|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : papelika

Ohabolana 1Midoka tena toy ny papelika. [1.1]
Fanazavana malagasyFatratra raha hilaza tsara momba ny tenany. [1.1]

Ohabolana 2Ny papelika no maro vava dia mitana ny hafatry ny Ntaolo. [2.558 #3208]
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo. [2.165 #68, 2.415 #331, 2.653 #2390]
Dikanteny frantsaySi la caille babille tant, c' est quelle rapporte les paroles ou recommandations des ancêtres. [2.165 #68]
Si les cailles ont de la renommée, c' est quelles gardent toutes les recommandations des ancêtres. [2.415 #331]
Fanazavana frantsaySe disait des bavards, par plaisanterie. [2.415 #331]

Ohabolana 3Papelika angaha aho no handoka tena. [2.558 #3482]

Ohabolana 4Papelika an-kady, sorohitra an-tanety : topazako ny voa mahagaga, ka sady gaga no talanjona. [2.653 #2595, 2.415]
Papelika an-kady, sorohitra an-tanety : tsipazako ny voa mahagaga ka sady gaga no talanjona. [2.558]
Dikanteny frantsayCailles de fossés et alouettes de coteaux : je leur jette de la graine mirifique, et elles sont étonnées et elles tombent en admiration. [2.415 #5775]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes qui se laissent duper, des femmes qui se laissent séduire. [2.415 #5775]

Ohabolana 5Tsy misy tsara feo noho ny papelika, fa midoka tena ka mahamonaina. [2.558 #307]
Tsy misy tsara feo noho ny papelika; fa raha midoka tena, mahamonamonaina. [2.653 #3548]

Fizahan-teny