| Teny iditra | fanahy (hahy) | ||||||
| Sokajin-teny | anarana | ||||||
| Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka [1.1] | |||||||
| Teny iditra | fanahy (ahy) | ||||||
| Sokajin-teny | anarana | ||||||
| Fomba entina manahy Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona. Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany. Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika. Toetra: Manao fanahin-jaza. Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. [1.1] | |||||||
| The mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. [1.2] | |||||||
| The spirit, the soul; an attitude or temperament [1.7] | |||||||
| Esprit, âme; attitude ou tempérament [1.8] | |||||||
| Voambolana | |||||||
| Ohatra |
| ||||||
| Haiendriteny |
| ||||||
| Tovy hevitra | iniana ~ nahy ~ satry | ||||||
| Lahatsoratra | Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly | ||||||
| Teny iditra | fañahy | ||||||
| Sokajin-teny | anarana | ||||||
| [Bara] Fitaka [1.78] | |||||||
| Haiendriteny |
| ||||||
| Teny iditra | Fanahy | ||||||
| Sokajin-teny | anaran-tsamirery (ara-baiboly) | ||||||
| Voambolana | |||||||
| Ohatra | Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy
[2.996] | ||||||
| Nohavaozina tamin' ny 2023/06/16 |
|