de Dan cherchait un territoire pour y habiter, car, jusqu'à ce jour, il ne lui était pas échu de territoire parmi les tribus d' Israël.
Mts / Mpits 18.2 And the children of Dan sent of their family five men from their coasts, men of valour, from Zorah, and from Eshtaol, to spy out the land, and to search it; and they said unto them, Go, search the land: who when they came to mount Ephraim, to the house of Micah, they lodged there. Ary ny taranak' i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin' ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin' ny tany havoan' i Efraima tao an-tranon' i Mika izy, dia nandry tao. Nalain' ny zanak' i Dana tao amin' izy rehetra ireo ny dimy lahy, lehilahy mahery iray fianakaviana aminy, ka nalefany avy any Saraà sy Estaola hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany. Ka hoy izy tamin' izy ireo: Mandehana zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin' ny tendrombohitr' i Efraima izy sy tao amin' ny tranon' i Mikasy, ka nandry tao. Les Danites envoyèrent de leur clan cinq hommes vaillants de Çoréa et d' Eshtaol pour reconnaître le pays et l' explorer. Ils leur dirent : " Allez explorer le pays. " Les cinq hommes arrivèrent dans la montagne d'Éphraïm jusqu'à la maison de Mika et ils y passèrent la nuit.
...............
Mts / Mpits 18.11 And there went from thence of the family of the Danites, out of Zorah and out of Eshtaol, six hundred men appointed with weapons of war. Dia nisy niainga avy tamin' ny fokon' i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin' ny fiadiany. Dia nisy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an' ady avokoa, no niainga avy any Saraà sy Estaola, avy amin' ny fokon' i Dana. Ils partirent donc de là, du clan des Danites, de Çoréa et d' Eshtaol, six cents hommes équipés pour la guerre.
...............
Mts / Mpits 18.16 And the six hundred men appointed with their weapons of war, which were of the children of Dan, stood by the entering of the gate. Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin' ny fiadiany, izay avy tamin' ny taranak' i Dana, dia nijanona teo anoloan' ny vavahady. fa izy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an' ady avy amin' ny fokon í Dana, nijanona teo anoloan' ny vavahady. Pendant que les six cents hommes des Danites, équipés pour la guerre, se tenaient sur le seuil de la porte,
...............
Mts / Mpits 18.22 And when they were a good way from the house of Micah, the men that were in the houses near to Micah' s house were gathered together, and overtook the children of Dan. Ary rehefa lasa lavitra ny tranon' i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin' i Mika ka nahatratra ny taranak' i Dana. Efa lasa lavitra ny tranon' i Mikasy izy ireo, vao indreto ny olona mitoetra ao amin' ny trano mifanolo-body rindrina amin' i Mikasy nivory nanenjika ireto taranak' i Dana. Ils étaient déjà loin de la demeure de Mika quand les gens qui habitaient les maisons voisines de celle de Mika donnèrent l' alarme et se mirent à la poursuite des Danites.
Mts / Mpits 18.23 And they cried unto the children of Dan. And they turned their faces, and said unto Micah, What aileth thee, that thou comest with such a company? Dia niantso ny taranak' i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin' i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao? Nantsoantsoin' izy ireo avy aty aoriana ny taranak' i Dana, ka niherika sy nanao tamin' i Mikasy hoe: Inona no ilainao no nanangona olona toy izao hianao? Comme ils criaient après les Danites, ceux-ci, se retournant, dirent à Mika : " Qu' as-tu à crier ainsi ? " -
...............
Mts / Mpits 18.25 And the children of Dan said unto him, Let not thy voice be heard among us, lest angry fellows run upon thee, and thou lose thy life, with the lives of thy household. Dia hoy ny taranak' i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao. Fa hoy ny taranak' i Dana taminy: Aza ampandrenesina anay intsony ny feonao sao hiantoraka aminareo ny olona tezitra ka hahafaty ny ainao sy ny ain' ny ankohonanao. Les Danites lui répliquèrent : " Ne nous fais plus entendre ta voix! Sinon des hommes exaspérés pourraient bien tomber sur vous. Tu risques de causer ta perte et celle de ta maison! "
Mts / Mpits 18.26 And the children of Dan went their way: and when Micah saw that they were too strong for him, he turned and went back unto his house. Dia nandeha tamin' ny nalehany ny taranak' i Dana; ary rehefa hitan' i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony. Dia nanohy ny diany ny zanak' i Dana. Hitan' i Mikasy fa mahery noho izy ry zareo, ka dia niverina nody any an-tranony izy. Les Danites poursuivirent leur chemin, et Mika, voyant qu' ils étaient les plus forts, s' en retourna et revint chez lui.
...............
Mts / Mpits 18.28 And there was no deliverer, because it was far from Zidon, and they had no business with any man; and it was in the valley that lieth by Bethrehob. And they built a city, and dwelt therein. Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an' i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin' olona akory izy, sady teo amin' ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao. Tsy nisy olon-kamonjy azy, fa lavitra an' i Sidona izy, ary ny mponina tao tsy nanan-draharaha tamin' ny olon-kafa; tao amin' ny lohasaha mandroso mankany Beti-Rohoba no nisy azy. Naorin' ny taranak' i Dana ny tanàna, dia nonina teo izy, Il n' y eut personne pour la secourir, car elle était loin de Sidon et elle n' avait pas de relations avec les Araméens. Elle se situait dans la vallée qui s'étend vers Bet-Rehob. Ils rebâtirent la ville, s' y établirent,
Mts / Mpits 18.29 And they called the name of the city Dan, after the name of Dan their father, who was born unto Israel: howbeit the name of the city was Laish at the first. Ary ny anaran' ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran' i Dana rainy, izay naterak' Isiraely; kanefa Laisy no anaran' ny tanàna taloha. ary ny anarany nataony hoe Dana, araka ny anaran' i Dana, rainy, izay naterak' Israely; fa Laïsa kosa no anaran' ny tanàna taloha. et ils l' appelèrent Dan, du nom de Dan leur père qui était né d' Israël. A l' origine pourtant la ville s' appelait Laïsh.
Mts / Mpits 18.30 And the children of Dan set up the graven image: and Jonathan, the son of Gershom, the son of Manasseh, he and his sons were priests to the tribe of Dan until the day of the captivity of the land. Dia natsangan' ny taranak' i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak' i Gersoma, zanak' i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an' ny firenen' i Dana hatramin' ny andro namaboana ny tany. Natsangan' ny taranak' i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatàna, zanak' i Gersama zanak' i Moizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron' ny fokon' i Dana, mandra-pahatongan' ny andro namaboana ny tany. Les Danites dressèrent pour eux l' image taillée. Yehonatân, fils de Gershom, fils de Moïse, et ensuite ses fils, ont été prêtres de la tribu de Dan jusqu' au jour où la population du pays fut emmenée en exil.
Mts / Mpits 20.1 Then all the children of Israel went out, and the congregation was gathered together as one man, from Dan even to Beersheba, with the land of Gilead, unto the Lord in Mizpeh. Dia nivoaka ny Zanak' Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin' i Jehovah tany Mizpa. Dia nivoaka ny zanak' Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan' ny Tompo tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana. Tous les Israélites sortirent donc, et, comme un seul homme, toute la communauté se réunit, depuis Dan jusqu'à Bersabée et le pays de Galaad, auprès de Yahvé à Miçpa.

  1st Samuel 1 Samoela Samoela I 1er Livre de Samuel
...............
1Sm / 1Sam 3.20 And all Israel from Dan even to Beersheba knew that Samuel was established to be a prophet of the Lord. Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin' i Jehovah tokoa Samoela. Fantatr' Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea fa tena mpaminanin' ny Tompo marina tokoa Samoela. Tout Israël sut, depuis Dan jusqu'à Bersabée, que Samuel était accrédité comme prophète de Yahvé.

  2nd Samuel 2 Samoela Samoela II 2ème Livre de Samuel
...............
2Sm / 2Sam 3.10 To translate the kingdom from the house of Saul, and to set up the throne of David over Israel and over Judah, from Dan even to Beersheba. ka hampiala ny fanjakana amin' ny tamingan' i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan' i Davida amin' ny Isiraely sy amin' ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. fa hoesoriny amin' ny fianakavian' i Saola ny fanjakana ka hatsangany amin' Israely sy Jodà hatrany Dana ka hatrany Bersabea ny seza fiandrianan' i Davida. d' enlever la royauté à la maison de Saül et d'établir le trône de David sur Israël et sur Juda depuis Dan jusqu'à Bersabée. "
...............
2Sm / 2Sam 17.11 Therefore I counsel that all Israel be generally gathered unto thee, from Dan even to Beersheba, as the sand that is by the sea for multitude; and that thou go to battle in thine own person. Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika. Ka izao kosa no hevitro: Aoka hivory eto aminao avokoa Israely rehetra, hatrany Dana, ka hatrany Bersabea, izay maro toy ny fasika any amoron-dranomasina, dia ny tenanao mihitsy no handroso ho amin' ny ady. Pour moi, je donne le conseil suivant : que tout Israël, depuis Dan jusqu'à Bersabée, se rassemble autour de toi, aussi nombreux que les grains de sable au bord de la mer, et tu marcheras en personne au milieu d' eux.
...............
2Sm / 2Sam 24.2 For the king said to Joab the captain of the host, which was with him, Go now through all the tribes of Israel, from Dan even to Beersheba, and number ye the people, that I may know the number of the people. Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Joaba, komandin' ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen' isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany. Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Joaba, filohan' ny tafika, izay teo aminy: Mandehana tetezo ny fokon' Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea, hahafantarako ny isan' ny vahoaka. Le roi dit à Joab et aux chefs de l' armée qui étaient avec lui : " Parcourez donc toutes les tribus d' Israël, de Dan à Bersabée, et faites le recensement du peuple afin que je sache le chiffre de la population. "
...............
2Sm / 2Sam 24.15 So the Lord sent a pestilence upon Israel from the morning even to the time appointed: and there died of the people from Dan even to Beersheba seventy thousand men. Ka dia nasian' i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin' ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. Ary Iaveh naniraka pesta any amin' Israely, hatramin' ny marainan' izay andro izay ka hatramin' ilay fotoana voafetra ka nahafatesana fito alina ny olona, hatrany Dana ka hatrany Bersabea. David choisit donc la peste. C'était le temps de la moisson des blés. Yahvé envoya la peste en Israël depuis le matin jusqu' au temps fixé, le fléau frappa le peuple et soixante-dix mille hommes du peuple moururent depuis Dan jusqu'à Bersabée.

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
...............
1Mp 5.5 And, behold, I purpose to build an house unto the name of the Lord my God, as the Lord spake unto David my father, saying, Thy son, whom I will set upon thy throne in thy room, he shall build an house unto my name. Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin' ny andron' i Solomona rehetra, samy teny ambanin' ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba. Nandry fahizay Jodà sy Israely tamin' ny andro rehetra niainan' i Salomona, samy tao ambanin' ny voalobony sy ny aviaviny avy hatrany Dàna ka hatrany Bersabea. Juda et Israël habitèrent en sécurité chacun sous sa vigne et sous son figuier, depuis Dan jusqu'à Bersabée, pendant toute la vie de Salomon.
...............
1Mp 12.29 And he set the one in Bethel, and the other put he in Dan. Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana. Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Danà. Il dressa l' un à Béthel,
1Mp 12.30 And this thing became a sin: for the people went to worship before the one, even unto Dan. Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan' ny anankiray amin' ireo hatrany Dana. Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Danà hivavaka amin' ny anankiray amin' ireo ny vahoaka. et le peuple alla en procession devant l' autre jusqu'à Dan.
...............
1Mp 15.20 So Benhadad hearkened unto king Asa, and sent the captains of the hosts which he had against the cities of Israel, and smote Ijon, and Dan, and Abelbethmaachah, and all Cinneroth, with all the land of Naphtali. Ary Beni-hadada nihaino an' i Asa mpanjaka ka naniraka komandin' ny miaramilany hamely ny tanànan' ny Isiraely, ary namely an' Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary Kinerota rehetra mbamin' ny tanin' ny Naftaly rehetra izy. Dia nohenoin' i Ben-Hadada i Asa mpanjaka, ka nirahiny ny filohan' ny tafiny hamely ny tanànan' Israely, ka noreseny avokoa Ahiona, Danà, Abela-Beta-Maakà, mbamin' ny Kenerota rehetra sy ny tanin' i Neftalì rehetra. Ben-Hadad exauça le roi Asa et envoya ses chefs d' armée contre les villes d' Israël ; il conquit Iyyôn, Dan, Abel-Bet-Maaka, tout Kinnerot et même tout le pays de Nephtali.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 10.29 Howbeit from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin, Jehu departed not from after them, to wit, the golden calves that were in Bethel, and that were in Dan. Nefa Jeho tsy dia niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin' ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana. Nefa tsy niviliany nialany ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata izay nampanota an' Israely, na ny zanak' omby volamena izay ao Betela sy ao Dana. Cependant Jéhu ne se détourna pas des péchés de Jéroboam fils de Nebat, où il avait entraîné Israël, les veaux d' or de Béthel et de Dan.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 2.2 Dan, Joseph, and Benjamin, Naphtali, Gad, and Asher. sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera. Dàna, Josefa, Benjamina, Neftalì, Gada, ary Asera. Dan, Joseph et Benjamin, Nephtali, Gad et Asher.
...............
1Tt / 1Tan 21.2 And David said to Joab and to the rulers of the people, Go, number Israel from Beersheba even to Dan; and bring the number of them to me, that I may know it. Dia hoy Davida tamin' i Joaba sy tamin' ireo lehiben' ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atý amiko ny isany mba ho fantatro. Dia hoy Davida tamin' i Joaba sy ny mpifehy vahoaka: Mandehana, isao Israely hatrany Bersabea ka hatrany Dana, dia manaova filazana amiko, mba hahalalako ny isany. David dit à Joab et aux chefs du peuple : " Allez compter Israël, de Bersabée à Dan, puis revenez m' en faire connaître le chiffre. "
...............
1Tt / 1Tan 27.22 Of Dan, Azareel the son of Jeroham. These were the princes of the tribes of Israel. tamin' ny Dana dia Azarela, zanakalahin' i Jerohama. Ireo no lohan' ny firenen' Isiraely. amin' ny Dana, Ezriela zanak' i Jerohama. Ireo no lohan' ny fokon' Israely. Azaréel fils de Yeroham les Danites. Tels furent les officiers des tribus d' Israël.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 16.4 And Benhadad hearkened unto king Asa, and sent the captains of his armies against the cities of Israel; and they smote Ijon, and Dan, and Abelmaim, and all the store cities of Naphtali. Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin' i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin' ny miaramilany hamely ny tanànan' ny Isiraely; dia nandrava an' Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin' ny tanànan' ny Naftaly izy. ireo komandin' ny miaramilany hamely ny tanànan' ny Isiraely; dia nandrava an' Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin' ny tanànan' ny Naftaly izy. Nohenoin' i Ben-Hadada, Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan' Israely ny filohan' ny tafiny, dia noreseny Ahiona sy Dana ary Abela-Maima mbamin' ny tanàna fitehirizana rehetra teo amin' i Neftalì. Ben-Hadad exauça le roi Asa et envoya ses chefs d' armée contre les villes d' Israël; il conquit Iyyôn, Dan, Abel-Mayim et tous les entrepôts des villes de Nephtali.
...............
2Tt / 2Tan 30.5 So they established a decree to make proclamation throughout all Israel, from Beersheba even to Dan, that they should come to keep the passover unto the Lord God of Israel at Jerusalem: for they had not done it of a long time in such sort as it was written. Dia nandidy handefa teny eran' ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan' ny olona hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. Dia nanapa-kevitra ny handefa teny amin' Israely rehetra, hatrany Bersabea ka hatrany Dana izy ireo, mba samy ho tonga ao Jerosalema ny olona, hanao ny Paka ho fankalazana an' ny Tompo Andriamanitr' Israely, fa efa tsy nankalazain' izy ireo mitamba-be intsony, araka ny voasoratra. On décida de faire passer à travers tout Israël, de Bersabée à Dan, un appel à venir célébrer à Jérusalem une Pâque pour Yahvé, Dieu d' Israël; peu, en effet, s'étaient conformés à l'Écriture.

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
...............
Jer / Jr 4.15 For a voice declareth from Dan, and publisheth affliction from mount Ephraim. Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin' ny tany havoan' i Efraima, Fa misy feo avy any Dana, ka manambara, hatrany an-tendrombohitr' i Efraima izy no milaza ny loza ho avy. Car une voix crie la nouvelle depuis Dan, depuis la montagne d' Ephraïm elle annonce la calamité.
...............
Jer / Jr 8.16 The snorting of his horses was heard from Dan: the whole land trembled at the sound of the neighing of his strong ones; for they are come, and have devoured the land, and all that is in it; the city, and those that dwell therein. Ny fiefonefon' ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon' ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin' ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao. Re hatrany Dana ny fiefonefon' ny soavaliny. Raha mahare ny fanenon' ny soavaliny dia mihorohoro avokoa ny tany. Tonga izy, dia levoniny ny tany mbamin' izay ao aminy, ny tanàna mbamin' ny mponina ao aminy. Depuis Dan on perçoit le hennissement de ses chevaux; au cri retentissant de ses étalons toute la terre est ébranlée ils viennent dévorer le pays et ses biens, la ville et ses habitants"

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
Eze / Ez 48.1 Now these are the names of the tribes. From the north end to the coast of the way of Hethlon, as one goeth to Hamath, Hazarenan, the border of Damascus northward, to the coast of Hamath; for these are his sides east and west; a portion for Dan. Ary izao no anaran' ny firenena: Hatramin' ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin' ny lalana mankany Hetlona any akaikin' i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin' i Damaskosy eo avaratra, any anilan' i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an' i Dana. Izao no anaran' ny foko: Hatramin' ny tendrony avaratra manaraka ny làlan' i Hethalona ho any Hamata, Hatzera-Enona, ny sisin-tanin' i Damasa mianavaratra, manaraka ny lavan' i Hamata, izao avy no ho an' ny isam-poko: hatramin' ny faritra atsinanana ka hatramin' ny faritra andrefana: anjara iray ho an' i Dana. Voici les noms des tribus. A l' extrême nord, dans la direction de Hètlôn, vers l' Entrée de Hamat et Haçar-Enân, le territoire de Damas étant au nord, le long de Hamat, depuis la limite orientale jusqu'à la limite occidentale : Dan, un lot.
Eze / Ez 48.2 And by the border of Dan, from the east side unto the west side, a portion for Asher. Ary mifanolotra amin' ny fari-tanin' i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an' i Asera. Manolotra ny sisin-tanin' i Dana hatramin' ny faritra atsinanana ka hatramin' ny faritra andrefana; anjara iray ho an' i Asera. Sur la frontière de Dan, depuis la limite orientale jusqu'à la limite occidentale : Asher, un lot.
...............
Eze / Ez 48.32 And at the east side four thousand and five hundred: and three gates; and one gate of Joseph, one gate of Benjamin, one gate of Dan. Ary amin' ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin' i Josefa ny iray, vavahadin' i Benjamina ny iray, ary vavahadin' i Dana ny iray. Amin' ny lafiny atsinanana, diman-jato sy efatra arivo hakiho, hisy vavahady telo: vavahadin' i Josefa, iray; vavahadin' i Benjamina, iray; vavahadin' i Dana, iray. Du côté de l' orient, il y aura quatre mille cinq cents coudées et trois portes : la porte de Joseph, une; la porte de Benjamin, une; la porte de Dan, une.

  Book of Amos Amosa Amosy Livre d'Amos
...............
Amo / Am 8.14 They that swear by the sin of Samaria, and say, Thy god, O Dan, liveth; and, The manner of Beersheba liveth; even they shall fall, and never rise up again. Dia ireo izay mianiana amin' ny fahotan' i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon' i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony. Ry zareo mianiana amin' ny fahotan' i Samaria, ka manao hoe: Amin' ny Andriamanitrao, ry Dàna! Amin' ny làlan' i Bersabea! dia samy ho lavo tsy haharina intsony. Ceux qui jurent par le péché de Samarie, ceux qui disent : " Vive ton dieu, Dan ! " et : " Vive le chemin de Bersabée ! " ceux-là tomberont pour ne plus se relever.