Teny iditra akaiky
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tsy lavitra: Aza matahotra ianao fa akaiky ihany ny tranonay
Antomotra na akaiky ara-potoana: Efa akaiky itỳ ny fanadinana, rankizy, ka mikezaha mafimafy kokoa indray
Anila, ankila: Mipetraha eto akaikiko ianao
Mifanila, mifanolotra, mifanolobodirindrina: Akaikin' ny tranonay ny fonenany
Tsy lavitra ara-pihavanana: Akaiky anay kokoa Rakoto noho ianao, satria zanak' olo-mpirahalahy izahay, fa isika kosa mbola zafin' ny mpianadahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Near, near together, near by, close at hand. [1.2]
 Near [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Comme akeky [1.3]
 Près [1.8]
Ohatra 
1Misy lahindrano mandalo eo akaiky. [2.472]
2Avia aloha, Rainy, eto akaikiko eto e! [2.470]
3Eo akaikin' i Hesbona no misy izany toerana izany. [1.38]
Haiendriteny 
Tsotra : akaiky, akaikiko, akaikinao, akaikiny, akaikintsika, akaikinay, akaikinareo, akaikin', akaikin-, akaikim-
Sampanteny 
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/29