|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  alatsinainy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10] (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy.
4  [1.1] andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy.

Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.]
6  [1.7] Monday.
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3, 1.8] le lundi.
8  [1.5] lundi.
9  [1.6] [Tanala] lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi]
Fanazavàna teny italianina  10  [1.18] lunedi
Fanazavàna teny alemà  11  [1.56] Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den...
Ohatra  12  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
13  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Voambolana  14  Fotoana
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Renianarana 
Anarana iray reny 
Tsanganana sy sary iray takila  27  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)28  Alatsinainy
Singan-teny  29  alatsinainy
Sokajin-teny  30  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  31  [1.1] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Fanazavàna teny anglisy  32  [1.2] the place of holding Monday's market.
Fanazavàna teny frantsay  33  [1.3] noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement.
34  [1.5] marché du lundi.
Voambolana  35  Haitoetany: tanàna

Fivaditsoratra  36  alatsinainy, Alatsinainy, anasitilian, atsilaninay, nanasitilia

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08