Teny iditra lemaka
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Marin-tampona: Tany lemaka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Plat: Mahafinaritra io tany lemaka io (Cette plaine est magnifique) [1.3]
Ohatra 
1Be tany lemaka voavoatra ho tanimbary ilay izy. [2.472]
2Ny akoran' ny mpiady nanehoeho eran' ny habakabaka sy ny tany lemaka. [2.587]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 

Teny iditra lemaka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tany marin-toerana hatrany, zara raha misy ahitana lohasaha, ankandemponana: Ny lemak' i Marovoay
Mitovy hevitra: ankamarenana ~ ankandemponana ~ ankapetrahana ~ deboka ~ dembademba ~ komakoma ~ lembalemba ~ lohasaha ~ maharemana ~ marin-tampona ~ tamponketsa ~ tany marina [1.1]
 Velaran-tany mitovitovy tantana [1.13]
Fanazavàna teny anglisy Flat land [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Terrain plat, plaine [1.3]
 Terrain plat [1.8]
 Plaine [1.13]
Ohatra Saingy nahonena azy indray ny fandadiladin' ny lemaka tomandavana ivalamparan' i Mangoro, ka nirotsaka ny ranomasony: [2.5]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : lemaka, lemako, lemakao, lemany, lematsika, lemakay, lemakareo, lemak', lema-, lemaky
Tovonana : -demaka, -demako, -demakao, -demany, -dematsika, -demakay, -demakareo, -demak', -dema-, -demaky
Kamban-teny 

Teny iditra lemaka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Velatra voafaritra ny hitsy roa mifanapaka [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Plan [1.13]
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra Lemaka
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Fangi-bolantany -20.2, 48.6

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/08