Teny iditra | 1 Andriamatoa |
Singan-teny | 2 andriana, toa |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin' ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankatỳ Andriamatoa, hoy i dada tamin-dRandriamparany Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonganamangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy lanja amin' ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony) Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaram-boninahitra entin' ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben' ny tanàna |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] [matoa, the firstborn.] The name of the eldest male in a family; a title of respect. 6 [1.7] Mister |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] Monsieur |
Voambolana |
8 Teny fanajana |
Tohi-kevitra | 9 ramatoa |
Mpanahaka | 10 atoa, ingahy |
Lohateny |
Ohabolana | 13 Ohabolana misy io teny Andriamatoa io |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |