|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  alatsinainy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy. -- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy. Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy. Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana. Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io. Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]
4 andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
6 Monday. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 le lundi. [1.3, 1.8]
8 lundi. [1.5]
9 lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Tanala] [1.6]
Ohatra  10  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
11  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Voambolana  12  Fotoana
Renianarana 
Anarana iray reny 
Kamban-teny rehetra  21  Fikambanana 3 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  22  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)23  Alatsinainy
Singan-teny  24 alatsinainy
Sokajin-teny  25  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  26 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  27 the place of holding Monday's market. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  28 noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
29 marché du lundi. [1.5]
Voambolana  30  Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  Alatsinainy, alatsinainy

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/13