|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tafasiry

Ohabolana 1Aza manao resaky ny mpantsaka : lany enti-mandroso fa tsy misy ho enti-miverina. [2.558]
Aza manao tafan’ ny mpantsaka: lany enti-mandroso ihany, fa tsy hisy ho enti-miverina. [2.653]
Aza manao tafasirin' ny mpantsaka, ka ny lasa ihany no averimberina. [2.653]
Aza manao tafasirin' ny mpantsaka : ny teo ihany no averimberina. [2.558]
Tafasirin' adala, ka ny lasa ihany no averimberina. [2.165 #1631, 2.558 #3963]
Tafasirin' adala : ny lasa ihany no averimberina. [2.415 #2112, 2.653]
Tafasirin' ny mpantsaka : ny lasa ihany no averimberina. [2.415 #2112, 2.653]
Dikanteny frantsayConversations de sots ou de porteuses d' eau : c' est sans cesse la répétition de ce qui a été déjà dit. [2.415 #2112]
La conversation d' un nigaud, il répète toujours les mêmes choses. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des redites perpétuelles. [2.415 #2112]

Ohabolana 2Izay iray zaza no iray tafasiry. [2.165 #252, 2.415 #1511]
Dikanteny frantsayCeux qui ont les mêmes enfants ont la même conversation. [2.415 #1511]
Ceux qui ont les mêmes enfants ont les mêmes entretiens. [2.165 #252]
Fanazavana frantsayIls parlent de leurs enfants. [2.415 #1511]

Fizahan-teny