|
|
|
|

Teny iditra marina (arina)
Sokajin-teny mpamaritra
 Ilazana toerana mitovy tantana, tsy misy avo sy iva, tsy mikitoantoana: Lavoan-tany marina lahy ianao
Ilazana toe-javatra mifanaraka amin' ny tena izy, tsy diso: Marina fa roa ampiana roa efatra
Ilazana toetran' olona tsy mamitaka, tsy mandainga, manaraka ny rariny sy ny hitsiny: Mpampiasa marina Rabe fa omeny karama mifanentana amin' ny asa ataony avy ny mpiasa ao aminy [1.1]
 Level; true; just, right [1.2, 1.7]
 De niveau; juste, vrai [1.3, 1.8]
 D'aplomb, droit [1.3]
 Aplani, mis de niveau [1.196]
Ohatra 
1Tsy hita ihany izy ity izay marina [2.4]
2Marina fa tsy mpiray tarika amin' izy telo lahy ireo [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : marina, marin-, marim-
Filaza mandidy : mana, mana
Sampanteny 

Teny iditra mana (arina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra marina [Fitanisana]
Tsipelina hafa 

Teny iditra mariña
Sokajin-teny mpamaritra
  [Tanala] Hendry, mipetraka tsara [1.78]

Teny iditra marina
Sokajin-teny anarana
  [Betsileo, Merina] Acalypha spachiana Baill. (Euphorbiaceae). Arbuste dont le sommet est souvent plat, comme s'il avait été taillé. [1.196]
Voambolana 
Anarana ara-tsiansa Acalypha spachiana

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/13