Teny iditra hay
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tenim-piontanana: Enti-milaza fanontaniana: Hay! tonga sahady ianao
Enti-milaza toa figagana noho ny fahatongavan-javatra na toe-javatra tsy araka ny nampoizina: Natao hitsikitsika hivavahana, hay, Papango nipaoka ny akoho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy An exclamation of surprise or scorn. Really! Truly! Indeed! It is repeated frequently as an encouragement to warriors. [1.2]
 Really! indeed! [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Oh! vraiment! [1.8]
Ohatra Hay, hoy ny mpanjaka. [2.606]
Kamban-teny 

Teny iditra hay
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] fantatra [1.78]
 Azo, azo averina, fantatra (saingy ilazana indrindra zavatra ilana fianarana): Efa hainao va ilay tsianjery? (Ny hevitra fotsiny hoe "fantatra", tsy ilana fianarana, dia tsy fiteny loatra afatsy any an' indran-tany, na dia miha-mahazo vahana aza ankehitriny: Aiza ho aiza eto ny tranon-dRatsima, ry zaza? -- Tsy haiko, tompoko)
Fantatra ny fanaovana azy: Aoka hataoko fa raharaha haiko raha izany foana
Mety ho vita: Tsy mba hain' ny zanako, tompoko, ny mandainga
Azo, tanty: Tsy hay leferina ny hoso-dratsy avy amin' ny havanta
Azo ifampiraharahana, azo akekezina: Tsy haiko io olona io fa ianao no aoka hiresaka aminy
Voafehy: Tsy hain' ny vadiny Rasoa. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Possible, able to, can be done by. In the provinces, to know, to be acquainted with. [1.2]
 Known; within one's capabilities [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  [Taisaka] Connu [1.82]
 Connu; dont on est capable [1.8]
Ohatra 
1Izay manapotsitra sy misintona lohanono koa ve dia tsy ho haiko [2.117]
2Hay izany no anton-diany! [2.499]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hay, haiko, hainao, hainy, haintsika, hainay, hainareo, hain', hain-, haim-
Ny lasa : hay, haiko, hainao, hainy, haintsika, hainay, hainareo, hain', hain-, haim-
Ny hoavy : ho hay, ho haiko, ho hainao, ho hainy, ho haintsika, ho hainay, ho hainareo, ho hain', ho hain-, ho haim-
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Lohateny Inona hay ny mivavaka
Ohabolana 

Teny iditra hay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fahaizana (teny miditra amin' ny famoronan-teny maromaro ka ny heviny hatrany dia hoe fahaizana, fahalalana) [1.1]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 

Teny iditra hay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] May, kilan'ny afo [1.78]
 Hafanana, firehetana na fahamaizana vokatry ny afo na ny masoandro, doro: Hain-trano, hain-tanety; hain' andro (hainandro). [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Burning. A word not used alone, but in compounds [1.2]
 Heat, fire [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  [Taisaka] Chaleur [1.82]
 Chaleur; feu [1.8]
 (toute l'île) (comparer au sanscrit kashai : brûler ; au vietnamien : ray : culture sur incendie, etc. ; des mots de même origine existent dans toutes les langues de l'océan Indien et des rives du Pacifique). Substantif : feu, incendie. On dit notamment hain-tanety: incendie des herbes, feu de brousse, mais périodiquement pour le renouvellement des pâturages. C'est une pratique désastreuse pour la végétation et le maintien de l'équilibre biologique. [1.196]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 

Teny iditra hay
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka] Tany foana [1.78]
 Tanety na lohasaha ngazana tsy misy ala na ahitra lava fa efa nodorana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy An exposed situation, an open space near a forest, or surrounded by forest.
Open, exposed [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  [Merina] Dénudé, dont on a brûlé la végétation. La région dite Ankay tirait son nom de ce que toutes les forêts y avaient été brûlées pour faire du charbon de bois ; la métallurgie du fer à la mode malgache se faisait au charbon de bois ; et aussi pour créer des pâturages [1.196]
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra hay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [Provincial] The name of an insect found in rice [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Insecte parasite du riz [1.19]
 Nom générique des maladies des plantes qui se traduisent par un dessèchement des feuilles, comme si elles avaient été brûlées ; que ces maladies soient dues à des parasites végétaux ou animaux. Par exemple, haim-bary = haombary : « le pou du riz », mais aussi les dégâts dus à des attaques cryptogamiques, etc. [1.196]
Voambolana 

Teny iditra hay
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  ahimaina [1.2]
  vilona, ahitra maina [1.17]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/17