Teny iditra | 1 Heloka roa ambin' ny folo na ''tsy mipepo'' |
Singan-teny | 2 heloka, roa ambin' ny folo, tsy, mipepo |
Sokajin-teny | 3 anarana (lohatenin-tantara fohy) |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [2.313#99] Anisan' ny mpanoratra tantara foro-nina mahay mitsikera toetr' olona aoka izany Ramangamalefaka - anarana indrana nentin' i Alfred Ramandiamanana (1886 - 17 Mey 1938). Eto amin' ity "Heloka roa ambin' ny folo na Tsy mipepo" ity, dia toetr' olona toa mahatsikaiky no tsikerainy. Maro ka-razana ny fitiavan-tena - na ny mari-marina kokoa angaha maro akanjo itafiana ny fitiavan-tena; anisanny fisehoany hafa kely ity eto amin' ny sombin-tantara ity. Hita marimarina izao fa zavatra tsy mahomby no mba irin' ilay dadatoa hofongorina ao amin' izy mivady alohan' ny hananganany azy ho zanaka, nefa dia mahatsikaiky ny afitso-dRavoahirana: raha mikasika ny tenany ny fitenenana (momba ny fihetsiny, ny fihaingoany diso fampana, ny didy akanjony...), odiany jamba sy marenina, fa raha mikasika olon-kafa kosa - na ny vadiny aza - izy no mila-tsaka ho vavolombelona mpandentika. |
Voambolana |
5 Haisoratra: tantara fohy |
Mpanoratra |
6 Ramangamalefaka |
Lahatsoratra |
7 ...
8 Tonga eo am-bavahady ny posy ka apetraky ny borizano. Iny mivoaka avy ao Ramatoa Ravoahirana, nitsipitsipika toy ny fandiafasika nahazo remby, mivimbina ravin-damba sy haingon'akanjo avy novidina teny amin'ny magazain'Iarivo. " Tsy mbola tonga ihany angaha ny kalesin-dalamby avy any atsimo, hoy ny fanontaniany. Tsy andriko izany hiverenan-dRajao" ! Ndrematoa Rajao vadiny dia lasa hatry ny afak'omaly, fa Ingahy Rakotoasimbola anadahin-dreniny dia mpanankarena ngezalahy ao amin'ny tapany atsimo. Tsy mba niteraka izy ary tsy mba nanangan-jaza koa, nefa ny fahanterana sy ny fahosana mandroso isan'andro. Rajao no hany zana-kavany tandrifin'ny hatsangany; nefa sampona lava ny fanjanahany azy ara-dalàna, satria Rangahy moa zanak'antitra mararirarin'ny fandanian-karena foana; Rajao tokony handova azy kosa, tanora fantezy tsy mitety ny lany sady fanteziam-piainana avo sasaka, satria izy sy Ravoahirana vadiny dia tena mpivady mifanara-tsaina tokoa, fa "tsy mipepo" ! hoy ny fitenin'ny lahy, " izay alehan' ny ory alehan'ny tsy manana " , hoy kosa ny fihenahenan'ny vavy, rehefa mifaninana amin'ny rendrarendrany isan-karazany izy. 9 Noho izany, dia nihevaheva lava teny ny fananganana an-dRajao. Tsaroan'ldadakoto mandroso ihany anefa ny fahosany, ka dia io izy nanafatra an-dRajao hianatsimo io. Tafaverina avy any Ramose, ka izao no lanin-dresak'izy mivady:
37 Nifampitodika izy roa, nifampisakambina dia indreny niaraka niraidraika tao anatin'ny onjam-posiposy! 38 Nikohona fotsiny Rasikida nahita izany rehetra izany. Dadakoto moa no haninona, hoy izy, fa ianareo tsy hanan-ko anareo!
40 ... |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/01 |
![]() |