|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  kolokolo
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.78] [Bezanozano] safosafo

Teny iditra (2/3)4  kolokolo
Sokajin-teny  5  anarana
Fanazavàna teny malagasy  6  [1.1] Teny ilazana ny feon'ny vorontsiloza na enti-miantso ny vorontsiloza mihitsy koa
Voambolana  7  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
8  Feo
Sampanteny 
9  Matoantenin' ny mpanao :
10  Matoantenin' ny iharana :
11  Matoantenin' ny fameno :
12  Anarana :
13  Mpamaritra :

Teny iditra (3/3)14  kolokolo
Sokajin-teny  15  anarana
Fanazavàna teny malagasy  16  [1.1] Tahom-bary maniry indray eo amin' ny fototra avy nijinjana, taho avy nanapahana vary mamoaka vary indray.
17  [1.1] Fikarakarana atao amin' ny zavamaniry na biby na olona mba hisakanana azy tsy ho simba na harary
Fanazavàna teny frantsay  18  [1.196] (dans toute l'île). Regain d'une culture. Par exemple les épis de riz qui se reforment après la moisson s'appellent kolokolom-bary. On leur prête des vertus magiques . c'est ainsi qu'ils entrent dans l'ody-taratra ou remède contre le sortilège appelé taratra, qui consiste à capter l'image d'une personne dans un miroir ou dans l'eau en prononçant des imprécations à son encontre. On dit aussi kolokolom-bomanga : la récolte de patates douces qui repousse à partir des tubercules oubliés dans le champ, etc. Le kolokolo est la part des enfants et des personnes incapables de se livrer elles-mêmes à la culture normale.
Ohatra  19  Gaga anao aho, Ratsianketsa, raha ny kolokolo no nanjary vary, ary ny zokim-pitia no nanjary saikiny. [2.69]
20  Izao no nasehon' ny Tompo Iaveh tamiko, dia indro izy fa namorona valala, tamin' ny fotoana vao itsimohan' ny kolokolo, dia ny kolokolo avy nijinjana ho an' ny mpanjaka. [2.996]
Sampanteny 
21  Matoantenin' ny mpanao :
22  Matoantenin' ny iharana :
23  Matoantenin' ny fameno :
24  Anarana :
Kamban-teny 
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny kolokolo io

Fivaditsoratra  27  kolokolo, lokoloko

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02