|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  re
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Heno: Renao ve izany vorona mihira izany?
Fantatra: Efa renao ny nialan-dRakoto.
Tsapan' ny fandrenesana, toy ny fanamboloana: Tsy reko izany fofona ao izany fa voan' ny sery aho; ny fandrenesana tsiron-kanina: Tsy reny akory ny hamamin' ny siramamy; ny fikasihana: Reko ny tsongo ataony ahy.
Tsaroana: Reko tsara loatra izany fahoriako
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] heard; perceived by the senses, as pain or smell
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3, 1.8] entendu
6  [1.3] appris, senti, perçu par les sens du goût, de l'odorat, du toucher
7  [1.8] perçu par le sens du toucher, l'odorat, du goûter
Ohatra  8  Ho ren'olo ka ho maty aho. [2.606]
9  Avereno kely hoe ho reko tsara. [2.895]
10  Tsy nisy hitany na reny nanatona anefa [2.472]
11  reny tsara ny fiakatry ny fofon-jezika ary maharikoriko azy [2.470]
12  Taitra dia taitra izy, fa avy any ambony ilay zavatra reny, ka fantany fa tsy izy mianaka avy naka orana tary an-dohasaha ambany [2.324]
Haiendriteny 
13  Ny ankehitriny :
14  Ny lasa :
15  Ny hoavy :
Sampanteny 
16  Matoantenin' ny mpanao :
17  Matoantenin' ny iharana :
18  Matoantenin' ny fameno :
19  Anarana :
Tovy hevitra  20  reny
Kamban-teny 
Ohabolana  28  Ohabolana misy io teny re io

Teny iditra (2/5)29  re
Sokajin-teny  30  kianteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  31  [1.1] Kianteny kely fanao amin' ny fehezanteny manontany raha manontany tena ilay miteny: Inona re no hataoko e; handeha sa hijanona?; ary amin' ny fehezanteny tsotra kosa raha mangataka mitalaho: Mifona re, tompoko, fa tsy hanao intsony aho
Ohatra  32  Nahoana re no anton'izany? [2.324]
33  Aoka re, anaka. [2.470]
Kamban-teny 

Teny iditra (3/5)37  ~re~
Sokajin-teny  38  tsofoka [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  39  [1.12] infixe qui sert à former le pluriel des pronoms-adjectifs démonstratifs: io -> ireo

Teny iditra (4/5)40  re    
Sokajin-teny  41  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  42  [1.1] Ny feo faharoa manarakaraka ny do amin' ny ambaratongam-peo fito amin' ny gama
Voambolana  43  Feon-kira: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  44  do, mi, fa, sol, la, si
Sary 
45 

Teny iditra (5/5)46  Re    
Sokajin-teny  47  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  48  [3.1] Singa mivaingana, faha-75 amin'ny fisokajiana miherina.
Fanazavàna teny anglisy  49  [3.1] Rhenium.
Fanazavàna teny frantsay  50  [3.1] Rhénium.
Voambolana  51  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  52  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21