Teny iditra | manatitra (atitra) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Manolotra, manome zavatra ho an' olona: Nanatitra vorona ho an' i dadatoa izahay tamin' ny 26 Jiona Mitondra miverina, mamerina: Mahagaga ahy fa mbola tsy nanatitra ny volako izy hatramin' izao Miara-dalana amin' olona avy amin' ny toerana iray mankamin' ny toerana iray hafa mba hiaro na hanome voninahitra: Miaramila roa lahy no nanatitra anay Manao veloma mpandeha any amin' ny toerana iaingany: Nanatitra an-dry zoky teny amin' ny fiantsonan-dalamby izahay omaly maraina Miaraka amin' ny mpanambady ka mametraka azy any an-tranony: Olona betsaka no nanatitra ny mpanambady [1.1] | ||||||||
Fanazavàna teny anglisy | To present, to convey [1.2, 1.7] | ||||||||
To send, to return. [1.2] | |||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Présenter, apporter [1.3, 1.8] | ||||||||
Offrir: Avy manatitra voaloboka ho anareo aho (Je viens vous offrir des raisins) Conduire: Nanatitra ny vahiny tao an-tranom-bahiny izy (Il a conduit l'étranger à l'hôtel) Escorter: Nisy miaramila nanatitra azy (Des soldats l'ont escorté) Porter: Nanatitra entana tany Toamasina izy (Il a porté des paquets à Tamatave) Rendre: Tsy mbola nanatitra ny bokiko izy (Il ne m'a pas encore rendu mon livre) [1.3] | |||||||||
Offrir, livrer [1.8] | |||||||||
Ohatra |
| ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Kamban-teny |
| ||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny manatitra io | ||||||||
Fivaditsoratra | manatitra, manitatra, mitantara |
Nohavaozina tamin' ny 2023/09/29 |