|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : kaikerina

Ohabolana 1Kaikerim-poza maimay, afatotra manin-te hody. [2.558 #1590]
Kekerim-poza, maimay ; afatotr' olona, manina te-hody. [2.415 #3253]
Kekerim-poza maimay, afatotr' olona manin-te hody. [2.653 #1238, 2.165, 1.1]
Fanazavana malagasyIlazana ny fahavoazan' izay tsy mba afaka hanao izay tiany. [1.1]
Dikanteny frantsayQuand on est mordu par un crabe, il y a de l' inflammation ; quand quelqu' un vous attache, on a un grand désir de s' enfuir. [2.415 #3253]
Quant on est pincé par un crabe on a mal; et quand on est prisonnier on voudrait retourner chez soi. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des choses qu' on est pressé de voir terminer et qui ne le sont pas. [2.415 #3253]

Ohabolana : kaikerina

Ohabolana 1Raha indrindra ho hanim-biby ihany, aleo kaikerin' ny renin-tantely, fa ireny no ela nihinanana ny mamy, ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.558]
Raha indrindra hohanim-biby ihany, aleo kekerin' ny renitantely, fa ireny no efa nihinana ny mamy ; ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ny ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.415 #732, 2.653]
Dikanteny frantsayS' il faut être dévoré par les bêtes, il vaut mieux être piqué par des abeilles, car elles ont mangé des douceurs ; s' il faut être garrotté avec des lianes, il vaut mieux être attaché avec des ignames, car on en a tiré des fruits. [2.415 #732]
Fanazavana frantsaySe disait des grands qui exploitaient le peuple, mais en y mettant des formes. [2.415 #732]

Ohabolana 2Tsy misy mafy noho ny maty anaka ; fa raha kekerin' ny moka, mitehaka. [2.415 #952, 2.653 #3523]
Tsy misy mafy ohatra ny maty anaka, fa raha kaikerin' ny moka mitehaka. [2.558]
Dikanteny frantsayRien n' est pénible comme de perdre son enfant, et cependant quand on est piqué par un moustique on frappe de la main. [2.415 #952]
Fanazavana frantsayLe chagrin doit parfois céder ; ce proverbe fait allusion au geste pour tuer le moustique. [2.415 #952]

Fizahan-teny