|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  hetra
Sokajin-teny  2  anarana
Voambolana  3  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Fanazavàna teny malagasy  4  (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana
5  (ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  Taxes [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  Impôt, taxe [1.8, 1.5]
8  Redevance [1.5]
Ohatra  9  Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27#]
10  Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508#]
Haiendriteny 
11  Tsotra :
12  Tovonana :
Kamban-teny 
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny hetra io
Lahatsoratra  16  Randzavola: hetra ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/3)17  hetra
Sokajin-teny  18  anarana
Sampanteny 
19  Matoantenin' ny mpanao :
20  Matoantenin' ny iharana :
21  Matoantenin' ny fameno :
22  Anarana :
23  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  24  Anarana hafa ilazana ny fehikibo. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  25  Ceinture [1.5]
Tovy hevitra  26  fehikibo, fehinkibo

Teny iditra (3/3)27  hetra
Sokajin-teny  28  tambinteny
Fanazavàna teny frantsay  29  depuis que. § hàtra. [Tankarana] [1.19]
Tovy hevitra  30  faitra
Tsanganana sy sary iray takila  31  Ny tambinteny rehetra

Fivaditsoratra  32  hetra, treha

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/22