|
|
|
|

Teny iditra matavy (tavy)
Sokajin-teny mpamaritra
 Enti-milaza zavatra be menaka: Hena matavy
Enti-milaza olona na biby be jabora, be menka, botrefona: Misanehakany olona matavy rehefa miaka-piakarana
Mitovy hevitra: amboamboa kely ~ bada ~ be kibo ~ be roroha ~ be traotraoka ~ bebaka ~ bodofotra ~ bolangina ~ boresaresa ~ botabota ~ botanaka ~ botitaka ~ botrabotra ~ botrefona ~ daboka ~ dofotra ~ dokadoka ~ donga ~ dongadonga ~ fatrofatro ~ hivokivoka ~ madonda ~ mianakanaka ~ mibonabona ~ midibadiba ~ minendonendo ~ mitsinatsinaka ~ monamona ~ montamonta ~ refo ~ saingona ~ tete menaka ~ tretrohina ~ vaventy ~ vondraka ~ vongavonga [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : matavy
Ny lasa : natavy
Ny hoavy : hatavy

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/29