Teny iditra mafana (fana)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy mangatsiaka, tsaroana fa somary mahamay: Efa mafana ny rano
Mahatonga ny tena hahatsiaro hafanana, madisadisa ohatra ny tenehina: Mafana izany andro izany
Mitana hafanana, manome hafanana: Akanjo mafana
Sady betsaka no mihetsiketsika fatratra: Mafana ny asa atỳ avaratra atỳ, izany!
Mitovy hevitra: mafotaka ~ mangotraka
Enti-milaza olona mampiseho fahazotoana, fahavitribitrihana amin' ny asa ataony (matetika anefa ny hoe mafana fo no ampiasaina amin' itỳ hevitra farany itỳ): Mafana Rangahy iny rehefa miasa
Teny iray tarika: afa-dranompanala ~ mahalala tondro ~ mahamay ~ mahavotsotra ~ mampitsovaka ~ mandevy ~ mandoro ~ mangotraka ~ marimaritra ~ matimaty ~ mavaivay ~ mivadibadika ~ ngorovitsika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Warm, hot [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chaud; qui a chaud [1.8]
Ohatra 
1sakafo mafana miditra an-kibo ihany no odiny. [2.470]
2Nohanina ihany, saingy nalona ela tami' ny rano mafana vao laitry ny nify. [2.472]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Mpanahaka  migaingaina ~ midaindaina ~ manevoka
Ohabolana 

Teny iditra Mafana (mafana)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Voambolana 
Fangi-bolantany -20.2166667, 45.8833333
-15.85, 46.7666667

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/27