<-
->

Eks 35:1 And Moses gathered all the congregation of the children of Israel together, and said unto them, These are the words which the Lord hath commanded, that ye should do them. Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian' i Jehovah hatao: Ary novorin' i Moizy ny fiangonan' Israely rehetra ka nilazany hoe: Izao no zavatra nodidian' ny Tompo hatao: Moïse assembla toute la communauté des Israélites et leur dit : " Voici ce que Yahvé a ordonné de faire :
Eks 35:2 Six days shall work be done, but on the seventh day there shall be to you an holy day, a sabbath of rest to the Lord: whosoever doeth work therein shall be put to death. Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an' i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin' izany dia hatao maty. Ny andro enina no hiasanareo fa ny andro fahafito dia ho andro voatokana eo aminareo, andro fitsaharana amin' ny asa rehetra hankalazana an' ny Tompo. Izay manao taozavatra amin' io andro io dia hohelohin-ko faty. Pendant six jours on fera le travail, mais le septième jour sera pour vous un jour saint, un jour de repos complet consacré à Yahvé. Quiconque fera ce jour-là un travail quelconque sera mis à mort.
Eks 35:3 Ye shall kindle no fire throughout your habitations upon the sabbath day. Aza mampirehitra afo amin' ny andro Sabata any amin' izay rehetra itoeranareo. Tsy hisy hampirehetana afo ny tranonareo amin' ny sabata. Vous n' allumerez de feu, le jour du sabbat, dans aucune de vos demeures.
Eks 35:4 And Moses spake unto all the congregation of the children of Israel, saying, This is the thing which the Lord commanded, saying, Ary Mosesy niteny tamin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian' i Jehovah: Niteny tamin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra Moizy ka nanao hoe: Izao no nodidian' ny Tompo hatao: Moïse dit à toute la communauté des Israélites : " Voici ce qu' a ordonné Yahvé.
Eks 35:5 Take ye from among you an offering unto the Lord: whosoever is of a willing heart, let him bring it, an offering of the Lord; gold, and silver, and brass, Manalà ao aminareo fanatitra ho an' i Jehovah: izay rehetra amporisihin' ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an' i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina, Manokàna zavatra hatolotra ho an' ny Tompo amin' ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin' ny Tompo, dia volamena, volafotsy, varahina, Prélevez sur vos biens une contribution pour Yahvé. Que tous ceux que leur coeur y incite apportent la contribution de Yahvé : de l' or, de l' argent et du bronze ;
Eks 35:6 And blue, and purple, and scarlet, and fine linen, and goats' hair, ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon' osy jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra; rongony madinika, volon' osy, de la pourpre violette et écarlate, du cramoisi, du lin fin et du poil de chèvre ;
Eks 35:7 And rams' skins dyed red, and badgers' skins, and shittim wood, sy hoditr' ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia, hoditr' ondralahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià, des peaux de béliers teintes en rouge, du cuir fin et du bois d' acacia ;
Eks 35:8 And oil for the light, and spices for anointing oil, and for the sweet incense, sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin' ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona, diloilo hatao amin' ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin' ny diloilo fanosorana, sy ny zava-manitra fanembohana; de l' huile pour le luminaire, des aromates pour l' huile d' onction et l' encens aromatique ;
Eks 35:9 And onyx stones, and stones to be set for the ephod, and for the breastplate. ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin' ny efoda sy ho amin' ny saron-tratra. vato berila, sy vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin' ny efoda sy ny saron-tratra. des pierres de cornaline et des pierreries à enchâsser pour l'éphod et le pectoral.
Eks 35:10 And every wise hearted among you shall come, and make all that the Lord hath commanded; Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian' i Jehovah: Aoka hanatona izay rehetra manam-pahaizana aminareo hanao izay rehetra nasain' ny Tompo hatao: Que ceux parmi vous qui sont habiles viennent faire tout ce qu' a ordonné Yahvé :
Eks 35:11 The tabernacle, his tent, and his covering, his taches, and his boards, his bars, his pillars, and his sockets, dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany, ny Fonenana, ny lainy amam-pirakony, ny masom-bolany, ny hazo-fisany, ny barany, ny andriny, ny faladiany; la Demeure, sa tente et sa couverture, ses agrafes, ses cadres, ses traverses, ses colonnes et ses socles ;
Eks 35:12 The ark, and the staves thereof, with the mercy seat, and the vail of the covering, ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana, ny fiara mbamin' ny baony; ny fanaovam-panavotana, ny efitra lamba, l' arche et ses barres, le propitiatoire et le rideau du voile ;
Eks 35:13 The table, and his staves, and all his vessels, and the shewbread, ary ny latabatra sy ny baony mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho, ny latabatra mbamin' ny baony amam-panaka rehetra momba azy, ny mofo alahatra, la table, ses barres et tous ses accessoires ainsi que les pains d' oblation ;
Eks 35:14 The candlestick also for the light, and his furniture, and his lamps, with the oil for the light, ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin' ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana, ny fanaovan-jiro mbamin' ny fanaka aman-dalampy momba azy, ny diloilo hatao amin' ny fanaovan-jiro; le candélabre pour la lumière, ses accessoires, ses lampes ainsi que l' huile pour le luminaire ;
Eks 35:15 And the incense altar, and his staves, and the anointing oil, and the sweet incense, and the hanging for the door at the entering in of the tabernacle, ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin' ny varavaran' ny tabernakely, ny otely fandoroan-java-manitra mbamin' ny baony, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, ny varavarana lamba amin' ny fidirana ho ao amin' ny Fonenana, l' autel des parfums et ses barres, l' huile d' onction, l' encens aromatique et le voile de l' entrée, pour l' entrée de la Demeure ;
Eks 35:16 The altar of burnt offering, with his brasen grate, his staves, and all his vessels, the laver and his foot, ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany, ny otely fanaovan-tsorona dorana mbamin' ny harato varahina aminy, ny baony, ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy amam-paladiany; l' autel des holocaustes et son treillis de bronze, ses barres et tous ses accessoires, le bassin et son socle ;
Eks 35:17 The hangings of the court, his pillars, and their sockets, and the hanging for the door of the court, ary ny fefy lamba ho amin' ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin' ny vavahadin' ny kianja, ny fefy lamba amin' ny kianja mbamin' ny andriny, ny faladiany, ary ny vavahady lamba amin' ny kianja; les courtines du parvis, ses colonnes, ses socles et le rideau de l' entrée du parvis ;
Eks 35:18 The pins of the tabernacle, and the pins of the court, and their cords, ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny, ny tsimatry ny Fonenana sy ny tsimatry ny kianja mbamin' ny kofehiny; les piquets de la Demeure et les piquets du parvis avec leurs cordes ;
Eks 35:19 The cloths of service, to do service in the holy place, the holy garments for Aaron the priest, and the garments of his sons, to minister in the priest' s office. ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an' i Arona mpisorona ary ny fitafian' ny zanany ho entiny misorona. ny fanamiana fitondra raha manao fanompoam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an' i Aarona mpisorona sy ny fanamian' ireo zanany fitondrany raha manao raharaham-pisoronana. les vêtements d' apparat pour officier dans le sanctuaire - les vêtements sacrés pour le prêtre Aaron et les vêtements de ses fils pour l' exercice du sacerdoce. "
Eks 35:20 And all the congregation of the children of Israel departed from the presence of Moses. Dia niala teo anatrehan' i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra. Nony nirava avy eo anatrehan' i Moizy ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra, Alors toute la communauté des Israélites se retira de la présence de Moïse.
Eks 35:21 And they came, every one whose heart stirred him up, and every one whom his spirit made willing, and they brought the Lord' s offering to the work of the tabernacle of the congregation, and for all his service, and for the holy garments. Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin' ny fony, ary izay rehetra namporisihin' ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an' i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina. dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an' ny Tompo hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin' ny fanaka rehetra ao aminy, sy ny fanamiana masina. Puis tous ceux que leur coeur y portait et tous ceux que leur âme y incitait apportèrent la contribution de Yahvé, pour le travail de la Tente du Rendez-vous, pour son service général et pour les vêtements sacrés.
Eks 35:22 And they came, both men and women, as many as were willing hearted, and brought bracelets, and earrings, and rings, and tablets, all jewels of gold: and every man that offered offered an offering of gold unto the Lord. Dia nanatona ny lehilahy mbamin' ny vehivavy rehetra izay namporisihin' ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an' i Jehovah. Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tànana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an' ny Tompo. Les hommes et les femmes vinrent, tous ceux que leur coeur y incitait apportèrent des broches, des anneaux, des bagues, des colliers, toutes sortes d' objets d' or - tous ceux qui avaient voué de l' or à Yahvé.
Eks 35:23 And every man, with whom was found blue, and purple, and scarlet, and fine linen, and goats' hair, and red skins of rams, and badgers' skins, brought them. Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon' osy sy hoditr' ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy. Izay rehetra nanana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon' osy, hoditr' ondralahy voasoka mena, ary hodi-dogaona, dia samy nitondra avokoa. Tous ceux qui se trouvaient avoir de la pourpre violette et écarlate, du cramoisi, du lin fin, du poil de chèvre, des peaux de béliers teintes en rouge et du cuir fin, l' apportèrent.
Eks 35:24 Every one that did offer an offering of silver and brass brought the Lord' s offering: and every man, with whom was found shittim wood for any work of the service, brought it. Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an' i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin' ny fanompoana dia nitondra azy. Izay rehetra nanokana fanatitra volafotsy na varahina dia samy nitondra ny azy ho an' ny Tompo. Izay rehetra nanan-kazo akasià hanaovana ny zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana dia nanolotra izany. Tous ceux qui offraient une contribution d' argent et de bronze apportèrent la contribution de Yahvé, et tous ceux qui se trouvaient avoir du bois d' acacia pour tous les travaux à exécuter l' apportèrent.
Eks 35:25 And all the women that were wise hearted did spin with their hands, and brought that which they had spun, both of blue, and of purple, and of scarlet, and of fine linen. Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin' ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika. Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin' ny tànany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika. Toutes les femmes habiles filèrent de leurs mains et apportèrent ce qu' elles avaient filé : pourpre violette et écarlate, cramoisi et lin fin.
Eks 35:26 And all the women whose heart stirred them up in wisdom spun goats' hair. Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin' ny fony tamin' ny fahendrena dia namoly ny volon' osy. Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon' osy. Toutes les femmes que leur coeur y portait en raison de leur habileté, filèrent le poil de chèvre.
Eks 35:27 And the rulers brought onyx stones, and stones to be set, for the ephod, and for the breastplate; Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin' ny efoda sy ho amin' ny saron-tratra, Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin' ny efoda sy ny saron-tratra; Les chefs apportèrent les pierres de cornaline et les pierres à enchâsser dans l'éphod et le pectoral,
Eks 35:28 And spice, and oil for the light, and for the anointing oil, and for the sweet incense. ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin' ny diloilo fanosorana ary ho amin' ny ditin-kazo mani-pofona. zava-manitra aman-diloilo hatao amin' ny fanaovan-jiro sy ny diloilo fanosorana ary ny zava-manitra mamerovero. les aromates et l' huile pour le luminaire, pour l' huile d' onction et pour l' encens aromatique.
Eks 35:29 The children of Israel brought a willing offering unto the Lord, every man and woman, whose heart made them willing to bring for all manner of work, which the Lord had commanded to be made by the hand of Moses. Ary ny Zanak' Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an' i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin' ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian' i Jehovah an' i Mosesy hatao. Ny zanak' Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin' ny asa rehetra nandidian' ny Tompo tamin' ny vavan' i Moizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitra-po ho an' ny Tompo. Tous les Israélites, hommes et femmes, que leur coeur incitait à contribuer à l' ensemble de l' ouvrage que Yahvé, par l' intermédiaire de Moïse, avait ordonné d' exécuter, apportèrent une offrande à Yahvé.
Eks 35:30 And Moses said unto the children of Israel, See, the Lord hath called by name Bezaleel the son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah; Ary hoy Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely: Indro, efa notononin' i Jehovah anarana Bezalila, zanak' i Ory, zanak' i Hora, avy amin' ny firenen' i Joda, Ary hoy Moizy tamin' ny zanak' Israely: Aoka ho fantatrareo fa Beseleela, zanak' i Ori, zanak' i Hora, amin' ny fokon' i Jodà, no efa nofidin' ny Tompo. Moïse dit aux Israélites : " Voyez, Yahvé a désigné nommément Beçaléel, fils de Uri, fils de Hur, de la tribu de Juda.
Eks 35:31 And he hath filled him with the spirit of God, in wisdom, in understanding, and in knowledge, and in all manner of workmanship; ka efa nofenoiny fanahin' Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin' ny tao-zavatra samy hafa, Nofenoiny ny fanahin' Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina ary fahaizana hanao asa samihafa isan-karazany; Il l' a comblé de l' esprit de Dieu, d' habileté, d' intelligence et de savoir, pour toute sorte d' ouvrages ;
Eks 35:32 And to devise curious works, to work in gold, and in silver, and in brass, dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina, ny mamorona taozavatra vaovao, ny manefy volamena sy volafotsy ary varahina, pour concevoir les projets et les exécuter en or, en argent et en bronze,
Eks 35:33 And in the cutting of stones, to set them, and in carving of wood, to make any manner of cunning work. ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra. ny misokitra vato halatsaka an-tranontranony, ny mandrafitra hazo ary ny mahavita ny asa samihafa rehetra ilam-pahaizana. pour tailler les pierres à enchâsser, pour tailler le bois et pour exécuter toutes sortes d' oeuvres d' art.
Eks 35:34 And he hath put in his heart that he may teach, both he, and Aholiab, the son of Ahisamach, of the tribe of Dan. Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon' Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak' i Ahisamaka avy amin' ny firenen' i Dana. Efa nataon' Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin' i Ooliaba, zanak' i Akisameka, amin' ny fokon' i Dana. Il a mis en son coeur, à lui ainsi qu'à Oholiab, fils d' Ahisamak, de la tribu de Dan, le don d' enseigner.
Eks 35:35 Them hath he filled with wisdom of heart, to work all manner of work, of the engraver, and of the cunning workman, and of the embroiderer, in blue, and in purple, in scarlet, and in fine linen, and of the weaver, even of them that do any work, and of those that devise cunning work. Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an' ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an' ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin' ny manga sy volomparasy sy mena ary amin' ny rongony fotsy madinika ary ny an' ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto. Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asina sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao. Il les a comblés d' habileté pour exécuter toute sorte d' ouvrages, tous les ouvrages du ciseleur, du brodeur, du brocheur de pourpre violette et écarlate, de cramoisi et de lin fin, et du tisserand, de tous ceux qui font toute sorte d' ouvrages et de ceux qui conçoivent des projets.

<-
->