Fizahan-teny

Ohabolana : misisika

Ohabolana 1Aza misisika ho may hoatry ny fisoitr' afo. [2.415 #6149]
Aza misisika ho may ohatra ny fisoitr' afo. [2.165]
Fisoitrafo ka may vao misisika. [2.558 #1170]
Tsy mety raha may misisika hoatry ny fisoitrafo. [2.415 #6390]
Tsy mety raha may vao misisika toa fisoitrafo. [2.558 #4637]
Dikanteny frantsayIl ne convient pas de faire comme le tisonnier qui s' introduit toujours, bien qu' il soit brûlé. [2.415 #6390]
Ne vous brûlez pas par force comme le tisonnier (de bois) qui pénètre dans le feu. [2.165]
Ne vous brûlez pas par force comme le tisonnier qui va dans le feu. [2.415 #6149]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas insister sans discernement. [2.415 #6390]

Ohabolana 2Hianao baka mahay misisika, izaho kirongo tsy azo hidirana; raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia midiridiry ho amponga aho! [2.558 #1319]
Hianao baka mahay misisika, izaho korongo tsy azo hidirana : raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [2.415 #3468, 2.653 #1058]
Raha mihenjan-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [1.1]
Fanazavana malagasyTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsayVous avez les cornes écartées, propres à donner le coup qui consiste à introduire une corne entre les deux cornes de l' adversaire ; mais moi, j' ai les cornes courbes qui empêchent les vôtres de s' y engager ; si vous prétendez vous raidir comme un câble, je me tends comme un tambour. [2.415 #3468]
Fanazavana frantsayParoles fières ; elles font allusion aux combats Je taureaux : je ne vous crains pas. [2.415 #3468]

Ohabolana 3Raha baka mahay manorirana hianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [2.165 #412, 2.415 #6379]
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana. [1.1]
Raha baka mahay mihorirana ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [1.1]
Raha baka mahay misisika ianao, izaho kirongo tsy azo idirana. [1.1]
Raha kirongo tsy azo idirana izy dia baka mahay manohana izahay. [2.558 #3590]
Fanazavana malagasyTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
Dikanteny frantsaySi vous avez des cornes dirigées en dehors et pouvez ainsi donner des coups de côté, moi, par contre, j' ai les cornes tournées en dedans et vous ne pourrez pas entrer. [2.165]
Si vous avez les cornes en dehors et si vous savez frapper de côté, moi j' ai les cornes en dedans et vous n' entrerez pas. [2.415 #6379]
Fanazavana frantsayAllusion aux combats des taureaux. [2.165]
Allusion aux combats de taureaux. [2.415 #6379]

Ohabolana 4Tsy mety raha may misisika, ohatra ny fisoitra afo. [2.653]
Tsy mety raha may vao misisika, ohatra ny fisoitra afo. [2.653]

Fizahan-teny