| Teny iditra (1/4) | 1 taratra |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 [Bezanozano+Sihanaka] fitaratra
[1.78] 4 Hazavana alefana zavatra miantefa amin' ny rano na fitaratra: Manimba maso ny taratry ny masoandro ao anaty rano raha mandeha lava amin' ny lakana 5 Hazavana mihalohalo na miserana kely: Mahafinaritra izany tara-bolana aty anaty hazo 6 Fijerena zavatra maninteraka lamba na fitaratra na amin' ny elakelaky ny rantsantanana 7 Fanarangaranana na fitsikilovana izay atao miafinafina [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
8 a beam of light; a reflection
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 rayon de lumière; lumière réfléchie
[1.8] 10 radiation, irradiation, reflet [1.13] |
| Ohatra |
11 Hita taratra amin' ny fihetsiny ny haalinan-tsain' I Saonina.
[2.470]
12 Iny fiara iray nandefa taratra mahery vaika no nitsilo ny fidolany. [2.529] |
| Sampanteny |
|
| Voambolana | 23 Fizìka |
| Kamban-teny rehetra | 24 Fikambanana 5 amin' io teny io |
| Teny iditra (2/4) | 25 taratra |
| Sokajin-teny | 26 anarana |
| Fanazavàna teny frantsay |
27 [Sakalava] (mis pour ataratra : abat-jour ; tout ce qui filtre les rayons du soleil). Suivant les régions les Sakalava prononcent souvent taratse ou taratsy, ce qui a donné lieu à plusieurs graphies, que nous ne reproduirons pas. Phoenix reclinata var. madagascariensis Becc. (Arecaceae). Espèce voisine du dattier. Mais le fruit à pulpe très mince est loin d'avoir la même valeur alimentaire. Le bourgeon terminal est un bon chou palmiste. Les segments des feuilles sont souvent utilisés en sparterie, notamment pour faire des parasols et les abats jour, d'où le nom malgache.
[1.196] |
| Voambolana | 28 Haizavamaniry |
| Tsipelina hafa | 29 taratse, taratsy |
| Anarana ara-tsiansa |
|
| Teny iditra (3/4) | 31 Taratra |
| Singan-teny | 32 taratra |
| Sokajin-teny | 33 anarana (lohatenim-boky) [Fitanisana] |
| Mpanoratra |
34 Ratsifandrihamanana Clarisse |
| Mpanonta printy |
35 |
| Teny iditra (4/4) | 36 Taratra |
| Sokajin-teny | 37 anarana (gazety) |
| Voambolana | 38 Mpanonta printy, gazety |
| Mpanoratra |
39 |
| Mpanonta printy |
40 |
| Sombiny |
41 2008/02/18 2,10 metatra i Ikopa eo Bevomanga, 4 metatra ny refy fanairana milaza loza eo. 42 2008/02/21 Mbola tsy vita ny asa fanarenana ny lalana tamin' ny fandalovan' ny rivodoza Fame farany teo 43 2008/03/12 Hatramin'izao aza, mbola sarotra ny fandidiana, tsy azo atao mihitsy ny mivoaboaka ny toby ipetrahan'ny miaramila satria miandry kendritohina ireo mpikomy sy ny tafiky ny fanjakana sodane 44 2008/04/04 Fiara Mazda iray avy aty Antananarivo no nifandona tamin'ny kamiaobe iray avy any Antsirabe. Mafy ny fifandonana ! 45 2010/11/21 Na ry zareo mpioko mifahatra ao amin'ny Bani, na ny avy eny amin'ny fibaikoana ao amin'ny Etamazaoro anefa dia samy nilaza fa tsy vahaolana ny fandatsahan-dra. 46 2011/02/07 Ankoatra ireo miaramila, misy sivily roa koa voarohirohy amin'ity raharaha ity, raha ny fanazavana azo avy amin'ny fikambanana Av7 ivondronan'ireo niharam-boina tamin'iny zava-nitranga iny. |
| Fivaditsoratra | Taratra, taratra |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/02/20 |
|