|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : maody

Ohabolana 1Mahery tsy maody tsy ela velona. [2.415 #6289, 2.558 #1875, 1.1]
Mahery tsy maody tsy mba ela velona. [2.165 #1150, 2.653 #1419]
Ny mahery tsy maody tsy ela velona. [1.1]
Raha mahery tsy maody tsy ela velona, osa mahira-tsaina, saro-bonoina. [2.558 #3605]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa na matanjaka aza ianao nefa tsy malina dia mety tsy ho ela velona. [1.1]
Tokony hitandrina sy ho malina ny matanjaka sao sendra ny tampoka tsy maha-lehilahy. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui est fort mais imprudent ne peut vivre longtemps. [2.415 #6289]
Qui est fort sans être prudent n' aura pas longue vie. [2.165 #1150]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas s'exposer au danger. [2.415 #6289]

Ohabolana 2Raha mahery tsy maody, dia enjehin’ ny osa. [2.165 #1151, 2.415 #6323, 2.653 #2677]
Dikanteny frantsayEn étant fort sans être prudent, on se fait poursuivre par les faibles. [2.165]
Si vous êtes fort mais imprudent, vous serez la proie des faibles prudents. [2.415 #6323]

Ohabolana 3Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka fa ny lambo nahamaodimaody ? [2.558 #3636]
Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka ny lambo-dia tsy ho maody ? [2.653 #2703]

Fizahan-teny