Teny iditra | 1 endrey |
Sokajin-teny | 2 tenim-piontanana [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.10] Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina, na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra. (Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana). -- Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.; ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao: Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany ! |
Ohatra |
4 endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470] 5 Taitra izy, ary endrey ny fahatahorany; [2.324] 6 endrey ny alahelo amy ny fandrenesana izany! [2.59] 7 endrey maha-te-hizaha! [1.215] 8 endrey ny hatairan' izy roa lahy! [2.499] 9 Dia hoy Rafotsiarifanahy: "endrey! [2.293] |
Tsipelina hafa | 10 adray, adrey, dray, drey |
Fivaditsoratra | 11 diñere, endrey |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |