|
|
|
|

Teny iditra manenona (tenona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Manao lamba amin' ny fampidipidirana ny kofehy izay mitsangana sy mitsivalana: Ny vehivavy taloha saika nahay nanenona daholo
Teny misy ifandraisany: mamoly, mamorovoro, manantsody, manalo, manira, mahandro, maneza, manantsody fanindroany [1.1]
 To weave [1.7]
 Tisser [1.8]
Ohatra Tsy misy manenona lambamena moa any Antsihanaka. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manenona
Ny lasa : nanenona
Ny hoavy : hanenona
Filaza mandidy : manenoma

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20