|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ahy
Sokajin-teny  2  mpisolo anarana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Mpisolo anarana misolo olona enti-milaza: ny olona miteny raha atao teny fameno: Raha vao nahita ahy izy dia nandositra.
4 Raha milaza tompon-javatra: Ahy itỳ boky itỳ. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 Me, my, mine; objective case of aho. Occasionally this word is found with the suffixe pronouns, as ahiko, mine. [1.2]
6 Me (as object); mine [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 à moi, moi, me. Ahy (ou quelquefois ahiko) irery izany: c'est à moi seul, c'est ma part. Mamono ahy izy: il me frappe. [1.3]
8 A moi, me [1.5]
9 Moi (objet), mien [1.8]
10 [Tanala] à moi, moi, me [ahy est peu employé: cf plutôt anahy]. [1.6]
Ohatra  11  Aiza no misy ahy? [2.5#111]
12  Natoky ahy i Feno. [2.472#58]
13  Iza no mba tia ahy? [2.471#19]
14  Mivavaha ho ahy koa. [2.499#19]
15  Asa izay fiheverany ahy. [2.4#64]
Haiendriteny 
16  Tsotra :
Mpanahaka  17  aho, 18  ko
Kamban-teny rehetra  19  Fikambanana 5 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  20  label='pns' run='pronouns?w=ahy' />Aiza no misy ahy?Natoky ahy i Feno.Iza no mba tia ahy?Mivavaha ho ahy koa.Asa izay fiheverany ahy.

Teny iditra (2/2)21  ahy
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23 tahotra [1.1]
24 fahatsapana sy fahatsiarovana ny fisian'ny tena sy ny manodidina ny tena; fahatsiarovan-tena eo amin'ny adidy, eo amin'ny fitiondran-tena; eritreritra [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  25 solicitude, inquietude, anxiety, care, attention. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  26 soin, sollicitude, soupçon [1.3, 1.5]
27 inquiétude, souci [1.3]
28 conscience [1.13]
Ohatra  29  Aiza no misy ahy? [2.5#111]
30  Natoky ahy i Feno. [2.472#58]
31  Iza no mba tia ahy? [2.471#19]
32  Mivavaha ho ahy koa. [2.499#19]
33  Ny ahy toaka mahery! [2.583#5]
34  Mba kivazivazy ny ahy. [2.895#70]
35  Asa izay fiheverany ahy. [2.4#64]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  49  Filôzôfia 50  Ontam-po

Fivaditsoratra  ahy, 51 hay, 52 hia, 53 iha

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26