|
|
|
|

Teny iditra misalovana (salovana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mipetraka na mandalo eo anoloan' ny olona iray: Aza misalovana olona fa tsy fahalalam-pomba izany
Mitsatsaingoka miteny alohan' ny olona ka manapaka ny teniny: Tsy tokony hisalovana ny tenin' ny lehibe ny ankizy
Mitsofoka ka mitsabaka amin' ny raharahan' ny sasany ka manelingelina azy: Aza misalovana amin' ny raharahako ianao fa ny anao atao tsara
Mitovy hevitra: manao bingo mahao matso ~ miditra ~ misalehotra ~ mitakatra ~ mitsabaka [1.1]
 To go ahead of others; to interfere with other people's business [1.7]
 Se mettre devant quelqu'un; se mêler des affaires d'autrui [1.8]
Ohatra 
1Koa tandremo sao misy entim-poaka mandrasa tsy tompony, ary misalovana ny anjaran' ny Manjaka. [2.587]
2Nomena andraikitra lehibe vaovao misalovana ny kaominina amin' ny fahefany izy ireo, kanefa tsy nisy fiaraha-midinika nifanaovany tamin' ny ben' ny tanàna mikasika ny hanatanterahana an' izany miaraka. [4.27]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misalovana
Ny lasa : nisalovana
Ny hoavy : hisalovana
Filaza mandidy : misalovàna

Teny iditra misalovàna (salovana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao misalovana [Fitanisana]
  [1.1]
  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/21