Teny iditra (1/4) | 1 fanahy |
Fototeny | 2 hahy |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka |
Teny iditra (2/4) | 5 fanahy |
Fototeny | 6 ahy |
Sokajin-teny | 7 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
8 [1.1] Fomba entina manahy Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona. Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany. Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika. Toetra: Manao fanahin-jaza. Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. |
Fanazavàna teny anglisy |
9 [1.2] the mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. 10 [1.7] the spirit, the soul; an attitude or temperament |
Fanazavàna teny frantsay |
11 [1.8] esprit, âme; attitude ou tempérament |
Ohatra |
12 Toetra no lazaina hoe fanahy eto. [1.316#] 13 Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69#] 14 Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317#] |
Voambolana |
15 Filôzôfia |
Haiendriteny |
|
Tovy hevitra | 18 iniana, nahy, satry |
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Lohateny |
Ohabolana | 64 Ohabolana misy io teny fanahy io |
Lahatsoratra |
65 Randzavola: fanahy ao amin' ny Baiboly |
Teny iditra (3/4) | 66 fañahy |
Sokajin-teny | 67 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
68 [1.78] [Bara]
fitaka |
Haiendriteny |
|
Teny iditra (4/4) | 71 Fanahy |
Sokajin-teny | 72 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana] |
Ohatra |
73 Velona amin'ny fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny fanahy [2.996] |
Voambolana |
74 Soratra Masina |
Fivaditsoratra | 75 afahin, ahafin, fahany, fahina, fanahy, fañahy, fihana, fiha~na, hafany, hafian, hafina, hanafy, hiafan, hifana, nafahi, nafahy, nahafy, nihafa |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |