|
|
|
|

Teny iditra kamo
Sokajin-teny mpamaritra
 Tsy manana faharisihana hanao fa toa valabalaka ny saina na ny tena: Matetika mitana ny laharana farany ny mpianatra kamo. (Tsy dia azo lazaina mandrakariva ho malaina ny kamo, satria mety mba tahanao asa ihany izy, saingy tsaroany sasatra na trotraka ny tenany).
Mitovy hevitra: benamboka ~ kalaina ~ kamo be kibo ~ kamo be tenda ~ kamo velona ~ kisinina ~ lava lamosina ~ malaina ~ manao afo am-bilanikely ~ manary andro foana ~ midonana-poana ~ mirendrena ~ miriorio ~ mitanina andro tsy manavy ~ mitoe-poana ~ mitoe-poana toa volon' orona ~ mitonantonana ~ mpanao lalimanga ~ mpitango lalitra [1.1]
 Lazy; lacking in appetite [1.7]
 Paresseux; qui n'a pas d'appétit [1.8]
Ohatra -- Ity leitsy kamo a! [2.470]
Sampanteny 

Teny iditra kamo
Sokajin-teny anarana
 Bozaka aolanolana atao toa mahazaka makadiry manefitra ny vary tsy hikasika ny aty rindrin' ny lavabary [1.1]
Tovy hevitra kamoladina

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11