|
|
|
|

Teny iditra1  sakafo
Sokajin-teny  2  anarana
Voambolana  3  Toe-karena: hanina
Fanazavàna teny malagasy  4  Zavatra handroina ka hanina isan' andro amin' ny fotoana tsy miova: Tsotsotra ihany ny anay ny sakafo maraina fa vitan' ny vary sosoa sy kitoza fotsiny ~ Sotroy eran' ny sotro lehibe alohan' ny sakafo antoandro sy hariva ity fanafody ity ~ Mahandro sakafo, manao sakafo, mandroso sakafo [1.1]
5  Vola, haninkanina, omena vahiny: Amin' izao fitsidihanao izao, tompoko, dia iny misy sakafo kely avy aminay [1.1]
6  Izay rehetra entina mamelona na mampitombo zavatra iray: Ny famakiam-boky no sakafon' ny saina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7  Food, a meal [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  Repas; mets, aliments [1.8]
Ohatra  9  Koa voalohany indrindra, ny vatsy sy ny sakafo aloha no andeha homanina; [2.324]
Haiendriteny 
10  Tsotra :
11  Tovonana :
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Matoantenin' ny iharana :
14  Matoantenin' ny fameno :
15  Anarana :
16  Mpamaritra :
Singan-teny  17  saka, afo
Kamban-teny 
Lohateny 
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny sakafo io
Lahatsoratra  28  Randzavola: sakafo ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/02